Ny Fahalefahany Sy Ny Faharetany

Fahalebeazana hafa amin'ny toetrany ny fahlefahany. fitaratra manjopika nampidirana ny famindram-pony izy. fandinihana ny famindram-po ny fahalefahana. Natao'Andriamanitra malefaka sy tsotra ny mpitondra ny hafany ary nahatonga azy haharesy lahatra mpino maro hanaraka ny finoana silamo izany sy nandreseny vato misakana maro.

Taorian'ny fandresena tao Badr dia fisedrana mafy hoan'ny fiarahamonina silamo vao tanora ny ady tao Ouhoud. Na dia naniry ny hiady manodidina an'i medina aza ny mpma dia nanankevitra ny hiady teny amin'ny tany malalaka kosa ny silamo. Rehefa nifanandrina teo ampototry ny tendrombohitra Ouhoud ireo tafika roa dia nametraka mpitifitra zanatsipika 50 teo antehezan-tendrombohitra ny Mpaminany ary nandidy azy ireo tsy hietsika raha tsy mahazo alalana na dia mahita aza fa handresy tanteraka ny silamo.

Tsy nanana hafa tsy ampahatelon'ny olona sy ny fitaovan'ny fahavalo ny silamo kanea nandresy ny mpino Andriamanitra maro mekoa nandritry ny fizarana voalohany tamin'ny ady, rehefa nahita ny fahavalo nandositra ireo mpitifitra amin'ny zanatsipika dia nanadino ny didin'ny Mpaminany ary niala tamin'ny toerana nametrahana azy.

Nahita izany i Khalid ibn Walid lehiben'ny mpitaingin-tsoavaly fahavalo ka niodidina ny tendrombohitra ary namely ny silamo avy any afara. Niverina idnray ireo miaramila fahaalo nandositra ka nanemitra ny sim tao anelanelany. Nanomboka nanary maritiora 70 izy ireo ary naratra ny irak'Andriamanitra.

Afaka nanome tsiny ireo izay nanosika azy hanaraka ny hevitr'izy ireo sy ny mpitifitra amin'ny zanatsipika niala tamin'ny toerana nametrahana azy ny Mpaminany kanefa tsy nanao izany izy. Ny mifanohitra tamin'izany no natao satria namindra fo sy naharitra izy:

"Noho ny famindram-po avy amin'Andriamanitra no nahatonga anao halefaka teo anoloan'izy ireo! Fa raha nihenjana tamin'ny hamafisam-po ianao dia ho nandositra anao izy. Avelao ny helony noho izany, ary angatao amin'Andriamanitra ny famelan-keloka ho azy. Ary nifampidinika aminy amin'izay atao; ary rehefa tapa-kevitra ianao dia miankina amin'Andriamanitra; tian'Andriamanitra izay mahatoky azy". (3:159)

Mampivoitra fepetra roa mialoha hoan'ny lehibe io andininy io: ny fahalefahana sy ny fmaindram-po manoloana iroe izay nanao fahadisoana fa nanana fisainana tsara sy ny maha zava-dehibe ny fifampidinihana amin'ny fitantanana ny raharaham-bahoaka.

Io fahalefahana sy famindram-po io dia taratry ny anaran'Andriamanitra hoe ilay tena malefaka, tena mpamindra fo sy tena mpamela heloka. Tsy mitsahatra manome ny olona izay ilainy Andriamanitra na dia eo aza ny fikomiany sy ny tsy finoany. Ny olona mantsy dia tsy manaiky azy ary mankamin'ny tsy finoana amin'ny fanambarana azy mivantana na ankolaka amin-javatra hafa na amin'ny tsy fanekena ireo didiny, mitohy manome azy ireo hazavana mandrakariva ny masoandro, manampy azy ireo amin'ny orana ny rahona ary tsy mitsahatra manome sakafo azy ireo amin'ny zava-maniriny ny tany. Mandeha mamahivaky ao amin'ny famindram-po ny fitserana sy ny famelan-kelok'Andriamanitra ary avy amin'ny fahalefahana sy ny famindram-pon'ny Mpaminany.

Toan'I Abrahama izay nolazainy fa mitovy aminy, nalefaka sy nanam-paharetana ny irak'Andriamanitra, tena mpanitsy làlana sy mpangata-bavaka (11:75), mankasitra ny mpino sy mamindra fo aminy (9:128). Tsy mba tezitra tamin'ny vahoakany I Abrahama na dia nampijaliany fatratra aza. Naniry ny tsara hoan'ny rehetra izy na dia ny fahavalo aza, ary nitaraina tamin'Andriamanitra sy nitomany teo amin'ny fanatrehana azy. Satria olon'ny fiadanana sy ny famonjena izy ka novan'Andriamanitra ho tsio-drivotra ny afo nanipazana azy. (21:69)

Toa azy koa ny irak'Andriamanitra, tsy tezitra na oviana na oviana tamin'ireo vahoaka ny tamin'ny anton-javatra nanoherany azy izy. Rehefa halam-baraka I Aïcha vadiny dia tsy nihevitra izay hanasazy ireo mpanalabaraka akory izy na dia efa nodiovin'nycor tamin'ireo fanendrikendrehana rehetra aza ny vadiny. Tsy ampy fahalalam-pomba teo anatrehany ny bedoina kanefa na ny tsy faly aza tsy nataony tmain'izy ireo. Na dia mora toina dia mora tohina aza izy dia manam-paharetana sy mandefitra ihany manoloana ireo namany sy nyf ahavalo noho ny finoana.

Ohatra, rehefa mizara ny fananan'ny babo izay taorian'ny ady tao Hounayn dia nanakana toy izao I Dhu al-Kjuwaysira: "Aza miangatra ry Mohammed!" Toy ny ompa tsy azo ivalozana izany satria ny Mpaminany dia nalefa hametraka ny fahamarinana. Tsy nahazaka izany I Omar ka nanjataka alalana hamono "io mpihatsaravelatsihy io" teo antsaha. Hoy ihany anefa ny valin-tenin'ny irak'Andriamanitra: "Iza indray no ho marina raha tsy marina aho? Raha miseho ho tsy marina aho, dia ho very sy tsy hisy akory". Araka ny azo andikana I fomba fiteny io, hoy izy: "Raha tsy marina aho dia ho very sy tsy hisy akory ianareo mpanaraka ahy".39 Inoana fa io lehilahy io dia hanao fihetsiketseham-pisarahana afaka fotoana fohy. Nitranga izany nandritry ny naha kalifa an'I Ali: hita maty tao anatin'ireo karijika I Dhu al-Khuwaysira taorian'ny ady tao Nahrawan.

Mitatitra I Anas ibn Matik fa nisy jiosy iray nanolotra ondry voahendry hoan'ny Mpaminany taorian'ny fanafihana tao Khaybar. Vao saika hihinana ny sombiny voalohany izy dia nijanona ary nilaza tamn hafa tsy hihinana koa: "Milaza amiko ity ondry ity fa nopoizinina izy". Ary tonga dia maty avy hatrany ny mpanaradia iray antsoina hoe Bish taorian'ny fandrapahana indray mandeha (nihinana talohan'ny fandraran'ny Mpaminany). Nampitady ilay vehviavy ny irak'Andriamanitra ary nanontany azy ny antony nanapoizinana nyhena. Ary namaly ravehivavy: "Raha tena Mpaminany marina ianao dia tsy handaitra aminao ny poizina. Ary raha tsy izy ianao dia te-hamonjy ny vahoakako amin'ny ratsy ataonao aho". Namela heloka ny teti-dratsiny ny irak'Andriamanitra. Na izany aza dia nanirikitrika ny hanasaziana an'I Bishr ireo akaiky azy ary natao taminy izany, misy fitantarana milaza io.

Nody tany aminy ny Mpaminany indray andro rehef avy niady hevita tamin'ny namany tao amin'ny trano fivavahana ary nisy bedoina iray nisintona azy tamin'ny vozon'akanjony sady niteny tamim-pahatezerana hoe: "Ry Mohammed, omeo ahy izay tokony ho ahy! fenoy ny ramevako roa! satria tsy hameno azy ireo amin'ny harenanao na amin'ny harenako ianao!" Tsy nampiseho hatezerana akory ny Mpaminany sady niteny tamin'ny hafa hoe: "omeo azy izay tadiaviny".41

Mitatitra toy izao I Zayd ibn Su‛an:

"Talohany nanarahako ny fivavahana silamo dia nindrana vola tmaiko ny irak'Andriamanitra. Nitaky ny volako tany aminy talohan'ny fotoana nifanomezana aho ary nanompo azy: "Tsy mahefa trosan'olona ianareo taranak'I Abd al-Muttalib!" Tezitra I Omar ary nitabataba hoe: "Ry fahavalon'Andriamanitra, tapahako ny lohanao! Mitenena amim-pahalalam-pomba amin'ny irak'Andriamanitra!" Na izany aza dia nitsiky tamiko ny Mpaminany ary nijery an'I Omar ka niteny hoe: "Aloavy izany ary ampio galona 20 satria natahotra azy ianao".

Mitantara ny zava-nisy sisa I Omar:

"Miaraka mankany isik. Niteny tampoka I Zayd teny an-dàlana:

"Omar, tezitra tmaiko ianao. Hitako teny aminy ny toetoetry ny Mpaminany farany araka izay voalaza ao amin Torah, testamenta taloha. Ahitana ity andininy ity ao: "Tafahoatra ny hatezerany ny fahalefahany sy ny faharetany. Mba hisedrana ny faharetany no nanampiako azy. Ho resy lahatra aho afaka fotoana fohy fa izy no Mpaminany izay ambaran'ny Torah ny fiaviany. Ary mino sy manamafy afo fa izy no Mpaminany farany".42

Io fahalefahana sy faharetana amin'ny fisedrana io no famantarana farany notadiavin'I Zayd ibn San‛an, manampahaizana jiosy nivadika silamo, tamin'ny fmainanian'I Mohammed.

Nitandrina fatratra ny irak'Andriamanitra tao amin'ny fampiharany ny finoana silamo. Tsy misy olona mitovy aminy tamin'ny fivavahana fanao isan'andro. Na dia tsy manam-pahotana aza izy dia mandany ny antsasaky ny alina manontolo hivavahana sy hitomaniana, ary mifady hanina matetika roa na telo andro misesy. Isaky ny fotoana voatokana izy dia mankany amin'ny "toerana mendri-piderana" (al-maqam ah mahmoud) izay nampanantenain'Andriamanitra azy. Tena mandefitra izy eo anatrehan'ny hafa. tsy te hanahirana ny fiarahamonina izy ka tsy manao ny fivavahana fanao mahazatra any amin'ny trano fivavahana.

Raha mitaraina ny olona indray andro fa noalavain'ny Imam ny fivavahana dia niakatra teo amin'ny fitoerany ny Mpaminany ary niteny hoe: "Ry vahoaka, manosika ny olona hiahyahy amin'ny fivavahana ianareo. Rehefa mitarika fivavahana ianareo dia aza atao lava loatra satria misy marary aminareo, misy antitra ary misy maika hanao zavatra".43 Nitaraina tamin'I Mu‛adh ibn Jabal ny vondrona misy azy indray andro nataony lava loatra ny fivavahana tamin'ny alina. Tsy nahasakana azy tsy hangataka tamin'I Mu‛ad ny fitiavan'ny Mpaminany azy hoe sao dia mpanakorontana ianao".44

Niantoka ny firasankinan'izy ireo sy nahazo ny fon'ny silamo ny fahalefahan'ny Mpaminany Mohammed. Araka izay voalazan'ny CORAN, raha nasiaka tamin'ny hamafisam-pony izy dia nandao azy ny olona. Ireo izay nahita sy nihaino azy anefa dia nidiran'ny fanambaran'Andriamanitra kananjary masina. Ohatra, I Khalid ibn Walid dia ilay jeneraly koraisita nahatonga ny faharesen'ny silamo tao Ouhoud. Rehefa tsy anisan'ireo tafika nandeha ny ampitson'ny nivadihany ho silamo izy dia nitomany mafy.

Na I Khalid, na Ikrima sy Amr ibn al-As dia samy nanao ny tsy nety tamin'ny irak'Andriamanitra sy ny silamo. Nanjary sabatry ny silamo anefa izy tsirairay avy taorian'ny fiovany ary nanatevin-daharana tamin'ny fanoherana ny tsy mpino. Niova ho silamo I Ibn Hisham taoriana kelin'ny nahafatesan'ny Mpaminany. Tena silamo mendrika sady marina izy talohan'ny nahafatesany maritiora Yarmouk. Tsy nisotro ny rano nomen'I Hudhayfa al-Adawi azy izy. Nomeny ilay silamo naratra teo anilany sady matin-ketaheta izany. Naleony izy no maty fa tsy ilay silamo rahalahiny.

Maro ireo olona tafakatra ambony noho ny famirapiratan'ny fiainan'ny Mpaminany. Nanjary namany najaina sy nomen-danja ho marina indrindra taorian'ireo Mpaminany teo anatrehan'ireo silamo nandritry ny tapa-potoana voalohan'ny silamo izy ireo. Hoy I Said Nursi, ilay mpitondra hevi-baovao silamo tamin'ny taonjato faha XX manazava io fahalebeazany io:

"Manontany tena aho hoe fa maninona ireo olo-masina lehibe toandr'I Muhyi ad-Din ibn al-Arabi ny laharan'ireo mpanaradia maro. Indray andro aho naelan'Andriamanitra hahavita fiankohofana tsy haiko naverina intsony tamin'ny fivavahako. Ny zavatra azoko notsoahana tamin'izany dia sarotra ny mahantra ny laharan'izy ireo satria ny fiankohofany rehetra dia mitovy ao amin'ny hevitra sy ny fahamendrehana".46

Nobeazin'ny irak'Andriamanitra teo amin'ny ireo mpanaradia azy. Azo tarafina tamin'ny fahombiazany teo amin'ny fampitana ny finoana silamo io fa halebiazany io, hatrnay tany farany hevitra indrindra tany Azia sy Afrika tao anatin'ny folo taona na dia vitsy anisa aza izy ireo. Niorina tsara ny finoana silamo tany amin'ireo toerana ireo na dia teo aza ny ezaky ny matanjaka namongotra azy, nihelipatrana hatrany izy ary maneho ny famonjena hoan'ny olombelona.

Niofo tamin'ny fitantanana sy ny fampianarana ny zanak'olombelona maro hatramin'ny andro farany ireo mpanaradia nampalahelo tany amboalohany tsy nahitana ny finoana silamo.

Ankoatra izany, voarefy tsara ny irak'Andriamanitra. Ny fitsimbinany ny rehetra dia tsy nanakana azy hampihatra ny fahamarinan'Andriamanitra, ny fahalefahany ary ny fahretany kosa dia nanakana azy tsy handika ny fitsipita silamo na ho menatra taminy. Ohatra, nandritra ny fanafihana ara-miaramila iray, nahalavo miaramila fahavalo iry tamin'ny tany I Usama ibn Zayd. Rehefa hamono azy iny izy dia nanambara ny finoany ny finoana silamo ilay miaramila. Noheverina ho tahony ny fahafatesana mampihoron-koditra fotsiny anefa izany ka novonoin'I Usama ihany izy. Nanome tsiny mafy an'I Usama ny irak'Andriamanitra rehefa nahare izany:

"Efa notriarinao sy novohanao va ny fony ka fantatrao fa marina ny fanahianao taminy?" Naveriny imbetsaka izany ary nahateny toy izao I Usama: "Tiako kokoa ny mbola tsy nivadiako ho silamo talohan'izao andro nanomezantsiny ahy mafy izao".

Toy izany koa, tezitra tamin'I Bilal izay notevatevainy I Abou Dharr: "Taranaky ny vehivavy mainty!" Nankany amin'ny Mpaminany I Bilal ary nitantaran izany tamindranomaso. Nomelohin'ny irak'Andriamanitra I Abou Dharr: "Mbola mitondra ny famantaran'ny Djahiliyya ihany va ianao?" Vontom-panenenana I Abou Dharr ka nitsilany tamin'ny tany ary niteny hoe: "Tsy hiarina aho raha tsy dikain'I Bilal". Namela heloka azy I Bilal ary nihavana izy ireo.48 Toy izany ny firahalahiana sy ny maha olombelona nampidirin'ny silamo, naorin'ny silamo teo amin'ireo olon-dia teo aloha.


[38] Muslim, "Zakat," 142, 148; Bukhari, "Adab," 95; "Manaqib," 25.
[39] Bukhari, "Adab," 95; Muslim, "Zakat," 142.
[40] Bukhari, "Hiba," 28; Abu Dawud, "Diyat," 6.
[41] Abu Dawud, "Adab," 1; Nasa'i, "Qasama," 24.
[42] Suyuti, Al-Khasa'is, 1:26; Ibn Hajar, Al-Isaba, 1:566.
[43] Bukhari, "'Ilm," 28; "Adhan," 61.
[44] Muslim, "Salat," 179; Nasa'i, "Iftitah," 71; Bukhari, "Adab," 74.
[45] Hakim, Mustadrak, 3:242.
[46] Said Nursi, Sözler (Istanbul: 1986), 459.
[47] Muslim, "Iman," 158; Ibn Maja, "Fitan," 1.
[48] Bukhari, "Iman," 22.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.