Fandresena Namirapiratra: Ny Fifanarahana Tao Houda

Olon'ny asa ny Irak'Andriamanitra. Tsy misalasala mihintsy izy rehefa hampihatra ireo lamin'asa na fanapahan-keviny satria ny fisalasalana rehetra avy aminy dia mety hampisavoritaka na hahakivy ireo mpino. Tonga dia miatrika asa ny Irak'Andriamanitra aorian'ny fifampidinihana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ary raha vao tapa-kevitra amin'ny zavatra iray izy dia tonga dia miasa avy hatrany, tsy mihemotra amin'izany izy ary tsy mamerina mihintsy. Alohan'ny hanaovan-javatra izy dia mandray ireo fepetra ilaina, manombatombana iza ety hiseho arymila hevitra amin'ireo manam-pahaizana mikasika ny zavatra atao. Antony lehibe tamin'ny fandreseny ny vokatr'izany tsy fihemorany tamin'ny fanapaha-keviny izany ary nampahatonga ireo namany hanaraka azy tamin'ny vatany sy ny fanahiny.

Zava-miseho mendrika fanazavana lava ny fifanarahana tao Houdaïbiya. Nilaza tmain'ireo mpanaradia azy ny irak'Andriamanitra fa nanody ny hiditra ao amin'ny trano fivavahana masin'I La Mecque izy ireo, tamim-pilaminana, niaraka tamin'ny loha solan'izy avy. Faly tokoa ireo mpanaradia azy, indrindra fa ireo mpifindra monina. Nankany La Mecque niaraka tamin'ny olona 1 400, nanao ny fitafiana fitondra amin'ny fivahiniana masina ny Mpaminany tamin'io taona io, tsy nitondra fitaovam-piadiana.

Nahafantatra izany toe-javatra izany ireo koraisita sy ny foko manodidina azy ka nitam-piadiana mba hanakanana ny silamo tsy hiditra ao La Mecque. Nandefa miaramila 200 izay notarihin'I Khalid ibn Walid sy Ikrima ibn Abou Jahl tany alavitr'I Qura'al Ghamim izy ireo. Ary niverina tany La Mecque mba hanaparitaka ny vaovao ireo miaramila ireo rehefa nahita ny silamo nanakaiky. Rehefa tonga tao Houdaïbiya, 20 kilometatra avy eo La Mecque ny silamo dia nangatak'azy ireo hijanona ny irak'Andriamanitra. Tsy nisy rano tamin'izany fotoana izany ka nandefa zana-tsipika iray tany amin'ny fanambanin'ny lavadrano tokana tao Houdaïbiya ny Mpaminany. Nanomboka nijininika ny rano ary nameno ilay lava-drano. Samy nisotro ny tsirairay ary nanao ny fandiovan-tenany sy nameno ny fitoeran-dranony avy.22

Satria tsy naelan'ny mekoa hiditra tao La Mecque ny silamo dia naniraka Bodayl ibn Warq, avy amin'ny foko Khuza‛Andriamanitra (niaraka tamin'ny silamo) ny irak'Andriamanitra mba hilaza ny fiavian'ny silamo hanao ny fivahiniana masina ary tsy nitondra fitaovam-piadiana. Ho valin'izany dia nandefa an'I Urwa ibn Mas‛ud al-Thaqafi. Teo am-piresahana tamin'ny Mpaminany dia nanandrana handray ny volom-bavany I Urwa, mariky ny fanesoana. Nokapohin'I Mughira ibn Shucba ny tànan'I Urwa ary nilaza izy fa ho tapanyny tànan'I Urwa raha mbola manao izany izy satria maloto ny tànany.

Zanadrahalahin'I Urwa I Mughira izay nanaiky ny fivavahana silamo roa volana talohan'izany. Vao volana vitsy monja teo alohan'izany no nanefa ny vidin'ny rà noho ny heloka be vava nataon'I Mughira I Urwa. Satria nanova an'I Mughira ny finoana silamo! dia nanafitohina an'I Urwa ny fiarovan'ireo namany azy sy ny fitiavany ny Mpaminany, niverina tany amin'ireo koraisita I Urwa ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tany amin'I Gresus aho, tany amin'I Sezara sy Nego. Tsy nisy tamin'ireo olony anefa tia ny mpitarika azy tahaka ny fitiavan'ny mpanaradia azy an'I Mohammed. Manoro hevitra anareo tsy hiady aminy aho".23

Tsy noheverin'ny koraisita izany toro-heviny izany ary tsy nandray tsara an'I Kharash ibn Affan izay nanana ray amandreny tsongon'olombolo nefa nogadrain'ny koraisita. Tys tonga tamin'ny fotoana niandrasana azy izy ka nisy tsaho niely fa novonoina. Nipetraka teo ambody hazo ny Mpaminany noho izany ary nampanantena ny mpanaradia azy fa hitambatra hatrany izy ireo ary hiady mandrapahafaty. Nisolo tena an'I Othman izay tsy nanatrika izy tmain'izany fianianana izany.24 I Jadd ibn Qays izay niafina tao ambadiky ny rameva ihany no tsy nanao fianianana tamin'izany.

Ny fanambarana nidina noho io toe-javatra io dia nilaza hoe:

"Sitrak'Andriamanitra tanteraka ny mpino nanao fianianana fa hifanampy teo ambody hazo. Fantany izay tao am-pon'izy ireo ary nampidininy tao amin'izy ireo ny fiadanam-panahy". (48:18)

Nisy vovoka nisavovona niseho tery lavidavitra tmain'io fotoana enjana io. Nipoitra ny delefasiona mekoanoarihin'I Suhay ibn Amr. Rehefa tsapan'ny irak'Andriamanitra izany dia noraisiny ho famantarana ny ho avy ny anarany ary hoy izy tamin'ireo mpanaradia azy: "Hisy ny fifanantonana".

Farany, nanaiky ny hampitsaharana ny fifanolanana ihany ny koraisita ary natao ny fifanarahana tao Houdaïbiya.

Araka ny volazan'io fifanarahana io dia tsy mahazo manao ny fivahiniana masina ny Mpaminany sy ny mpinony raha tsy amin'ny taona manaraka, ary amin'io fotoana io dia miala ao La Mecque mandritry ny telo andro ny mekoa. Nametraka fiatoan'ny fifandirana ao anatin'ny folo taona io fifanarahana io ary nanipika koa fa afaka mifandray tendro amin'izay tiany ny olona na ny foko ary ny olon'ny koraisita na ireo izay eo ambany fiahiany nandositra tany Medina dia tsy maitnsy miverina. Tsy nifankazahoan'ny andaniny sy ankilany io farany ioa ry notoherin'ny vondrona nisy ny silamo. Nanafintohina ny olona toandr'I Omar izay nametra-panontaniana mikasika azy io tamin'ny Mpaminany izany. Na dia iznay aza dia tsy dia manan-danja loatra izany. Ny silamo izay noroahana ho any La Mecque dia tsy handà ny finoana silamo na oviana na oviana; ny mifanohitra amin'izany, ho mpitsikilo miafina ao La Mecque izy ireo.

Alohan'ny tsy hanasoniavana ny fifanarahana dia tonga niaraka tamin'ny fatotra nangataka ny hiaraka tamin'ny silamo I Abou Jaudal, zanaka lahin'I Suhayal. Tys maintsy naverin'ny irak'Andriamanitra tamin-drainy tamin-dranomaso anefa izy. Na iznay aza dia nibitsibitsika taminy izy hoe: "Ho avotan'Andriamanitra ianao afaka fotoana fohy, ianao sy izay mitovy aminao".25

Taoriana kelin'ny nanasoaniavana ny fifanarahana dia nandositra tany Medina I Utba ibn Asid(fantatra amin'ny anarana hoe Abou Bassir koa). Nandefa olona roa mba hanery ny fiverenany ny koraisita. Nandositra I Abou Bassir rehefa teny an-tsasadàlana hiverina ho any La Mecque, novonoiny ny olona iray ary noratrainy ny iray. Notenenin'ny irak'Andriamanitra taminy ny voalazan'ny fifanarahana tsy mamela azy hijanona ao Medina. Nipetraka tao Iyss, toerana iray amin'ny làlana mankany La Mecque any Siria izy. Nanatona an'I Abou Bassir tsikelikely ireo silamo voatana tany La Mecque. Arakaraky ny nivelaran'io tanàna io no ahitan'ny mekoa ny loza miandry azy amin'ny làlana fandehanany mivarotra. Izany no nampahatonga azy ireo nanery ny irak'Andriamanitra hanafoana ny voalazan'ny fifanarahana ary handray ny mekoa nandositra any Medina.26

Antsoin'ny CORAN hoe: "Fandresena mamirapiratra" ny fifanarahana tao Houdaïbiya: "Marina homenay fandresena mamirapiratra ianao" (48:1) Anton-javatra maro no maha mairna izany, anisan'ireny ireto:

  • Tamin'ny fanasoniavana io fifanarahana io tao aorian'ny taona maro nifanolanana dia nanaiky ny koraisita fa mitovy aminy ny silamo. Raha ny tena marina dia nandao ny adiny izy ireo fa tsy nanaiky izany tanteraka. Noho ny fahitana ny mekoa miaraka amin'ny Mpaminany toy ny mitovy aminy sy mpitarika iray dia maro ireo olom-baovao niova ho silamo nanerana an'I Arabia niroatra nankany Medina.
  • Maro ireo koraisita nanararaotra ny fandriampahalemana noho ny fifanarahana no afaka nandinika ny tena zava-niseho marina. Koraisita malaza amin'ny talentany ara miaramila sy politika maro toandr'I Khalia ibn Walod, Amr ibn al-As sy Othman ibn Talha no nanaiky hanaraka ny fivavahana silamo. I Othman no olona nanankinana ny fanalahidin'ny Ka‛ba ary taorian'ny nahazoana an'I La Mecque dia mbola nomen'ny irak'Andriamanitra voninahitra tmain'io asa io izy.
  • Nanam-pahazavana hijery ny Ka‛ba ho toy ny fananany samy irery ny koraisita ary nampandoa volae tamin'ireo mpitsidika. Tsy nanaiky io fepetra io ny silamo tonga hanao ny fivahiniany masina nahemotra ka nofaranan'ny koraisita tsy tamin'ny sitrapony io fiheverana ny Ka‛ba ho fananan-tsamireriny io. Nahafantatra ny foko bedoina noho ny farany fa tsy manan-jo hitana ny Ka‛ba ho fananany samy irery ny koraisita.
  • Nisy lehilahy sy vehivavy silamo nonina tao La Mecque tamin'io anim-potoana io. Ny olon-drehetra tany Medina dia tsy nahafantatra hoe iza izy ireo. Natao mpitsikilo, mpitsonga dian'ny Mpaminany ny sasany tamin'izy ireo. Ary raha nisy ady tao La Mecque dia nety ho nahafaty ny sasany tamin'izy ireo ny tafika mpandresy silamo. Nety ho niteraka alahelo manokana izany sy maritiora na ny famantarana ny mpitsikilon'ny mpa. Nanakana ny faharavana sy loza ny fifanarahana.

Hoy ny CORAN mikasika io toe-javatra io:

"Nanala ny tànany taminareo ireo tany amin'ny lohasahan'I La Mecque toy ny nanalanareo ny tànanareo taminy koa taorian'ny nanomezana anareo ny fandresena azy. Ary hitan'Andriamanitra tsara izay nataonareo. Izy ireo no tsy mpino ayr nanakana anaroe ny làlana mankany amin'ny trano fivavahana masin'I La Mecque ka novonoina teny andalana ny sorona efa voaomana. Raha tsy nisy ehivavy sy lehilahy mpino (tamin'ireo mekoaà izay tsy fantatrareo ka mety ho potehinareo noho tsy fahafantarana azy, dia meloka tamin'ny asa azo anomezantsiny koa ianareo. [tanteraka avokoa izany] mba ho afaka miditra amin'ny famonjena iriny Andriamanitra. Ary raha nampatsiahiviny ny mpino dia nosazianay marina tamin'ny sazy mamaivavy ny tsy mpino tamin'ire mekoa". (48:24-25)

  • Nanao ny fivahiniana masina kely ny Mpaminany ny taona manaraka ny fanamarinana: "Tsy nisy Andriamanitra afa tsy Andriamanitra ihany, ary I Mohammed no mpaminanin'Andriamanitra" nanakoako nanerana an'I La Mecque. Nandre izany mariky ny fandresen'ny silamo tsy ho ela izany ny koraisita fahitana nataon'Andriamanitra tamin'ny Irany:

"Marina tamin'ny fahitana nomeny ny Mpaminany tamim-pahamarinan'Andriamanitra: hiditra ao amin'ny trano fivavahana masina ianareo raha sitrany izany ary amim-pilaminana, ho sola ny lohanareo ary na hitapa-bolo ianareo ary tsy amintahotra. Fantany izay tsy fantatrareo. Apetrany amin'izany ilay fandresena tsy ho ela". (48-27)

  • Namela ny irak'Andriamanitra hiahy ny hafa ny fifanarahana. Tamin'ny fanafiana taorian'ny fifanarahana dia nahababo ny tanàna nampihorohoron'ny jiody tao Khaybar ny silamo, nilaza tamin'izy ireo na hivadika na hanaiky ny fahefan'ny silamo amin'ny fanakaramana foko hiaro azy ireo (djizya). Nahavariana ny manodidina azy sy ny foko arao hafa ny herin'ny fanjakana silamo tsy nitsaha-nitombo.

Nanaraka ampahatokisana ny voalazan'ny fifanarahana ny silamo; ny foko iray nifandray tendro tamin'ny mekoa anefa tsy nanao toy izany. Nanafika ny Banu Kuza‛Andriamanitra izay niaraka tamin'ny Mpaminany ny Banu Bakr. Ary ny volana desambra 629 dia niaraka tamin'ny tafika nahitana miaramila 10000 hiady amin'I La Mecque ny irak'Andriamanitra ary nahazo azy ampilaminana, tsy nisy fifandonana ny andro voalohan'ny taona. Nodiovina tamin'ny sampy ny Ka‛ba ary andro vitsivitsy taoriana dia nanaiky ny finoana silamo ny mekoa. Tsy maintsy nitranga izany satria:

"Izy no nandefa ny mpitondra hafatra tamin'ny fitantanany sy ny fivavahan'ny fahamarinana [ny sil] mba hampandresy azy amin'ny fivavahana hafa rehetra. Ampy ho vavolombelona Andriamanitra. Ary izany miaraka aminy dia mafy manoloana ireo tsy mpino, ho mpamonjy azy ireo. Rehefa hitanao mitanondrika sy miankohoka izy ireo dia mitady fanomezana sy fankasitrahana avy amin'Andriamanitra. Ny endrik'izy ireo dia ahitana marika navelan'ny fiankohofana. Toy izany ny sarisariny ao amin'ny Thora. Ary ny sary omena azy ireo ao amin'ny evanjely dia ny an'ny masomboly izay mitsimoka, miha mafy avy eo miha matevina ary mijoro amin'ny tahony avy eo noho ny hatsaran'ny mpamafy. Mampanantena ireo mino sy manao ny tsara Andriamanitra, mampanantena famelan-keloka sy laisoa lehibe". (48:28-29)


[22] Muslim, Hadith No.1834; Bukhari, 4:256.
[23] Ibn Hanbal, 4:324; Tabari, 3:75.
[24] Ibn Hisham, 3:330.
[25] Ibn Hisham, 3:321-33; Ibn Kathir, 4:188-93.
[26] Ibn Hisham, 3:337-38.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.