Ny Tontolon'ny Fanabeazana

Diniho kely ity andininy manaraka ity:

"Izy no nandefa iraka avy amin'izy ireo hitanisa ny andinin-tsorany amin'ny olona, hanadio azy ireo sy hampianatra azy ny bokin'ny fahendrena kanefa nivily làlana tanteraka izy ireo tany amboalohany". (62:2)

Tena mahaliana ny teny sasany amin'ireo teny ireo. Milaza amin'ny mpisolo tena laharana faha telo Andriamanitra satria ny Arabo tany amboalohany sy mbola dia no tsy nahafantatra azy. Tsy mbola nahafantatra azy izy ireo ary niaina tao anatin'ny fahamaizinan-tsainany sy ny fanalavirana an'Andriamanitra tanteraka, marihin'Andriamanitra fa tsy hainy akory na dia ny miresaka mivantana (amin'ny fampiasana mpisolotena laharana fahatelo amin'izy ireo) amin'izy ireo aza. Ary nantsoin'Andriamanitra hoe "Tsy mahay mamaky teny sy manoratra" izy ireo. Tsy izy rehetra no toy izany kanefa tsy nahalala kely akory ny Mpaminany sy Andriamanitra izy ireo.

Noho ny fahefany tsy manam-petra dia nandefa Iraka ho an'io fiarahamonina mafy hatoka io izy, iraha nomena fandavantena avy amin'ny fandavantena lehibe, avy amin'ny ambony indrindra, avy amin'ny fanahy lalina sy ny fahendrena ambony tokoa, amin'ny alalan'io no hanabeazan'Andriamanitra azy ireo hanjary hanantsaina hitarika ny fiarahamonina indray andro any .

Ny fomba fiteny hoe "amin'izy ireo" dia maneho fa ho avy amin'izy ireo ny Iraka kanefa tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy io. Amin'ny maha voafidin'Andriamanitra azy dia tsy ho anisan'ireo aoaatin'ny vanim-potoan'ny tsy fahalalana intsony izy, izany hoe tsy ho toy ireo olona maizintsaina miara miaina aminy izy. Na izany aza dia tsy maintsy maizin-tsaina izy mba hahafahan'Andriamanitra mampianatra izay tsy maintsy fantany. Havahan'Andriamanitra amin'ny vahoakany izy, ho beaziny sy hataony mpampianatra ny tsy mahalala na inona na inona rehetra.

"Hitanisa ny andinin-tsorany amin'ny olona izy sy hanadio azy ireo" maneho izany fa hampianatra azy ireo tsikelikely ny CORAN sy ny fahariana hilaza aminy ny fomba hahatongavana ho olombelona fakantahaka amin'ny fiezahana hanatratra ny fahatsarana ara-panay. Hitarika azy ireo amin'ny laharana ambony izy amin'ny fanazavany ny CORAN amin'izy ireo sy ny fanazavany amin'ny antsipirihany ny fomba hitondrana fiainana voarindra sy fakantahaka amin'ny lafiny rehetra.

Ny fehezanteny hoe: "Kanefa nivily làlana tanteraka izyiroe tany amboalohany" da nanambara fa hanadio sy hanabe azy ireo Andriamanitra na dia diso làlana aza izy. Ataony amin'ny alalan'ny Iraka tsy mahay mamaky teny sy manoratra izany rehetra izany sy amin'ny famianarana azy ireo ny CORAN. Hatramin'izay ka hatramin'izao dia namely ny filan'ireo olo-masina sy manapahaizana ara-tsiansa maro io boky io.

Noho ny fisian'ny Mpaminany dia hahita ny fanevany mamela marika ao anatin'ny fotoana mifandimby ny zanak'olombelona. Ireo izay manaraka azy, hatramin'izay ka hatramin'izao dia hahazo ny fanjakana farany ambony ara-panahy noho ny elatry ny fahamasinana sy hamoram-po ary ny fahitsiana, ny fahalalana sy ny siansa. Izay manaraka ny lalan'ny fitondrantena tsara sy ny ara-panahy, ny fahalalana sy ny siansa na taloha na ankehitriny dia mamita ny dindon'ny Mpaminany Mohammed sy miarahaba azy hoe: "Ho aminao anie ny fiadanana sy ny tsodranon'Andriamanitra!"

Hanao zavatra toy izany koa izy amin'ny ho avy. Hanjavona tsikelikely ny hevitra tsy nahomby tany amboalohany, ho toy ny jiro mihamaty ary tsyhamela hiseho afa tsy "masoandro" iray –Ny CORAN izay tsy hilentika mihintsy. Ny fanevany ihany no tokana hikopakopaka ery aminy faravodilanitra ary hirohotra ho eo aminy ny taranaka isanisany, hamaha ny fatorana manodidina ny vozony.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.