Mahazo Ny Fahafahan'ny Olombelona Manao Zavatra Manontolo Ny Silamo
Araka izay hitantsika mazava tao amin'io andininy voalaza teo aloha io, ny fomba fanabeazan'ny Mpaminany dia hanadio ny izahontsika ara-nofo izay manosika antsika ho amin'ny ratsy; fomba iray izay ken'ny rehetra, mahazo ny rehetra ary manandratra ny fo, ny saina amam-panahin'ny olona ho amin'ny faritra ambony. Manaja sy misintona ny fisaintsainana izy. Manandratra azy amin'ny laharana ambony amin'ny alalan'ny faharanitantsain'ny Fanambarana izy.
Mametraka io toe-javatra io koa ny fahamarinan'ny CORAN. Ankoatra izany dia manohina maha isika antsika ao anaty sy ety ivelany koa ny hafatra, mampanidina ireo izay manaraka azy amin'ny elatry ny fitiavana sy ny hatsaram-po izy ary mitondra azy ireo ho any amin'ny toerana tsy takatry ny heritreritsika. Ny ambony hoan'ny rehetra dia ahitana ny fitsipi-pitondrantena tsara ihany koa sy ny ara-panahy,ireo foto-kevitra ara-pihariana, ara-bola, ara-pitantanana, fanabeazana, ny fandriampahalemana sy ny lalàna iraisam-pirenena. Namokatra ny varavaran'ireo rafitra ara-toekarena, sosialy, fitantanana, miaramila, politika sy siantifika tamin'ireo mpianany izy, novolavolainy su nobeaziny ny saina amm-panahin'izy ireo mba ho tonga mpitantana tonga lafatra, mpahay toe-karena mendrika indrindra, mpanao politika mahomby sy miaramila miavaka.
Tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny tanjon'ny faminaniany raha nisy tsy fahtomombanana tao amin'ny fampianarany ny zanak'olombelona. Hoy izy:
"Ny Mpaminany isanisany teo alohako dia samy nanorina ny ampahany tamin'io trano tsara tarehy io, misy lesoka tsy maintsy fenoina anefa ao. Niteny izay nandalo tsirairay: "Hanontany tena aho rehefa vita io trano io" Iza no namita azy? izaho, ny tombok'avatsan'ny Mpaminany. Ao aoriako, tsy hisy ho kianina intsony ao amin'io rafitra io".1
Manamafy toy izao ny CORAN: "Nalefako ho anareo ny finoanareo ankehitriny". (5:3) Raha fintinina dia nanova sy nameno ary nanatsara izay nanjary nalemy sy nivily tamin'ny làlan'Andriamanitra ny ampahany.
Nalefa hoan'ny vahoaka voafaritra ny Mpaminany rehetra teo aloha. Ny Mpaminany Mohammed sy ny finoana silamo kosa dia nofidin'Andriamanitra hoany fotoana rehetra sy ny vahoaka manontolo, ny finoana silamo no fetra farany ambony indrindra amin'ireo zavatra tsara hoan'ny voary manontolo. Novolavolainy hifanaraka amin'ny olona manontolo ny finoana silamo. Noho izany, nyfah sy ny foto-kevitry ny hafatra no tsy maintsy jeren'ny olona mba hahafahany mandrindra ny fiainany fa tsy ny mitady ny tsy fahatomombanana ao amin'ny hafatra sy ny fomba, ny fot-kevitra nampiharan'ny Mpaminany.
Olona voavolavola ny Mpaminany, voatokana sy tonga lafatra. Nanova ny vahoaka maizintsaina sy dia fiadiana masina sy voatsodrano izy, mpanabe miavaka sy mpitarika tsy hay resena, olom-panjakana ambony sy mpamolavola fomba fiainana mahafinaritra voaporofon'ny tantara.
Miankina amin'ny fahalehibeazan'ny tanjony ny fahatomombanan'ny mpanabe iray sy ny fahbetsahana ary ny hatsaran'ny mpianany. Mbola teo alohan'ny fahafatesan'ny Mpaminany Mohammed dia efa namakivaky an'I Egipta ka hatrany Iran, Yémen ka hatrany Cancase ireo mpanabe sy mpitarika ara-panajy nalefany mba hampita izay nianarany taminy. Nanosiky ny taonjato manaraka dia nirohatra ho amin'ny fivavahana silamo ireo mponina maro samy hafa fomba amam-panao sy kolontsaina (Persa, Taraneanina, Sinoa, Indianina, Romanina, Abisinianina, Arabo sy Eropeanina sasantsasany, sns). Ny halebeazan'ny mpanabe koa dia miankina amin'ny fitohizan'ny foto-keviny. Tsy nisy olona afaka mandà fa maro ny olona manaiky ny fivavahana silamo maneran-tany sy mampihatra ireo fot-keviny. Noho ny sitrapo sy ny herin'Andriamanitra dia nalaky nirona tamin'ny fivavahana silamo ny ankamaroan'ny olombelona.
Aza adinoina fa ny irak'Andriamanitra dia niseho tamin'ny vahoaka dia sy tsy nahalala na inona na inona. Mpidoroka izy ireo, mpiloka sy mpijangajanga tsy tamin-kenatra. Ara-dalàna ny fijangajangana ary misy saina nitsangana manokana ahafantarana ny trano mihidy.
Tena lasa ambony ny tsy fahamaontinana teo amin'izy ireo ka nampisalasala ny niantso azy ho olombelona. Tsy mitsaha-mifamono ny olona samy olona ary tsy misy olona afaka mampihavana izy sy mampitambatra azy ho firenena iray. Nahitana ny endriky ny faharatsiana rehetra tany Arabia. Na dia izany aza dia nofongaran'ny Mpaminany hatrany ifotony ireo ratsy rehetra ary nosoloiny soa toavina sy fahamarinana niorim-paka lalina ka nahatonga ny olona tao amin'ny vahoakany ho mpitarika sy mpanabe ny olo-mandroso.
Na amin'izao fotoana izao aza dia tsy mbola mahatratra ny fetra vitan'izy ireo isika, ary fan a dia ny fantr'ireo avarapianarana tandrefana toandr'I Isaac Taylor2, Robert Briffault, John Davenport, M. Pickhtall, P. Bayle sy Lamartine aza.
Zavatra tsy misy aina no namoronan'Andriamanitra ny zavatra mananaina. Nomeny aina ny tany sy ny vato. Novan'ny Mpaminany ho "volamena sy vato soa" ny "tany sy arina ary ny varahana". Raisintsika ho ohatra amin'izany I Abou Bakr, Omar, Othman, Ali, Khalidn Uqba ibn Nafi, Taria ibn Ziyadn Abou Hanifa, Imam Shafi‛I, Bayzid al-Bislam‛, Mouhyi ad-bin ibn al-arabi, Birouni, Zahrawi sy ireo anarivony maro hafa nahazo fanabeazana tao amin'ny sekoliny. Tsy nisy tsy nobeazin'ny irak'Andriamanitra ny fahafahan'ny olombelona manao zavatra manontolo. Noteneniny izy ireo ary nosoloiny fahaizana avo lenta ny kilema. Hoy ny mpandinika goavana:
"Nanana ny toetra maha olona ambony talohan'ny nanarahany ny finoana silamo I Omar. Taorian'ny fivadihany dia nanjary olona tena mahery izy fa tsy narefo, tsy mba namono vitsika na valal izy".
Ankilany, ao ireo tsy fahafahantsika mamongotra ny fahazaran-dratsy madinika toy ny fifohana sigara na dia eo aza ireo fitaovana mahomby sy fikaonandoha iraisam-pirenena saika karakaraina isan'andro hiadiana main'izany. Manambara ny fahalalana medikaly fa ny sigara dia mahatonga ny omamiadana any amin'ny taovam-pisefoana, ny vava, ny traotraoka, ny avokavoka, mbola mifoka ihany anefa ny olona. Andaniny, teo koa ireo zavatra tsy took tsy forohana notanterahin'ny Iraka izay namongotra fahazarandratsy maro izay tsy laitram-panafana teo amin'ireo mpiarabelona taminy ary nosoloiny fahamarinana sy fahazarana mendrika. Izay nahita ireo olona ireo dia nilaza hoe: "Andriamanitra ô, toa ambony noho ny anjely ireo mpanaradia azy. Rehefa nandalo eo amin'ny tetezan'ny andro farany miantona eo ambonin'ny afobe izy ireo miaraka amin'ny fahazavany miparitaka hatraiza hatraiza dia hiteny hatramin'ny anjely hoe: "Anjely va izy ireny sa Mpaminany?" Tsy Mpaminany na anjely fa olona nobeazina tao amin'ny firenen'ny Mpaminany izy ireo. Hitan'ny Mpaminany avokoa ny maha izy azy ny olona tsirairay manontolo. Tsy ataony ambanin-javatra ny fahafahany mandinika ara-tsaina sy ara-panahy manontolo, ary novelariny, novany ny vahoaka mahantrany tamin'ny fanomezana fahamarinana. Ny fahendreny amin'ny fanombanany nyhery zotra ao anatin'ny olona dia porofo manginy fotsiny amin'ny faminaniana.
[1] Bukhari, "Manaqib," 18; Muslim, "Fadha'il," 20-23.
[2] Isaac Taylor, qui parla au Congrès des Eglises d'Angleterre, relate comment l'islam change les gens qui l'acceptent: "Les vertus que l'islam inculque comme la tempérance, la propreté, la chasteté, la justice, la grandeur d'âme, le courage, la bienfaisance, l'hospitalité, la véracité, et la résignation... L'islam prêche une fraternité pratique, l'agalité sociale de tous les musulmans. L'esclavage ne fait pas partie du credo de l'islam. La polygamie est une question plus difficile. Moïse ne l'a pas interdite. Elle était pratiquée par David, et n'est pas directement interdite par le Nouveau Testament. Mohammed limita la polygamie. Il s'agit de l'exception plutôt que la règle..." (Abu'l-Fazl Ezzati, An Introduction to the History of the Spread of Islam, London) (Tr.)
- Created on .