Ny Faniriana Sy Ny Fahafahan'ny Olona Misafidy Malalaka

Ireo famantarana ny fisian'ny fahfahantsika misafidy malalaka:

  • Tsy mandry ny saitnsika rehefa manao ratsy. Mangataka ny famelan'Andriamanitra isika amin'ny fahotantsika. Raha manao fahadisoana isika na manisy ratsy olona dia mialatsiny aminy. Maneho izany asa izany fa misafidy fomba hafa noho ilay natao isika. Raha tsy afaka misafidy ny asantsika sy atosiky ny hery ambony isika ahoana no ahafahantsika mahatsapa tsy fandriantsaina sy hangataka famelana amin'izay tsy mety natao?
  • misafidy hanetsika ny tanantsika isika. Tsy misy manakana antsika hanao ny tsy hanao zavatra. Manapakevitra hamaky loha iray isika, mihery fahitalavitra na mivavaka amin'Andriamanitra. Tsy terena mihitsy isika hanao izatsy na izaroa, na atosiky ny hery ambony sy tsy hita maso.
  • misalasala isika, mandinika, mampitaha, manombana, misafidy avy eo manapa-kevitra hanao zavatra. Ohatra, raha manasa antsika handeha amina toerana iray ny namantsika na hanao zavatra, misalasala aloha isika avy eo mampitaha mba hahafahana manapa-kevitra na hiaraka aminy na tsia. Mamerina izany dingana izany mila ho injato isan'andro isika. Isaky ny tsy maintsy manapakevitra na hanao zavatra iray.
  • enjehintsika amin'ny lalàna izay manosihosy ny zontsika. Na ny fitsarana, na olona ankoatra azy dia tsy afaka dia tsy manankina ilay heloka amina hery ambony toy ny faniriana. Tsy afaka manadio tena amin'ny filazana, fialantsiny amin'io hery ambony io ilay meloka. Ny porofo mivantana fa isika tsirairay dia manana io fahfahana misafidy malalaka io dia ny fisian'ny olo-marina sy ny olon-dratsy, ireo manantena toerana ara-tsosialy ambony, ireo izay nomena valisoa noho asa tsarany na ny fahombiazany sy ireo izay voasazy noho ny heloka vitany.
  • ireo sembana ara-tsaina ihany no tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra nataony. Ny sain'olombelona sy ny fahafahantsika ara-tsaina manao zavatra dia manery antsika handray fanapahan-kevitra sy mampalalaka antsika; manamafy ny fahamarinan'izany ny vokatra hita eo amin'ny fiainantsika. Tsy misy dika ny saina sy ny fahfahana hafa ahafahan'ny olona manao evt raha tsy misy ny fahfahana misafidy.
  • tsy manan-tsitrapo ny biby. Mihetsika araka ny fitarihan'Andriamanitra izy (na araka "hery manokana" manosika azy, araka ny voalazan'ny fahalalana materialista). Ohatra, manarina trano maro lafy mandrakariva ny tantely tsy manandrana manao trano telozoro mihitsy izy. Isika indray dia mandinika zavatra maro alohan'ny hitenenana na hanaovan-javatra. Malalaka amin'ny fiovan-kevitra koa isika amin'ny zavatra tampola na rehefa mahita vaovao na hevitra tsaratsara kokoa. Maneho ny fisian'ny falalahantsika misafidy malalaka koa izany.

Ny toetran'ny fahfahantsika misafidy malalaka

Tsy hita maso sady tsy azo tsapain-tanana ny fahafahantsika misafidy malalaka. Tsy manakana ny fisiany anefa izany. Samy manamaso roa (ara-batana) isika tsirairay avy, afaka mahita amin'ny alalan'ny masontsika fahatelo (ara-panahy) koa anefa isika. Mampiasa ny maso ara-batana mba hahitany izay azo tsapain-tanana isika, ny maso ara-panajy kosa dia mamela antsika hahita izay ambonin'ny eto an-tany. Toy io maso fahatelo io ny fahafahantsika misafidy malalaka izay azontsika antsoina hoe "fahitana mazava" koa. Izy io dia fironana na hery anaty ahafahantsika misafidy sy manapa-kevitra.

Maniry ny olona ary Andriamanitra mahary. Tsy misy lanjany na miasa ho azy ny tetik'Andriamanitrasa na planina trano iray raha tsy efa tanteraka na aorina amin'ny alalan'ny planina ny trano mba ho azo arafitra ho hita maso sy azo ampiasaina amina tanjona maro samy hafa. toy io planina io ny fahafahantsika misafidy malalaka, ary Andriamanitra mahary ny asantsika arakany ny fanapahan-kevitsika. Mahary amin'ny lafiny iray ary miasa na manao zavatra amin'ny lafiny hafa, izy ireo dia asa tena miavaka tsara. Ny faharian'Andriamanitra dia midika fa omeny fisiana ny safidintsika sy ny asantsika eto antany. Tst misy na inona na inona azontsika atao raha tsy misy ny asam-paharian'Andriamanitra. Tsy maintsy mametraka lamina hanazavana isika mba ahafahana manazava lapa tsara tarehy. Na dia izany aza tsy mazava ny lapa raha tsy tsindriana ny fanapahana herinaratra. Raha tsy misy voasa io dia maizina ihany ny lapa. Toy izany koa, ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay dia lapan'Andriamanitra mahafinaritra. Hazavain'ny finoana an'Andriamanitra isika, izy no nanome antsika lamim-panazavana mifanaraka amintsika: ny haranitantsaina, ny saina, ny fahatsapana sy ny fahafahana mianatra, mampitaha sy misafidy.

Ny voary sy ny zava-mitranga, toy ny finoana an'Andriamanitra dia loharanona herinaratra manazava io lapan'Andriamanitra io, dia ny olombelona. Na dia izany aza, raha tsy mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hikitihana io fanapahana herinaratra io dia mbola mijanona ao anaty haizina. Ny mandrehetra ny fahazavana dia midika ho fangatahana amin'Andriamanitra hanazava antsika amin'ny finoana. Toy ny ataon'ny mpanompo eo ambaravaran'ny tompony, tsy maintsy mangataka amin'Andriamanitra isika mba hanazava antsika sy hanome antsika ny "fanjakan'izao tontolo izao. Amin'ny fanaovana zavatra toy izany no hitondran'Andriamanitra antsika amin'izay fomba fantany sy fampakarany antsika amin'ny laharan'ny manampahefana ambonin'ny voary hafa.

Heverin'Andriamanitra ny fahafahantsika misafidy malalaka rehefa miahy antsika sy ny asantsika izy satria ampiasainy izany rehefa mamolavola ny asantsika izy. Noho izany tsy mandiso antsika na oviana na oviana ny faniriana sy ny didy ary tsy iharan'izany isika. Na dia tsy misy dikany aza ny fahafahantsika misafidy malalaka raha oharina amin'ny asan'Andriamanitra dia mbola izy hatrany no anton'ny asantsika. Mamolavola zavatra goavana amin'ny alalan'ny singa bitika dia bitika Andriamanitra ary mihary vokatra manana ny lanjany amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana tsotra. Ohatra, mamolavola hazo lehibe amin'ny alalan'ny voa bitika izy, ary mampiasa ny fironantsika sy ny fahafahantsika misafidy malalaka mba hanomanany famonjena na ny fanasaziana antsika mandrakizay.

Mba hahazoana tsara ny fandraisantsika anjara sy ny asan'ny sitrapontsika ao amin'ny asa sy ny fahombiazantsika dia ho raisintsika ho ohatra ny sakafo hanintsika isanandro. Tsy misy va ny rano, ny tany sy ny masoandro? Ny zavatra azontsika vokarina na dia eo aza ny teknolojia ambonintsika? Tsy afaka manana sakafo isika. Tsy afaka mamoha na dia voakatsaka iray aza isika. Tsy isika no nahary ny vatantsika sy nametraka ny fifandraisany amin'ny sakafo; ary tsy afaka manaramaso dia taova iray monja amin'ny vatantsika aza isika. Ohatra, raha avilintsika lalana toy ny ataon'ny famataran'andro ny fontsika, amin'ny ora mitovy isamaraina dia ho fotoana toy inona no ahafahantsika miaina?

Mazava ho azy fa saika ny zava-misy rehetra ao amin'ny tontolo saro-drafitra sy miridnra izay toy ny taova iray tena mivelatra dia miara miasa araka ny fepetra ambony mba hamokatra poti-tsakafo kely iray fotsiny. Noho izany, ny sakafo indrim-bava dia mitovy lenta amin'izao tontolo izao manontolo. Ahoana no ahafahantsika manefa ny vidin-javatra toy izany kanefa kely dia kely ny fandraisantsika anjara amin'ny famokara io sakafo io, izay nifototra fotsiny tamin'ny ezaka manokana sy azo tsinontsinoavina? Tsy afka ahisaotra an'Andriamanitra va isika na dia amin'ny sombin-tsakafo kely fotsiny aza? Na dia sarim-boaloboka fotsiny aza no aseho amintsika afaka mamokatra azy io va isika na dia mifanampy toy inona aza? Tsia! Andriamanitra no mampisakafo antsika amin'ny alalan'ny hatsaram-panahiny, tsy mangataka takalony fa tsy kely monja. Ohatra raha mangata-baaka in-1000 amintsika izy noho ny salohim-barimbazaha iray dia tsy maintsy manao izany isika. Raha manome antsika ny rotsak'orana indray mitete ho takalon'ny vavaka iray izy dia tsy maintsy mandany ny androm-piainantsika amin'ny fivavahana. Raha taela amin'ny hafanana nandoron'ny tany efitra isika, moa tsy hanome izay ananantsika rehetra ho takalon'ny rano iray vera va?

Ahoana no ahafahantsika manome fisaorana ampy ho an'Andriamanitra amin'ireo taovantsika tsirairay avy? Rehefa mahita ny marary sy ny manankilema any amin'ny trano fitsaboana isika na rehefa marary vao tena mahatsapa ny lanjan'ny fahasalamana. Kanefa moa va isika afaka manome fisaorana ampy Azy noho io tsodrano io? Ny fisaorana sy fiderana natokan'Andriamanitra ho antsika dia noho ireo tombontsoantsika manokana sy ny fahatomombanana ara-panahy sy ny zava-tsoantsika manokana sy itambarana amin'ny rehetra. Fanampiny, rehefa mino sy midera an'Andriamanitra isika dia ankasitrahany amin'ny famonjena sy ny fanomezam-pahasoavana tsy manam-petra any am-Paradisa.

Raha fintsinina, izay rehetra nomena antsika tsy misy tambiny sy ny asantsika mba ahazoana ireo hatsaram-panahy iainantsika dia tsinontsinona. Raha ampitahaina amin'ny vokatr'Andriamanitra mahery indrindra nahary amin'ny alalan'ny fampiasantsika ny fahafahana misafidy malalaka io fahafahana io dia tsinontsinona koa. Na dia eo aza ny fahosan'ny fahafahantsika misafidy malalaka sy ny tsy fahafahantsika mahatsapa ny tena lanjany marina dia mamolavola ny asantsika arakaraka ny safidy malalaka ataontsika sy ny fanampahan-kevitra raisintsika amin'ny fampiasana azy Andriamanitra.

Mifanaraka amin'ny fahafaha-misafidy malalaky ny olona ny fanirian'Andriamanitra

Nandritry ny tantara manontolo no nanandraman'ny olona nampihavana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny sitrapon'olombelona (fahafaha-misafidy malalaka). Misy ny sasany manda ny fahafahana misafidy malalaka, ny hafa anefa mihevitra fa isika ihany no manao ny asantsika fa manda kosa ny sitrapo. Na dia izany aza, satria ny finoana silamo dia mankasitaka ny tsy fitanilana amin'ny zavatra rehetra dia manamarina fa ny sitrapon'Andriamanitra no mifehy ny fisiana manontolo, anisan'izany ny olombelona, izy io anefa dia afaka mampiasa ny fahafahany misafidy malalaka mba hitondrany ny fiainany.

Ny CORAN dia manambara ny tena toetran'ny fifandraisana eo amin'ny safidy malalaka sy ny fanirian'Andriamanitra toy izao manaraka izao:

«Fampatsiahivana hoan'izao tontolo izao fotsiny ity CORAN ity, hoan'izay te-hanaraka ny lala-mahitsy aminareo. Tsy afaka maniry afatsy Andriamanitra anefa ianareo, ilay Tompon'izao tontolo izao, manaramaso azy! (81:27-29). Manome ny sitrapon'Andriamanitra tanteraka io andininy io. Vakintsika ao amin'ny andininy hafa izao: «Andriamanitra no nahary anareo, ianareo sy izay ataonareo» (37:96)

Ny andininy sasany dia nanambara ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ary manambara mazava fa isika no mitantana ny fizotry ny tantara: «Mba itokisana amin'ny fifandraisana amiko, ary hitana ny fampanantenako aminareo aho» (2:40); «Raha nanamafy ny anton-javatra avy amin'Andriamanitra ianareo dia hanampy anareo sy hanatsara ny famindranareo izy» (47:7); «Tsy manova ny toetran'ny mponina iray Andriamanitra raha tsy ovan'ny olona ao izay eo aminy ihany» (13:11).

Ankoatry ny olombelona sy ny jiny izay manana fahafahana misafidy malalaka ka tsy maintsy mamerina ny asany, dia ny sitrapon'Andriamanitra ihany no anton-javatra lehibe mifehy ny fisiana. Mba hampiharana ny fanirian'Andriamanitra sy ny fahafaha-misafidin'ny olombelona dia hevero kely izao manaraka izao:

  • lohatenin'ny fahalalan'Andriamanitra ny faniriany. Mahasakana ny zava-drehetra manodidina sy ambonin'ny fotoana sy ny habaka ny fahalalan'Andriamanitra. Raha mamela anareo hahalala ny zavatra hoavy amin'ny fotoana iray ny fahalalanareo dia marina ny faminanianareo. Ny fahafantaranareo mialoha anefa dia tsy midika hoe ny fahalalanareo no nampisy azy. Satria ny fahalalan'Andriamanitra dia mahasahana ny zava-drehetra sy ny fotoana rehetra, izy no mandrakitra izay ho avy amin'ny fotoana iray sy amin'ny toerana miavaka. Mifanaraka izay voasoratr'Andriamanitra sy izay ataontsika. Tsy hoe Andriamanitra nanoratra azy no manery fa satria izany no irintsika avy eo ataontsika.

Raisintsika ho ohatra ny fiarandalam-by miainga ao Istambul ho any Ankara. Azo karakaraina sy omanina ny fotoanany rehetra amin'ny alalan'ny hafainganam-pandehany sy ny mampiavaka azy, ny hatsaran'ny lalam-by, ny elanelana misy amin'ireo tanana roa ireo sy ny isan'ny toerana ijanonan'ny fiaran-dalamby sy ny faharetan'ny fijanonany. Ireo ora ireo va no manosika ilay fiaran-dalamby hahavita ny lalany.

Ny faharetan'ny fanakonan'ny volana ny masoandro dia fantatra sy azo refesina mialoha amin'ny alalan'ny kajin'ny astronomia. Io faminaniana sy fandraketana io va no niteraka azy. Tsia! Afaka mahita mialoha ny fisehon'ny fanakonan'ny volana ny masoandro ny Astronomy. Ka manoratra ireo fampahalalam-baovao ireo. Misy fifandraisana mitovy amin'izany eo amin'ny fanirian'Andriamanitra sy ny fahafahana misafidy malalaka.

  • tafiditra ao anatin'ny faniriana ny fahafahantsika misafidy. Diniho fa misy olona manontany anao raha mandeha ny famantaran'andro ao anefitrano akaikinao. Satria henonao izany dia mamaly azy ianao hoe eny. Tsy mila manontany anao akory io olona io raha mihetsika ny fanjaitran'ilay famantaran'Andriamanitra satria raha mandeha ny famantaranandro dia midika izany fa mihodina ny fanjaitrany. Raha ampitahaina amin'izany, tsy hoe tena zavatra samy hafa tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahafahana misafidy manokana. Tsy toy ny ravina maty entin-drivotry ny fanirian'Andriamanitra isika na mahaleotena aminy tanteraka ihany koa. Satria ny silamo dia tsy mitanila mandrakariva ka hazavainy mazava tsara ny fifandraisana eo amin'ny faniriana sy ny fahafahana misafidy manokana. Te hanao zavatra iray isika ary Andriamanitra no mihary ny asa.
  • raha mijery ny faniriana dia tsy azo sarahina ny anton-javatra sy ny vokany. Efa voafaritra mialoha fa ny anton-javatra iray dia manana vokatra. Tsy afaka manamarina isika fa rariny ny manao olona iray satria natokana ho faty ilay niharam-boina amin'io fotoana io sy eo amin'io toerana io ary dia ho faty izy na dia tsy voatifitra aza. Tsy misy fotony ny hevitra toy izany satria ilay niharam-boina voalaza dia voafaritra ho faty amin'ny alalan'ny bala. Ny miteny fa ho faty ilay niharam-boina kanefa tsy voatifitra dia midika fa tsy misy dikany io fahafatesana io. Ahoana no hanazavana fahafatesana toy izany? Tadidio fa tsy misy faniriana roa, ny iray hoan'ny anton-javatra, ary ny iray hoan'ny vokany. Tokana ihany ny faniriana.
  • mandini-javatra ny olona amin'ny fialana amin'ny fandalovan'ny fotoana, amin'ny fetran'ny fotoan-dasa misy tamin'ny fitohizan-javatra iray. Antsoiny hoe azal io (ny mandrakizay voalohany). Tsy azo ekena anefa ny fisainana toy izany. Mba hampazava tsara io hevitra saro-pady io dia hojerentsika izao manaraka izao:

Heverontsika fa mitana fitaratra ianareo. Izay rehetra hita eo amin'ny ilany havanana dia maneho ny lasa, ny ho avy kosa no eo amin'ny ilany havia. Rehefa mitana ny fitaratra ianareo, tsy afaka maneho ireo lafiny roa izy amin'ny fotoana iray ary tsy afaka maneho afatsy zotra iray miaaka amin'izany. Raha te hahita ny zotra roa miaraka ianao dia tsy maintsy mipetraka amina toerana ambonimbony kokoa noho ilay oalohany mba hitambaran'ny havia sy havanana ho zotra iray ary ao dia tsy misy azo antsaina ho voalohany na faharoa, fiantombohana na fiafarana.

Ny fanirian'Andriamanitra izay dika mitovy amin'ny fahalalan'Andriamanitra dia voafaritra ao amin'ny lovantsofim-paminaniana izay ahitana ny fotoana sy ny vanim-potoana rehetra amin'ny toerana iray izay hitambaran'ny lasa sy ny ho avy, ny fanomboana sy fiafarana. Satria tsy afaka amin'izany isika noho izany ny fahazoantsika ny fotoana sy ny zava-mitranga dia mety ho toy ny fitaratry ny lasa[3].

  • Tsy isika no mahary ny asantsika. Raha afaka manao izany isika dia isika no antony ambonin'ireo asa ireo. Amin'io lafiny io dia tsy afaka manana safidy malalaka isika satria araka ny lojika dia tsy misy ny zavatra iray raha ilainy ny fisiany ary raha tsy eo ny fepetra rehetra ilaina amin'ny fisiany. Tsy maintsy misy antony mazava sy feno ny zava-misy rehetra tsirairay. Ary ny anton-javatra feno dia tsy maintsy mampisy ny zavatra iray, midika izany fa tsy misy faritra natokana ho an'ny safidy ao.
  • Na tsy afaka manatanteraka zavatra iray aza ny fahafahantsika misafidy malalaka dia ataon'Andriamanitra mahery indrindra fepetra mba hahatanteraka ny sitrapony. Mampiasa ny safidintsika malalaka mba hitariana antsika mankamin'ny zotra finidintsika isika. Tompon'andraikitra amin'ny asantsika isika noho izany. Raha midongy ny zanakareo na mangataka izany dia taonareo antsangory ary avoakanareo any ivelany kanefa mangatsiaka ny andro dia mety ho tratran'ny aretina izy. Azony raisina ho tompon'andraikitra amin'izany va ianareo? Ianareo aza no hanome sazy azy noho ny toetrany. Toy izany koa, Andriamanitra mahery indrindra, ilay mpitsara tsy mitanila dia tsy manery ny mpanompony hanao izatsy na izaroa na oviana na oviana, izany no mahatonga ny sitrapony hiankina amin'ny fahafahan'ny olona misafidy malalaka.

Azontsika fintinina ao anaty teboka fito izay niadiantsika hevitra hatramin'izao:

  • Antsoina hoe famaritana mialoha sy fepetran'Andriamanitra ny faniriany. Misy izao tontolo izao izy kanefa tsy manafoana ny fahafahantsika misafidy malalaka.
  • Satria Andriamanitra ambonin'ny fotoana sy ny habaka, tafidita ao amin'ny fahalalany ny zava-drehetra. Antambany ho toy ny fotoana iray tsy azo zarazaraina ny lasa, ny ho avy sy ny ankehitriny. Ohatra, rehefa nahita anao ao anefitrano ianao dia voafaritry ny rindrina efatra ny fahitanao. Rehefa mijery avy amin'ny toerana ambonimbony kokoa anefa ianao dia mihitatra ny faritra hitanao. Raha jerena avy eny amin'ny volana ny tany dia bitika dia bitika. Toy izany koa ny fotoana.
  • Satria misy toy ny teboka iray ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra ny fotoana sy ny habaka, voaisan'Andriamanitra izay hisy hatramin'ny andron'ny fitsarana farany. Mampiasa io fandraketana io koa ny anjely mba hanomanany fandraketana kely hoan'ny olona tsirairay avy.
  • Tsy hoe manao zavatra isika satria efa voasoratr'Andriamanitra izany. Fantatr'Andriamanitra mialoha fa hataontsika izany, izany no hanoratany azy.
  • Tsy misy faniriana roa: ny iray hoan'ny anton-javatra ary ny iray hoan'ny vokatra. Tsy misy afatsy faniriana iray ihany izay sady mifandray amin'ny anton-javatra no mifandray amin'ny vokany. Tafiditra ao amin'io faniriana io ny fahafahantsika misafidy malalaka izay anton'ny asantsika.
  • Mitantana sy mitarika ny olona ho amin'ny tsara sy ny asa tsara Andriamanitra. Mamela sy manoro hevitra antsika hampiasa ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny tsara izy.

Ho takalon'izany dia omeny na avelany ho antsika ny fahasambarana mandrakizay any am-Paradisa.

  • Na dia tsy misy fandraisantsika anjara aza ao amin'ny asa tsara ataontsika dia farafaharatsiny isika manana safidy malalaka. Raha tsy ampiasaina tsara araka ny tokony ho izy izany dia mety hanimba antsika. Tsy maintsy mampiasa azy io mba ho tombontsoa amin'ny fivaahana amin'Andriamanitra isika noho izany mba hanomezany sy hamelany antsika hiaina amin'ny fanomezan'ny Paradisa sy hahazo ny fahasambarana mandrakizay izay maneho ny fitohizan'ny asa tsara. Ankoatra izany dia tsy maintsy mikatsaka ny famelan'Andriamanitra isika mba ho afaka miala amin'ny ratsy sy ho voavonjy amin'ny fampijalian'ny helo izay vokatriny fitohizan'ny asa ratsy sy voaozona. Ny fivavahana sy ny fametrahana fitokisana amin'Andriamanitra dia manampy ny fironantsika amin'ny tsara fa ny famelan-keloka sy ny fangatahana ny famelan'Andriamanitra kosa dia manamaivana ary manafoana mihitsy ny fironantsika amin'ny ratsy sy ny fahotana.

[3] Nous sommes inclus dans le même miroir, mais nous sommes conscients à la fois du miroir et de ce qui s'y reflète.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.