Fanekena Tanteraka Ny Antso Sy Ny Asan'andriamanitra

Na dia lalintsaina fatratra aza ny Mpaminany manontolo ary nomena saina matsilo sy fanahy madio, tsy noho ny fananany ireo karazan-javatra ireo anefa no nifidianan'Andriamanitra ny Mpaminany. Ny ankamaroan'ireo iraka dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra, anisan'izany i Mohammed. Andriamanitra no mpampianatra azy ireo. Na dia tsy nahay namaky teny sy nanoratra aza I Mohammed dia nahalala ny lasa sy ny ho avy sy ny hevitra ankapoben'ny tontolo siantifika. Tsy mba niditra an-tsekoly izy ary tsy nadray fampianarana avy aman'olona na kely aza. Na dia izany aza dia niaiky hatramin'ny fahavalony fa marina izy ao amin'ny fianakaviany, mahay ny fitantanam-panjakana sy ny fitarian-tafika.

Andriamanitra ihany no nanabe ny mpaminany. Milaza vanimpotoana miavaka mikasika io ny mpaminany farany; "Indroa tamin'ny androm-pahazazako aho no te-hanatrika fankalazana fampakaram-bady. Kanefa isaly ny eny an-tsasadalana aho dia te-hatory tampoka [ary voaaro amin'ireo fahotana nandrarana ahy]"1; "Nitaona vato aho tamin'ny fanamboarana ny Ka‛ba. Manainga ny akanjo lavako hatrany antsoroka toy ny rehetra aho mba hiarovana ny faharatrana. Ahitana ny ampahany amin'ny foko izany. Miseho matetika amiko tampoka ny ankely efa hitako matetika tamin'ny fahazazako. Fanina aho ary mianjera tamin'ny tany. Io no farany sady voalohany nahitako ny faritra didin'Andriamanitra ho saronana amin'ny tenako". Arovan'Andriamanitra amin'ny fahotana ny Mpaminany satria nohariana ho amina tanjona manokana izy ireo. Tsy ataon'Andriamanitra mivily làlana izy ireo satria na dia fahadisoan-dàlana kely fotsiny dia mety handiso làlana ny zanak'olombelona manontolo.

Miavaka amin'ny fiantsoan'Andriamanitra ny Mpaminany:

"Izany no nametrahany fanahy manokana ao amintsika avy amin'ny lalàna. Tsy manam-pahalalana amin'ny boky sy ny finoana ianao kanefa ho azavainay amin'izay sitrakay hoan'ireo mpanompo anay izany. Ary marina, hitarika anao amin'ny lala-mahitsy izany (42:32).

Noho izany, tsy miteny na oviana na oviana amin'ny alalan'ny tenany ny Mpaminany: "Ary tsy ho avy aminy no itenenany, tsy misy hafa tsy izay avy amin'Andriamanitra" (53:3-4).

Rehefa anontaniana mikasika ny fototry ny finoana ny Mpaminany Mohammed dia miandry ny fanambarana ho azony mba hamaliana izany. Matetika ireo mpino Andriamanin-kafa no mangataka aminy ny fanovana ny CORAN. Kanefa noho izy maha soratr'Andriamanitra azy ary ny heviny dia an'Andriamanitra tanteraka dia mamaly arak'izay nampianaran'Andriamanitra azy izy: "Tsy anjarako ny manova azy amin'ny nahim-poko manokana. Tsy manao afa tsy ny manaraka izay nambara tamiko aho" (10:15).

Manaiky an'Andriamanitra tanteraka ny Mpaminany ary manatanteraka fotsiny izay andraikitra nankinina taminy satria izany no nandidian'Andriamanitra azy. Tsy nanaiky tsikombakomba ratsy izy ary tsy nivily na oviana na oviana tamin'ny làlany mba hahazoana fahombiazana. Raha sendra fandrahonana sy fanambatambazana izy ireo dia namaly tahakan'ny fanaon'ny Mohammed hoe: "na dia homenao ahy aza ny masoandro ho eo amin'ny tanako havanana ary ny volana ho eo amin'ny tanako havia, tsy mba hiala amin'ny andraikitro na oviana na oviana aho". Amin'ny maha tenin'Andriamanitra ny CORAN dia niharitra hasahiranana sy fanoherana izy.2


[1] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 2:350.
[2] Ibn Hisham, Sira, 2:285.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.