Fantany Tsara Ny Vahoakany
Fantatry ny Mpaminany tsara ny vahoakany fa izy samy izy no tsy mifankafantatra. Samy bedoina na I Abou Dharr na I Amr ibn Abatha. Nandeha tany La Mecque izy ireo ary tafahoana tamin'ny irak'Andriamanitra ka nanontany azy am-pitratrevatrevana hoe: "Fa iza ialahy?" Nanaly moramora ny irak'Andriamanitra hoe: "Izaho no Mpaminan'Andriamanitra". Nanosika an'I Amr handohalika izany teny malefaka izany sady hoy izy: "Manomboka ankehitriny dia hanaraka anao aho ry irak'Andriamanitra!". Tsy tian'ny irak'Andriamanitra hijanona ao La Mecque I Amr satria tsy ho zakany ny miaritra ny fampijaliana atao amin'ny mpino. Hoy izy taminy: "Miverena any amin'ny foko nisy anao teo aloha ary ampianaro azy ireo ny fivavahana silamo. Rehefa henonao fa mandresy aho dia mipodia hiaraka aminay".
Taona vitsivitsy taty aoriana dia tonga tao amin'ny trano fivavahana tao Medina I Amr ary nanontany hoe: "Fantatrao va aho ry irak'Andriamanitra?" Manana fitadidiana matanjaka sy velona tsara (mbola manamarika ny haben'ny faminaniany) ka namaly haingana hoe: "Tsy ianao va ilay tonga tany amiko tany La Mecque?" "Nalefako tany amin'ny fokonao ianao ary nilazana hiverina miaraka aminay rehefa mpandresy aho".5
Efa nolazaiko tany aloha ny mikasika an'I Julaybib.6 Taorian'io lesona ara-moraly io dia nanjary tanora mahatoky sy madio I Julaybib. Noho ny fangatahan'ny Mpaminany dia nanome ny zanany vavy ho vadiny ny fianakaviana mendrika iray. Taorian'izay dia nandray anjara tamin'ny ady I Julaybib ary maty maritiora rehefa avy nahafaty miaramila fahavalo fito. Rehefa nentina teo amin'ny Mpaminany ny vatana mangatsiaka dia nanondrika ny lohany teo amin'ny lohalik'I Julaybib izy ary niteny hoe:"Andriamanitra ô, ahy izy ity ary azy aho".7 Tsapany ny fahamarinan'I Julaybib ary natokana hoan'ny asan'ny finoana silamo.ny fanafiana an'I Khaybar no tena nahafahan'ny Mpaminany naneho ny talentany manokana hery sy ny hatsarana ary ny kileman'ny mpino tsirairay. Rehefa naharitra (nalavainaà ny fijanonana tao dia nanamara izy hoe: "Omeko izay tian'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany ny faneva rahampitso ary iza aminareo no tia azy ireo".8 Voninahitra lehibe izany ary nanantena ny hahazo azy avokoa ny mpanaradia rehetra. Nomeny an'I Ali izy io na dia tanora aza izy noho ny talentany ara-miaramila sy ny hatsarany mendrika ny ho lehibe. Noraisiny ny faneva ary naka ny Khaybar izay nahery dia nahaery izy.
Izay nomen'ny irak'Andriamanitra andraikitra dia nanatanteaka izany tamim-pahombiazana. Ohatra, nofaritany ho toy ny "sabatr'Andriamanitra"9 I Khalid ibn Walid, tsy mba resy na oviana na oviana I Khalid. Ankoatra ireo miaramila mpitarika mahery toandr'I Qa‛qh‛an Hamza sy Sa‛d dia nanendry an'I Usama ibn Zayd ho mpitarika ny tafika silamo nahitana andr'I Omar, Abou Bakr, Othman, Talha sy Sa‛d ibn Abi Waqqas, samy mpitarika ny silamo avokoa izy ireo. Tanora vao 17 taona monja I Usama, zanak'I Zayd, ilay andevo mainty nafahan'ny irak'Andriamanitra. Ny rainy no nitarika ny tafika silamo tany Mu‛ta niady tamin'ny Bizantina ka maty maritiora tany.
25 taona ny irak'Andriamanitra no nivady tamin'I Khadija bint Khuwaylid, maty vady zoliny 15 taona. Tsy nanambady vehivavy hafa izy mandrapahafatin'io izay tonga tao anatin'ny fahafolo taonan'ny faminaniany. Taorian'ny faha 53 taonany avokoa ny fanambadiany manaraka ary nifamatotra mivantana tamin'ny asany. Ny antony iray lehibe dia ny fananan'ireo vadiny tsirairay avy toetra sy fahaiza-miaina hafa kely ka afaka mampita hafatra amin'ny vehivavy hafa silamo mikasika ny fitsipiky ny finoana silamo manoloana ny vehivavy. Mpitarika sy mpampianatra ny vehivavy izy ireo tsirairay avy. Na dia ny olo-manandaza taty aoriana toandr'I Masruq, Tawus ibn Kaysan sy Ata ibn Rabah aza dia nandray fahalalana btsaka taminy. Ny fahalalana manokana ny hadita dia tsy maintsy ilana an'I Aïcha izay nitatitra ny haditan'ny irak'Andriamanitra mihoatry ny 5000 ary natao mpitsara lehibe.
Ny zava-niseho taty afara dia nanaporofo fa hendry sy mahafapo ny safidin'ny Mpaminany tamin'ny lafiny rehetra.
[5] Muslim, "Musafirin," 294; Ibn Hanbal, Musnad, 4:112.
[6] Son histoire, qui apparaît dans le Volume 1, est comme suit: un jour, Julaybib demanda au Messager la permission de forniquer, puisqu'il n'arrivait pas à se réfréner. Ceux qui étaient présents réagirent de diverses façons. Certains se moquèrent de lui, d'autres lui tirèrent sa robe, et d'autres encore se préparèrent à le frapper. Or le Prophète compatissant s'approcha de lui et se mit à lui parler: "Laisserais-tu quelqu'un faire cela à ta mère?" à quoi le jeune homme répondit: "Que ma mère et mon père soient sacrifiés pour toi! (une expression qu'utilise les Compagnons pour monter que le Prophète leur est plus cher que leur propres parents) ô Messager, je ne consentirais pas à cela". Le Prophète dit: "Naturellement, personne n'accepterait que sa mère fasse partie d'un acte aussi honteux". Puis il continua à poser à Julaybib la même question, substituant fille, épouse, soeur, et tante à mère. À chaque fois, Julaybib répondait qu'il ne consentirait pas à tel acte. À la fin de la conversation, Julaybib avait perdu tout désir de forniquer. Le Messenger conclua cette "opération spirituelle" en plaçant sa main sur la poitrine de Julaybib et pria: "Ô Dieu, pardonne-le, purifie son coeur et préserve sa chasteté".
[7] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 131.
[8] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 9; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 34.
[9] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 25.
- Created on .