Nampitambatra Fiarahamonina Samy

Nanamarika kion-dàlana hoan'ny Mpaminany Mohammed sy ny finoana silamo ny fifindramonina tany medina. Ny finoana sy ny fifindramonina no andry telo fototry ny fahamarinana masina mitovy. Loharano telo Ikorianan'ny ranon'ny fiainana hoan'ny miaramilan'ny fahamarinana. Rehefa avy misotro izany izy ireo dia nampita ny hafany tsy ankijanona ary rehefa tsy zaka ny fnaoherana dia mankany amin'ny tany hafa, tsy ananany ahiahy ny tokatrano sy ny fananana sy ny fianakaviana izy ireo.

Masina sy miavaka ny fotoana niainan'ny Mpaminany fa noderain'Andriamanitra sy nomeny anarana ho mpifindra monina (Mouhadjiroum) ireo olo-marina nanodidina azy. Notanan'izy ireo hatrany io anarana io. Nantsoina hoe mpanavotra ireo izay nandray azy tamin-kafanam-po (Ansara). Io vanim-potoana io no nanamarika ny tety andro silamo.raha nilaina izany dia tsy ho sarotra tamin'izy ireo ny fifindramonina. Rehefa nonina tao Medina ny silamo taorian'ny taona maro nampijaliana azy dia tsy nanana na inona na inona. Ankoatra izany dia maro ireo tena nahantra ary ny sasany koa dia tsy nanambola mandrapahazony vola tamin'ny varotra. Mpamboly sy mpiasa tany ary mpiompy ny ankamaroan'ny silamo tao Medina ary teo ampelatanan'ny jiosy ny varotra.

Ny tena olana koa dia nifidy an'I Abd Allah ibn Ubayy ibn Salul ho lehibeny ny medinoa teo alohakelin'ny fahatongavan'ny Mpaminany. Tsy tanteraka ny paik'adiny ka nahaotnga azy ho fahavalo enjan'ny Mpaminany. Te-handresy ny Mpaminany mandrakariva ireo mpino Andriamanitra maro mekoa ka niara-niasa tmainy mba hahatratrarany izany tanjona izany. Hoy izy tamin'izy ireo: "Aza manana ahiahy ianareo raha manaparitaka ny finoana silamo eto izy. Ny tena loza dia mety ho tafaraka amin'ny kristianina sy ny jiosy tsy mifanohitra amin'ireo mpino Andriamanitra maro izy. Io no tena fandrahonana marina".

Rehefa tafapetraka tao Medina ny irak'Andriamanitra'Andriamanitra dia nanampy ny vahoakany nanorina trano fivavahana. Tsy azo vadian-kevitra ny maha zava-dehibe ny fisian'ny trano fivavahana hoan'ny fiainan'ny fiarahamonina silamo. Indimy isan'andro izy iroe no mifankahita ao, amin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Lehibeny, Mpahary sy Mpahita ny hoavy, mampitombo ny finoan'izy ireo sy ny fanekeny azy sy ny Mpaminany sy ny finoana silamo ary manamafy ny firaisankinany. Natao ho toeram-piderana sy fanabeazana ny trano fivavahana indrindra fa tamin'ny taonjato voalohan'ny finoana silamo. Ny trano fivavahan'ny Mpaminany tany Medina ihany koa no ivontoeran'ny governemanta tamin'ny androny sy ireo mpandimby azy teo amin'ny fandaminana.

Taorianakelin'ny nahatongavany tao Medina dia nametraka ny firahalahiana teo amin'ny silamo samy silamo ny irak'Andriamanitra, indrindra fa teo amin'ny mpifindra monina sy ireo Ansara. Tsy maintsy ampirasintendro izy ireo tsirairay avy. Ohatra, mampiantrano an'I Sa'dibn Rabi' tao aminy I Abd ar-Rahman ibn 'Awf, rahalahiny mpifindra monina ary nitenenany hoe: "Ry rahalahy, navelanao any La Mecque avokoa ny fanananao rehetra. Noho izany, ity trano ity sy izay ao aminy dia ho antsika mirahalahy". Namaly an-dranomaso toy izao I Abd ar-Rahaman: "Homba anao anie Andriamanitra ry rahalahy!" Raha sitrakao dia atoroy ahy ny tsara lehibe eto antanàna mba ahafahako mahita asa".12

Marina lalim-paka ary mafy io firahalahiana io ka nifampizara ny manta sy ny masaka tamin'ireo mpifindra monina ny Ansara. Naharitra fotoana laalava izany. Rehefa zatra tamin'ny tontolo nahavahiny azy ny mpifindra monina dia nangataka tamin'ny irak'Andriamanitra toy izao:

"Ry irak'Andriamanitra, noho ny fitiavan'Andriamanitra no nifindranay monina teto. Ireo rahalahy Ansara anefa dia tena manao ny aintsi-ho zavatra loatra aminay ka matahotra ny tsy hahavlay soa azy eto amin'ity tany ity izahay ary sao tsy hahazo ny valisoa tianay ho azo any ankoatra izahay. Noho izany dia mahatsiaro tena ho manantrosa eo anatrehan'izy ireo izahay. Raha sitrakao dia ilazao izy ireo mba hamela anay hizaka ny fiainanay amin'izay".

Nasain'ny irak'Andriamanitra notadiavina mikasika io toe-javatra io na Ansara ary nampahafantrany azy ny toe-javatra. Samy niaraka tsy nankato iznay ny Ansara rehetra, tsy zakany ny mitady hevitra hisarahana amin'ireo rahalahiny. Mba hanomezana fahafaham-po ireo mpifindra monina dia nanaiky ny hiasan'ireo mpifindra monina any amin'ny tany famboleny ireo Ansara ary nanome karama azy mandrapahafahan'izy ireo manorina trano ho azy manokana.13

Ny dingana faharoa nataon'ny Mpaminany mba hamahana ny olana dia nanao fifanarahana tamin'ny fiarahamonina jiosy tao Medina izy. Io tahirin-kevitra izay heverin'ny manam-pahaizana sasany ho lalam-panorenana voalohan'I Medina no mametra ny silamo sy ny jiosy ho fiarahamonina misaraka sy mahaleotena.14 Satria ny irak'Andriamanitra no tompon-kevitra tamin'ny fanaovana ny fifanarahana dia izy no mpanelanelana rehefa misy ny fifandirana ary nanjary tafiditra tao amin'ny fanarahamason'ny silamo I Medina.

Mba hiantohana ny fandriampahaleman'ny silamo ao amin'io tanàna sady fanjakana io dia nanome baiko ny hanaovana tsena vaovao ny irak'Andriamanitra. Hatramin'io dia mbola teo am-pelantanan'ny jiosy ny fiaikoana ny fiainana ekonomikan'I Medina. Ary taorian'izany dia niha nikorosy fahana ny fanjakazakan'ny jiosy satria tsy afaka nitantana irery ny varotra tao Medina intsony izy ireo.

Ary ny fiarahamonina silamo dia niorm-paka sy niha mafy satria tsy maintsy namaly ireo fanafihana tao anatiny sy taty ivelany. Taorian'ny fandreseny tao Badr dia mbola niady tamin'ny mekoa tao Ouhoud izy. Ny fandreseny mora foana tamin'ny tapany voalohany dia nampalahelo fa narahina tsy fahombiazana avy eo rehefa tsy nanaraka ny baikon'ny mpma ireo mpitifitra amin'ny zana-tsipika. 70 ny silamo maty maritiora ary naratra ny irak'Andriamanitra.

Nialokaloka tany antendrombohitra ny tafika silamo avy eo ary nanomana valim-panafihana saingy nitsoaka ny tafika mekoa. Niova hevitra anefa izy ireo teny an-tsasadàlana ary nanapakevitra ny hanafika an'I Medina. Nanetsika ny ekipany ny irak'Andriamanitra rehefa nahafantatra izany. Baiko tokana avy aminy fotsiny no nanaovana izany na dia mbola narary sy naratra aza ny ankamaroan'ireo miaramila. Aina vaovao hoan'izy ireo ny fiantsoana azy tsirairay, aina hamelona indray ireo taolana efa lasa vovoka. Hoy I Busiri:

"Raha ny lanjany sy ny habeny
Tsy maintsy hasehon'ny fahagagana,
Hitsangana indray noho ny fiantsoana ny anarany ny taolana tapatapaka sy nanjary vovoka".

Lasa nihatrika ny fahavalo ny tafika efa saika montsamontsana teo. Saika naratra avokoa ny ankamaroan'izy ireo kanefa tsy nisy nanaiky ho any aoriana. Hoy ny mpanaradia iray namariparitra izany toe-javatra izany: "Tsy afaka mandeha ny namana sasany. Hoy izy ireo: "Te-handeha amin'ny toerana rehetra notondroin'ny irak'Andriamanitra handehanana izahay. Na tsy afaka hiady aza izahay dia hitsangana hanipy izay voatsipin'ny tànanay. Babena na ataon'ny sasany antsangory izy ireo".

Rehefa nahita ny tafika silamo nanakaiky azy izy ireo dia nampodian'I Abou Sufyan tany La Mecque ny miaramilany.

Midera ireo tafika maherifon'ny silamo ireo toy izao ny CORAN:

"Ireo izay efa naratra dia mbola namaly ny antson'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany, hisy alisoa lehibe han'ireo izay nanao izany tamim-pitiavana an'Andriamanitra. Marina, ho azy ireo no nilazana hoe: "Hivondrona hiady aminareo ny olona; atahory izy ireo" –nampitombo ny finoan'izy ireo izany- ary hoy izy ireo: "Ampy antsika Andriamanitra; Izy no andry itokisantsika". (3:172-173)15


[12] Bukhari, "Manaqib al-Ansar," 3; Ibn Kathir, 3:279.
[13] Bukhari, "Hiba," 35; Muslim, "Jihad," 70.
[14] Ibn Hisham, 2:147.
[15] Bukhari, "Maghazi," 25; Ibn Sa'd, 2:42-49; Ibn Hisham, 3:99-111, 128.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.