Mba Hametraka Ny Fifandanjana

Tamin'ny vanim-potoana misy mpitokamonina niaina irery tao amn trano fonenany kanefa ny sasany lasa niaina tamin'ny filibana dia niseho niaraka tamin'ny fampianaran'ny CORAN i Mohammed: «Tadiavo amin'izay nomen'Andriamanitra anao ny fonenana farany. Ary aza adinoina ny anjaranao amin'ity fiainana ity (28:77).

Ny Mpaminany rehetra dia tonga mba hametraka ny fifandanjana eo amn fiainana ara-panahy sy ara-batana, ny fanahy sy ny saina, ny famindrampo sy ny fijangajangana eto amin'ity tontolo ity sy ny hafa. Tsy maintsy manambara izay nomen'Andriamanitra antsika isika mba hanehoana ny hatsaram'pontsika sy hiderana azy (Ary ambarao ny zavatsoan'ny tomponao [93:11]) tokony tsy ho adinontsika fa hanadinana antsika ny zavatra nomena hiainantsika (Ary, tsy maintsy hadinina anareo amin'io andro olombelona ny hafinaretana. [102:8]).

Nalentiky ny Mpaminany mafy tao amin'ny-pon'ireo mpanaradia azy io foto-kevitra io mba hahitana azy eny amn lafim-piainana rehetra; ohatra, rehefa tapitra ny fifadian-kanina indray andro dia nomena rano mangatsiaka iray vera i Abou Bakr kalifa voalohany. Vao nisotro kely fotsiny izy dia nisento ary tsy nisotro intsony. Rehefa nanontaniana izy hoe fa ahoana dia namaly hoe: "Niaraka tamin'ny mpaminany aho indray maka. Toa nanilika zavatra tamin'ny tanany izy sady niteny hoe: "Manalavira ahy". Nanontaniako azy izay nataony ary nozavainy tamiko: "Niseho amiko amin'ny endriny kanto sy mahafinaritra izao tontolo izao. Natosiko izy hoe: "Avelao aho, tsy mahasambatra ahy ianao". Lasa izy ary niteny tamiko hoe: "Tsy afaka ny handresy anao aho, kanefa eo anatrehan'Andriamanitra dia lazaiko fa ho ahy avokoa ireo izay ho tonga aminao. " rehefa tapitra izany fotoana izany fia nofaranan'I Abou Bakr: "Noheveriko ho toy ny vera misy rano mangatsiaka izao tontolo izao teo ary nitomany aho"11

Nanana fiainana mirindra I Abou Bakr sy ireo mpanaradia maromaro na dia afaka niaina tao antain'ny fiainana mendrika sy raitra aza.


[11] Abu Nu'aym, Hilyat al-Awliya' wa Tabaqat al-Asfiya', 1:30-31.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.