Ny Anjely Sy Ny Jiny Eto Antany

Afaka miseho eto antany na amin'ny endrika inona na amin'ny endrika inona ny anjely sy ny jiny. Tsikaritsika eo amin'ny tontolontsika ny fizotran'ny hita maso mankamin'ny tsy hita maso: lasa entona ny rano ary manjavona any amin'ny habakabaka, azo atsonika na lasa gazy ny vainga azo tsaintanana, ary ny vainga dia mety hanjary ho herin'aratra (fitsonihana nokleary). Tsikaritsika ihany koa ny fizotry ny tsy hita maso ho hita maso: manjary ranoka ny gazy, mientona ny rano ary lasa orana (mety ho lasa gilasy na avandra koa), ary ny hery dia mety hiova ho vainga. Tsy izany koa, ny fisainantsika tsy azo tsapaintanana sy ny hevitra ao antsaintsika dia mety hiseho amin'ny endrika hita mason'ny soratra sy ny teny ao amin'ny bokintsika.raha atao ny fampitahana, ny zavatra tsy hita maso toy ny anjely, ny jiny sy ny zava-panahy hafa dia mitafy zavatra azo tsapain-tanana toy ny rivotra sy ny etera ary manjary hita maso koa. Araka ny voalazan'ny Imam Chibli, raha sitrak'Andriamanitra dia azony omena izay endrika tiany izy ireny rehefa manonona ny Anaran'Andriamanitra. Miasa toy ny fanalahidy ny taratasy fahazoan-dalana manome azy ireo ny fahafahana eto antany sy hanjary hita maso izany. Na izany aza anefa, raha alaim-panahy hanao izany amin'ny valimpony samy irery sy tsy nahazo fanomezan-dalana avy amin'Andriamanitra izy ireo dia potika sy manjavona.

Ny CORAN dia manondro ao amin'ny andininy (19:17) fa ny fanahin'Andriamanitra izay nalefa tao amin'ny Maria (renin'I Jesosy) izay lazain'ireo mpandinika silamo fa ny arakanjely Gabriely dia niseho taminy tamin'ny endriky ny lehilahy iray. Tamin'ny fihaonany tamin'ny Mpaminany Mohammed ny arakanjely Gabriely izay natokana hanamara aminy ny hafatr'Andriamanitra dia niseho taminy matetika toy ny endriky ny mpiady. Ohatra, na koa ny iray tamin'ireo mpanaradia azy antsoina hoe Dihga. Ohatra, miseho toy ny endrika mpiady teny ambony soavaly izy tamin'ny fiafaran'ny adin'ny lavaka. Hoy izy tamin'ny Mpaminany: "Ry irak'Andriamanitra! nalanareo ny akanjo fitondranareo amin'ny ady kanefa izahay, izahay anjely mbola tsy nanala azy. Mandidy anareo hanafika ny Banoy Konnaida Andriamanitra". Indray andro izy niseho toy ny endriky ny mpivahiny niakanjo fotsy rehefa niaraka tamin'ireo mpanaradia azy ny Mpaminany. Ao amin'ny tanjon'ny fampianarany izy ireo ny finoana amin'ny olona dia nanontany azy (Mpaminany) toy izao ny arakanjely Gabriely: "Inona ny finoana? inona ny finoana silamo? inona ny Ihsan (fahamboniana na fahatanterahana amin'ny fahamarinana)? rahoviana no ho tonga ny andron'ny fitsarana farany?"

Na ny anjely na ny jiny na I Satana (izay jiny) dia afaka miseho amin'ny endrika samihafa. Nolazaina fa atalohan'ny ady tao Badr dia niseho tamin'ny lehiben'ny koraisita tamin'ny endriky ny lahy antitra iray tao Najd izy ary natao tonga tao antsain'izy ireo ny hiady. Ny mpanaradia iray miandry ny biby azo tamin'ny babo an'ady dia nahazo an'I Satana izay niova endrika saika hangalatra ny ampahany tamin'izany indroa. Rehefa nahatratra azy eo amin'ny Mpaminany mba ho tsaraina. Mbola niangavy taminy I satana sady nampanatena fa hampianatra azy zavatra izay miaro azy aminy ihany (amin'I satana). Nanontanian'ilay mpanaradia taminy izay miaro aminy avy namaly I satana fa ny andininy mikasika ny seza fiandrianana (2:255). Rehefa nampalalain'ilay mpanaradia tamin'ny Mpaminany izany dia hoy izy: "mpandainga ilay fetsy io fa teto kosa izy nilaza taminao ny marina".

Nitatitra ny CORAN fa nandre ny irak'Andriamanitra nitanisa ny CORAN ny vondrona jiny iray avy eo niverina tany amin'ny vahoakany sy niteny hoe:"Ry ahoakanay! vao avy nandre boky iray izay nampidininy taorian'I Me izy izahay, manamafy izay nolazainy. Mitantara nankamin'ny fahamarinana sy ny lala-mahitsy izy" (46:30) Manohy amin'ny fitanisana ny fandinihan'izy ireo izay zavatra henony ny sorata. Ny fomba fanao sasany dia nilaza fa mamaky ny CORAN tamin'izy ireo ny Mpaminany ary nampianatra azy ireo ny hafatry ny finoana silamo.

Afaka miseho amin'ny endriky ny bibilava koa ny jiny, toy ny maingoka, ny bibikely, ny vorona na biby hafa. rehefa nilokaloka ny hifanampy, hiara-miasa tamin'ny Mpaminany ny jiny tany an-dohasahan'I Batn an-Nakhla dia nangataka azy ireo hiseho eo amin'ny fiarahamoniny ny Mpaminany, na amin'ny endriny manokana, na amin'ny endrika hafa mahafinaritra fa tsy hiseho amin'ny endriky ny biby manimba toy ny alika sy ny maingoka. Hoy ary izy tamin'ny fiarahamoniny: "Rehefa nahita biby mpanimba ao an-tranonareo ianareo, ilazao intelo izy hoe: "Ilao amin'ny fitiavan'Andriamanitra ity toerana ity" satria mety ho jiny manimba izy dia azonareo vonoina".

Nampanantena zavatra toy izao tamin'ny Mpaminany ireo jiny nilokaloka hifanampy taminy: "Raha mitanisa ny "Basmala" ny vahoakanao (Amin'ny Anaran'Andriamanitra ilay be indrafo) alohan'ny asany tsirairay avy (tsara sy manaradalana) ary manarona ny viliany dia tsy hikasika na ny sakafony na ny zava-pisotrony izahay"[14] Hoy izy ny lovantsofina hafa iray: [Afaran'ny fanaovanareo ny filanareo], aza mido amin'ny taolana sy ny oditra maina satria fahalotoana iray ary ny taolana dia anisan'ny sakafon'ny jiny rahalahinareo.

[14] Nous ne savons pas comment ils mangent et boivent de notre nourriture et boisson. (Tr.)

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.