Ny Mpanaradia Sy Ny Sona

Nanaiky tanteraka ny Irak'Andriamanitra ireo mpanaradia azy. Vontom-pitiavana azy izy ireo ary niezaka ny ho toa azy tamin'ny fomba rehetra azo atao. Ary ny CORAN ihany no nitarika azy ireo tamin'izay nataony satria manamafy izy fa mifamatotra mivantana amin'ny finoana ny fanekena ny Mpaminany.

«Tsia! Amin'ny alalan'ny Tomponao! tsy haharitra ny maha mpino azy ireo raha tsy nangataka ny fitsarana ireo fifamaliany izy ary tsapa fa tsy malahelo amin'izay fanapahan-kevitrao sy manaiky tanteraka amin'ny hevitrao». (4:65)

Indreto misy ohatra vitsivitsy maneho ny faneken'izy ireo:

  • Talohakelin'ny fahafatesany dia namolavola tafika ny Irak'Andriamanitra ary nanendry an'i Usama ho lehiben'izany ka niteny taminy hoe: « Tsy handro afa tsy lavitra ny toerana naha maritiora andrainy, ary amafiso ao ny fanjakantsika ».16 Narary ny Mpaminany talohan'ny niaingan'ny tafika. Rehefa namangy azy i Usama dia nivavaka ho azy ny Irak'Andriamanitra. Teny andalana ny tafika no maty ny Mpaminany. I Abou Bakr no mpandimby azy ara-po vonjy maika sy kalifa voalohany, nandefa ny tafika tsy ampisalasalana na dia eo aza ireo korontana isan-karazany tany Arabia. Niaraka tamin'ny miaramila hatrany amin'ny toerana ivan'i Medina izy ary niteny hoe: "amin'ny anaran'Andriamanitra, na dia ambodia aza no nanafika antsika hatraiza haraiza, tsy ho ampidiniko na oviana na oviana ny faneva nahofahofan'ny irak'Andriamanitra".17
  • Nanohina sy nampilofika ny silamo tao Medina ny fahafatesan'ny irak'Andriamanitra. Niteraka fisarahana vitsivitsy teo amin'ireo mpanaradia ny fifidianana ny kalifa manaraka. Niantsoroka andraikitra mavesatra i Abou Bakr satria niandry izay vaovao mikasika ny korontana izy ireo ary nisy ampahany tamin'ireo miaramila koa tsy faly tamin'ny fifidianana azy.

Tamin'io fotoana io indrindra. Fatima (zanaka vavin'ny Mpaminany) no nanontany azy ny anjarany tany amin'ireo tanin'ny Iadak. Tsy te-hanohina azy I Abou Bakr fa nijanona sy nitazona hatrany ny Sona. Hoy izy: "Aminy anaran'Andriamanitra, tsy hanova na inona na inona tamin'izay nataon'ny irak'Andriamanitra fony fahavelony aho".18

Niandry zavatra sasantsasany avy amin'ny Mpaminany izay tsy fantatr'I Fatima izy: "Tsy namela lova na oviana na oviana isika fiarahamonina silamo. Izay avelantsika rehetra dia hoan'ny fanaovantsoa".19

  • Maro ny olon'I Arabia nanaraka ny finoana silamo taorian'ny nanafiana an'I La Mecque. Mazava ho azy fa maro koa ireo tsy voatokana ho silamo tahak'ireo mpanaradia. Ny sasany niala ampahibemaso tamin'ny fivavahana ary nanaraka an'I Mussaylima mpandainga, nikomy tamin'ny Medina. Ny hafa kosa nanao famantaram-pikomiana tamin'ny tsy fetezana handoa ny Zakata (fanomezana voaomana). Niady tamin'ireo olona ireo mandrapipetraky ny fandriampahalemana sy ny filaminana tany Arabia I Abou Bakr.
  • Fantatra ho "ilay manaiky ny fahamarinana I Omar". Tsy te-hahalala ny didin'ny Mpaminany ka nanao fitsaran-diso mikasika ny vola nomena ho tambiny hoan'ireo izay notapahin-dratsantànana. Nifanohitra tamin'ny mpanaradia iray: "Ry mpitarika ny mpino! henoko ny irak'Andriamanitra nilaza hoe: "Ny vidin'ny rà nalatsaky ny tànana roa miaraka dia toy ny an'ny aina manontolo. Zaraina mitovy amin'ny ratsantànana rehetra io vola io, izany hoe, rameva 10 isan'olona".20 Nosintonin'I Omar ny fanapahan-keviny ary hoy izy: "Ry zanak'I Khattab, sahy mitsara amin'ny hevitrao manokana ny raharaha efa namoahan'ny irak'Andriamanitra didy va ianao?"
  • Namangy an'I Omar tany amin'ny toeram-piasany I Abou Musa al-Ash‛ari. Nandona intelo teo ambaravarany izy avy eo lasa, rehefa tsy nahita olona namaly. Taorian'ny nandehanan'I Abou Musa dia novohan'I Omar ny varavarana ary nanontany izy hoe iza izao. Fantany fa I Abou Musa izay ka naniraka olona hitady azy izy ary nanontany azy hoe fa maninona izy no lasa. Hoy ny navalin'I Abou Musa: "Hoy ny irak'Andriamanitra hoe: Rehefa mamangy olona ianareo dia dondony ny varavarany. Ary rehefa tsy avela hiditra ianareo aorian'ny fandondonana intelo dia mandehana". Nangataka azy hanamarina io hadita tsy fantany io I Omar. Nitondra an'I Abou Sa‛id al-Khudri ho vavolombelon'ny fahamarinan'izany I Abou Musa.21
  • Rehefa notsindronina tamin'ny antsy I Omar kanefa niankohoka tao amin'ny trano fivavahana dia nangatahana izy sao te hanendry izay hisolo toerana azy. Hoy ny navalin'I Omar: "Raha manondro aho dia olona (Abou Bakr) tsara noho izaho no hanao azy. Raha tsy manondro zavatra iray (ny irak'Andriamanitra) dia misy zavatra iray ambony noho izaho ka tsy hanaovako azy".22
  • Ity zavatra farany no harahin'I Omar. Na izany aza mba hialana amin'ny fifanolanana mety hitranga dia napetrany tamina komity ny raharaha mba ho tonga amin'ny tanjona ilana azy.
  • Rehefa nahita an'I Zayd Khalid al-Juhaninanao ny fivavahana mahazatra taorian'ny vavaka tolakandro I Omar dia nanome tsiny ny fanaovana ny tsy nataon'ny irak'Andriamanitra. Hoy I Zayd taminy: "Na ho potipotehinao aza ny lohako dia tsy hanala mihintsy io fivavahana roa "raka‛Andriamanitra" io aho satria hitako nanao azy io ny Mpaminany".23

Nitantara I Umm Salama, ireo tmain'ireo vadin'ny Mpaminany fa indray andro ny vadiny tsy afaka nanao ny fivavahana fidiovana ny roa "rak‛Andriamanitra" taorian'ny vavaka folakandro satria notanan'ny vondron'olona Iraka. Notanterahany taorian'ny fivavahana hariva noho izany io fivavahana io.24 Azo antoka fa hitan'I Zayd izy nanao azy io tamin'io fotoana io.

  • Rehefa nisotro rano teo ampitsanganana I Ali indray maka dia nitabataba taminy I Maysara ibn Ya'Qub: "Fa maninona ianao no misotro rano mitsangana? hoy ny navalin'I Ali: "Matoa aho manao izao dia nahita ny irak'Andriamanitra nanao toy izao. Ara raha nisotro rano mipetraka aho dia satria nahita ny irak'Andriamanitra nanao toy izany".25
  • Mba tsy hanasana ny tongotra nandritry ny fidiovana amin'ny fivavahana dia mandena ny fanambonin'ny kirarony amin'ny tànany vontondrano ny silamo".26 Maneho ny fahambonian'ny Sona amin'ny heviny manokana I Ali ary hoy izy: "Raha tsy nahita ny irak'Andriamanitra nametraka ny tànany vontondrano tao anatin'ny kirarony aho dia ho niteny fa tsara kokoa ny manadio ny faladian-kiraro".27
  • Raha nahafaty silamo iray noho ny fahdisoana ny silamo dia tsy maintsy nanefa ny ran'ilay maty ny mpandovan'ilay mpamono. Nihevitra I Omar fa ny vehivavy dia tsy afaka mandova ny vidin-dran'ny vadiny maty. Na izany aza dia nilaza taminy I Dhannak ibn Abi Sofyan fa rehefa maty I Ashyam ibn Dibabi dia nomen'Andriamanitra ny vadiny ny ampahan'ny vidin'ny rany. Hoy ny nambaran'I Omar: "manomboka masonandro androany dia handova ny vidin-dran'ny vadiny ny vehivavy".28
  • I Abou Ubayda ibn Jarrah no nitarika ny tafika silamo niady tany Siria. Rehefa nankany Amwas hamangy azy I Omar dia nolazaina fa nisy tany ny areti-mifindra. Alohan'ny hidiran'I Omar tao an-tanàna dia nanambara taminy I Abd ar-Rahman ibn ‛Awj hoe: "Henoko ny irak'Andriamanitra nilaza hoe: "Rehefa fantatrareo fa misy areti-mifindra ao amin'ny toerana iray dia aza miditra ao. Rehefa amin'ny toerana hafaianareo dia aza miala ao".29 Niverina tany aminy tsy nahita ny namany mahatoky azy akory I Omar noho ny fanekeny ny Sona.

[16] Ibn Sa'd, Tabaqat, 2:190.
[17] Suyuti, Tarikh al-Khulafa', 74.
[18] Bukhari, "Fara'idh," 3.
[19] Bukhari, "Khums," 1; Muslim, "Jihad," 52.
[20] Ibn Hanbal, 4:403; Hindi, Kanz al-'Ummal, 15:118.
[21] Muslim, "Adab," 7:33; Ibn Hanbal, 3:19.
[22] Bukhari, "Ahkam," 51.
[23] Ibn Hajar, Fath al-Bari', 3:83.
[24] Bukhari, "Mawaqit," 33.
[25] Ibn Hanbal, 1:134.
[26] Ces sortes de bottines doivent être assez solides pour pouvoir résister à environ 5 kilomètres de marche, et elles-mêmes ainsi que ce qui est porté avec (par exemple, des chaussettes ou des chaussures) doivent être propres. Elles sont généralement portées sur des chaussures.
[27] Abu Dawud, "Tahara," 63.
[28] Abu Dawud, "Fara'idh," 18; Tirmidhi, "Fara'idh," 18.
[29] Bukhari, "Tib," 30; Ibn Athir, Usd al-Ghaba, 3:48.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.