Ny Faniriana Sy Ny Didin'andriamanitra Ary Ny Fanomezam-Pahasoavan'andriamanitra
Ny didin'Andriamanitra dia midika hoe fanatanterahana ny fanapahan-kevitra na ny fitsarana ny faniriana. Ahitana ny asantsika sy ny faharian'Andriamanitra azy io lalàna io satria Andriamanitra no mamela antsika hanao izay tiantsika atao amin'ny fanomezana azy fisiana. Ny teny arabo hoe «atâ» eto dia adika hoe «fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra» izay midika hoe «manome betsaka» na «hamoram-po lehibe».
Manana boky roa na fandraketana fototra Andriamanitra: ny «Latabatra ambony voakajy» (izay mifanaraka amin'ny faniriana na fahalalan'Andriamanitra) sy ny «fandraketana mazava» (izay mifanaraka amin'ny zavamisin'ny fotoana). Tsy miova na oviana na oviana ny latabatra ambony voakajy satria Andriamanitra dia manana sitrapo tsy voafetra izay tsy voafaritra ao amin'ny faniriana izay omeny hoan'ny voariny. Na dia izany aza dia azony ovana izay voarakiny ao amin'ny boky mazava: «Fafan'Andriamanitra na hamafisiny izay iriany, satria manana ny endrika mandrakizay izy [ny boky niandohana] eo akaikiny» (13:39).
Sarotra raisina io hevitra saro-pady io. Na dia tsy afaka mahazo tanteraka ny tena maha izy azy io fanafoanana sy fanamafisana io aza isika dia voamaritsika eo amin'ny fiainantsika izy io. Heverontsika ohatra fa niala tao antrano isika indray andro mba hoany amin'ny iray amin'ireo toerana ratsy azo anaovam-pahotana malalaka. Na dia izany aza, ny fanomezam-pahasoavany sy ny famindram-pony dia ahafahan'Andriamanitra mandrahatra ny zavatra amin'ny fifanenantsika amin'ny namana tsara izay mandresy lahatra antsika handeha any amin'ny toerana ankoatra izany. Toy izany koa no hanaovantsika fahotana malalaka loatra sy tsy maintsy hahatonga antsika ho toerana hanjakan'ny ratsy. Mba tsy handamin'Andriamanitra ny toe-javatra misy antsika amin'ny fahamarinany anefa dia mananatra antsika amin'ny alalan'ny famindram-po lehibe sy mamela heloka antsika sy manavotra antsika amin'ny ratsy Andriamanitra. Misy ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra mba tsy ho diso fanantenana amin'ny famelan-kelony isika fa mba ho afaka hitodi-doha any aminy na dia eo aza ny fahotantsika, ary isika dia tsy mahita tanteraka ny fifamatorantsika amin'ny vokatra sintonin'ny faniriana sy ny didin'Andriamanitra amin'ny asantsika. Volaza mazava tsara ao amin'ireto andininy ireto izany:
«Ny ratsy rehetra mahavoa anareo dia tsy inona fa vokatry ny asanareo madiodio ihany. Na dia izany aza dia mamelaheloka anareo amin'ny fahadisoana tokoa Andriamanitra.» (42:30)
«Raha raisin'Andriamanitra amin'ny fahadisoany ny olona dia tsy avelany hisy tavela ny zava-mananaina eto ambonin'ny tany. Alefany amin'ny fotoana voafetra anefa izy ireny. Avy eo rehefa tonga ny androny dia tsy afaka manemotra na mandroso izany na dia ora iray aza izy ireo.» (16:61)
«Lazao: "Ry mpanompoko izay manao zavatra diso tafahoatra amin'ny nahim-pony, aza diso fanantenana amin'ny famindrampon'Andriamanitra. Satria mamela ny fahotana rehetra Andriamanitra. Eny, izy no mpamela heloka, ilay be indrafo indrindra."» (39:53)
Miseho mazava tsara ao amin'ny tantaran'ny olombelona ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra na ny fahafahana. Satria tompon'andraikitra sy tsy maintsy mamerina ny asantsika isika, marina tokoa fa isika no mitantana ny tantarantsika. Diso ny filozofian'ny tantara toy ny hisborisma satria tsy misy determinisma ao amin'ny tantara sy ny vanim-potoana ara-tantara.
Maro ireo firenena taloha toy ny Ad, ny Thamoud sy ny firenena Egyptianina tamin'ny fotoan'andron'I Faraona mendrika ho foanana noho ny fomba fiainany efa levona, ny tsy fahamanarinana sy ny fahasiahana izay vitany. Na dia ziany aza dia nitodi-doha tamin'Andriamanitra ny firenen'I Jona tao amin'ny fanenenana mendrika ary nivoatra ara-dalana taorian'ny fahitany ny famantaram-pahapotehana mahatsiravina. Vokany dia hoy Andriamanitra tamin'izy ireo: "Esorinay aminy ny sazy enjan'ny fiainanan ankehitriny ary nomenay fotoana hiriariavana izy" (10:98)
Hoy ny irak'Andriamanitra manamafy io hevitra io: "Tsy mahafoana ny loza ny tahotra fa ny fivavahana sy ny fanaovana asa soa no mitsingo azy"[4]
Noho izany dia tsy tokony hitsahatra hivavaka sy hanome fanomezana ny mpino. Rehefa mahatsapa ny fanakaikezan'ny loza izy ireo dia tsy maintsy mitodi-doha amin'Andriamanitra amin'ny fiavahana, manenina, manao asa fitiava-namana na manompo ny fivavahana silamo.
[4] Muttaqi al-Hindi, Kanz al-Ummâl, Hadith No. 3123; Ibn al-Asakir, Târikh Dimashq, 5:168.
- Created on .