Ny Fahendreny

Nahazo ny fitiavana sy ny fahatokisan'ny vahoakany ny mpitarika sy ny fanarahany azy ireo noho ny fahaizany mamaha ny olana misy eo aminy.

Mety ho olana manokana izany na hoan'ny daholobe na mifandraika amin'ny fianan-tsamirerin'ny tsirairay na amin'ny raharaha sosialy, toe-karena sy politikan'ny fiarahamonina.

Ny mpitarika sasany dia mampiasa hery sy fampitahorana na fanasaziana sy fanamelohana (toy ny fanaovana sesitany, fanagadrana, fanarian-jo maha olom-pirenena), amin'ny famoretana, na fitsikilovana ny raharaha manokana mba hamahana ny olana. Tombontsoa tsy maharitra ihany anefa no azo amin'ireny. Ankoatra izay dia miteraka fiverimberenan-javatra ka arakaraky ny ezaka ataon'ny olona namahana ny olona no mampilatsaka azy ao anatin'izany indray.

Mora foana no namahan'ny irak'Andriamanitra ny olana rehetra ary tamim-pahakingana izay tsy hain'ny olona hifaninanana. Na dia mpifanolana, maizin-tsaina sy olon-dia ary mpikomy aza ny vahoakany dia nitondrany hafatra tsara: "Nampidininay avy eny antendrombohitra ny CORAN, ho menatra sy hivahavaha ianao eo am-pahitana izany noho ny tahotra an'Andriamanitra" (59:2).? Novany ho fiarahamonina mirindra izany, sambatra, anam-pahalalana sy ambony saina. Diniho tsara ny hevi-dravina nosaintsainin'ny tandrefana, toy ny Repoblika (Platon), hevidravina –Thomas Moore) sy Sivitasy Solisy (T. Campanella) ary hahita ianao fa ny tena marina dia nanofy an'I Medina tamin'ny andron'ny Mpaminany Mohammed izy ireo. Tsy mbola nahita fiarahamonina toy izany ny zanak'olombelona.

Nasehontsika tao amin'ny fizarana faha 4 amin'ity boky ity ny fomba nanakanany ny ady teo amin'ny samy koraisita rehefa nanamboatra ny Ka‛ba izy ireo10, ary ny fomba nitsisnjovany mialoha ny zavatra mety hitranga taorian'ny ady tao Hunayn.11 Ankoatra izany dia novahany tamim-pahakingana ny olana saiky nampivaky ny mpifindramonina sy Ansara rehefa avy niady tamin'ny Banu Mustaliq izy ireo. Rehefa saika hisy fivakisana, fifanolanana anatiny teo amin'izy ireo satria nijanona teo amoron'ny lava-drano izy dia nanome baiko ny tsy maintsy handehanana any amin'ny sahan'ny ady ny irak'Andriamanitra.


[10] Chaque clan revendiquait l'honneur de remettre la Pierre Noire sacrée à sa place. Prié de résoudre ce problème par la tribu, le futur Prophète de l'islam étendit son manteau par terre et, y posant la Pierre Noire sacrée, invita les chefs des quatre grands clans qui étaient chargés de réparer la Ka'ba à tenir chacun l'un des coins du manteau. Quand ils élevèrent la Pierre Noire jusqu'à l'endroit où elle devait être insertée, il la prit et la remit fermement à sa place.

[11] Certains Ansars n'étaient pas contents de la division du butin par le Prophète après la bataille, qui eut lieu peu après que La Mecque fut conquise. Le Prophète avait donné de grandes parts aux nouveaux musulmans mecquois pour affermir leur foi. Pour éviter une division communautaire, il appela les Ansars à se rassembler et leur rappela ce qu'il leur avait apporté, comment ils l'avaient reçu, et qu'ils seraient toujours à leurs côtés. Quand il leur demanda s'ils voulaient toujours le butin, ils répondirent en choeur que tout ce qu'ils voulaient était qu'il reste avec eux.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.