Ny Jiny Sy Ny Asany

Ny teny ho JINY dia midika arabakiteny hoe "vt takona tsy hita maso". Karazan-javatra tsy hita maso ny jiny. Sorata fohy ao amin'ny CORAN izay mitondra ny anarany ny lohateniny no mampianatra antsika fa ny vondron-ji_ny iray nihaino ny Mpaminany, vokatr'izany dia maro tamin'izy iroe no resy lahatra sy nanapa-kevitra hivadika ho silamo:

"Lazao: "Nambara tamiko fa nisy vondron-jiny nihaino avy eo niteny hoe: naheno vakiteny mahafinaritra [CORAN] marina izahay izay mitarika amin'ny fahitsiana. Mino izany izahay ary tsy hampitambatra na amin'iza na amin'iza ny Tomponay. Nisy olo-marina eto amintsika ary [ny hafa] dia vitsy: mizarazara sampana maro isika" (72:1-2, 11)

Azontsika tsoahana amin'izany fa zavatra misaina afaka manatanteraka ny didin'Andriamanitra. Fikarohana biolojika ao tsy ela no manazava fa Andriamanitra dia nahary zavatra manokana amin'ny faritra misy azy avy. Mety ho nohariana ny jiny raha mbola vaingan'afo ny tany. Hary talohan'i Adama sy i Eva izy ary nampiandraketana ny kolontsaina sy ny fanatsarana izao tontolo izao. Taty aoriana kely dia nomen'Andriamanitra antsika io andraikitra io ary mbola tsy nalana tamin'ny andraikitra hivavaka ny jiny.

Manambara ny CORAN fa novolavolaina tamin'ny afo tsy misy setroka ny jiny (65:15). Ao amin'ny andininy hafa dia voalaza fa io afo olombelona dia hafanana mivaivay (15:27) izay afaka miditra hatrany amin'ny aty lalin'ny vatana.[12]

Tahakan'ny anjely, malaky dia malaky koa ny fihetsiky ny jiny ary tsy voafetran'ny fotoana. Na dia izany aza, satria ny fanahin'olombelona dia mavitrika sy malaky kokoa noho ny jiny, noho izany ny olona iray mahatratra ny faritry ny tontolon'ny fanahy ary mahadingana ilay antsoina hoe faritry ny tontolo voatsapa sy ny fahateren'ny fotoana sy ny habaka dia mety havitrika sy malaky noho ny jiny. Ohatra, mitatitra ny CORAN fa rehefa nanontany ny manodidina azy ny Mpaminany Solomona hoe: "Iza aminareo no afaka mitondra ho ahy ny seza fiandrianan'ny mpanjaka vavy Saba (an'i Yemen)? Namaly ny jiny iray: "Entiko ho anao alohan'ny tsy hanakatonanao akory izao fivoriana izao izany" Nitraka ny Mpaminany Solomona. Soa ihany fa ny olona nomen'Andriamanitra fahalalana manokana tonga teo aminy manolokevitra hoe: "Izaho, afaka hitondra azy aminao ao aantin'ny fotoana kely noho ny indray mipy maso, ary nataony izany (27:38-40).

Tsy misy zava-tsarotra amin'Andriamanitra mahery indrindra, hanamboatra ny olombelona, ny jiny sy ny anjelin'ny fahefana sy ny hery mifanaraka amin'ny andraikitr'izy ireo sy ny asany izy. Toy ny fampiasany ny anjely hanaramaso ny fihetsiky ny kintana no ahafahany mamela ny olona hifehy ny tany sy ny vainga koa, manorina fomba amam-panao ary mamokatra teknolojia.

Tsy voafetran'ny tontolo voatsapa ny fahefana sy ny hery ary tsy mifanaraka amin'ny halebeazanan'y vatana. Hitantsika fa zavatra tsy azo tsapaintanana dia matanjaka lavitra noho ny vatana fizika lehibe. Ohatra, ny fitadidiantsika dia afaka mitahiry zavatra maro noho ny efitrano lehibe iray. Tsy afaka mikasika afa tsy zavatra tena manakaiky ny tanantsika, ny masontsika anefa dia afaka mamakivaky halavirana goavana ao aantin'ny fotoana fohy. Afaka manongotra hazo sy mandrodana trano lehibe ny rivotra. Afaka mamaky vatolampy ny zavamaniry kely mba hahazo ny fahzavan'ny masoandro. Fantatra hatraiza hatraiza ny herin'ny herinaratra izay asehon'ny asany ny fisiany. Ireo rehetra ireo dia maneho fa ny fahefan'ny zavatra iray dia tsy mifanaraka amin'ny halebeazany ara-batana. Ny mifanohitra amin'izany, mifehy ny tontolo hita maso ny tontolo tsy hita maso, ary ny zavatra tsy hita maso dia matanjaka lavitra noho ny zavatra tsy azo tsapaintanana.

[12] Nous ne sommes pas sûrs si le Coran, en parlant du feu sans fumée, d'une chaleur ardente et fulgurante, signifie l'énergie ou les rayons X. (Tr.)

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.