Ny Porofon'ny Fitsangan-Kovelona Ao Amin'ny Coran
Ny fikarohana ara-tsiansa toy ny lalàna faharoan'ny termodinamika dia maneho fa andalam-pahapotehana ny fisiana. Na dia fifandonan'ny planeta roa fotsiny aza dia afaka mamotika izao tontolo izao. Raha nanomboka tamin'ny fikorontanana lehibe ny tontolo, moa va tsy hivarana amin'ny fikorontanana lehibe koa na amin'ny fifandonan'ny planeta roa? Ny fisiana izay mifampiankina tanteraka ny ankabeazany dia lamina ara-kajy voamarina tanteraka. Vita tamin'ny fitambatambarana sela marobe ny vatan'olombelona iray. Na sela iray fotsiny aza no miova endrika, tsy amin'ny tokony ho izy sy voan'ny homamiadana dia mety hamono ny vatana manontolo, ary ny fiovana lehibe na aiza na aiza hitrangany eto amin'izao tontolo izao dia mety handrava azy. Matetika ny fahafatesana dia tongatonga ho azy tsy misy antony mazava. Ahoana moa no ahafantarantsika raha ho faty tampoka tsy ampoizina noho ny aretim-po na aretina ahfa isika na tsia? Mety ho miharitra homamiadana mampidi-doza noho ny fitrandrahana tsy andrarina ataontsika ny tontolo.
Ny asan'Andriamanitra iaraha-manaiky dia milaza ny fitsanganan-kovelona
Manamafy ny fisian'ny fitsanganan-kovelona ny CORAN. Mba hisintonana ny fon'olombelona amin'ny zavatsoan'Andriamanitra mahery indrindra miandry antsika any ankoatra, ary mba manomanana ny saintsika hanaiky sy hahatsapa izany dia maneho amintsika ny zava-tsoa nataon'Andriamanitra eto antany ny CORAN. Manome ohatra amin'ny asan'Andriamanitra tsy manam-paharoa ao amin'ny tontolo lehibe izy, ary maneho ny fifehezany manontolo ny tontolo indraindray, ny tontolo lehiben'ny olombelona sy ny tontolokelin'ny atoma.
Ohatra, mampibaribary ny herin'Andriamanitra ity andininy manaraka ity, ary amin'ny fitanisana ny tranga manomana amin'io hery io dia mandresy lahatra antsika amim-pahamarinana ny hihaona amin'Andriamanitra any ankoatra izy.
«Andriamanitra no ilay nanadratra [avo] ny lanitra tsy nisy tohana hita maso. Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana [istawa] Izy ary mampanaiky ny masoandro sy ny volana hanaraka ny asany tsirairay amim-pahamarinana. Mandamina ny filaharana izy [ny rehetra] ary maneho antsipirihany ny famantarana mba hinoanareo tsara ny fihaonana amin'ny Tomponareo» (13:2)
Ny Fiandohan'ny tontolo sy ny olombelona dia manondro ny Fiandohany faharoa
Maneho ny trangam-pahariana izao tontolo izao ho toy ny «fahariana voalohany ny CORAN» (56:62), ary milaza ny fitsanganan-kovelon'ny maty ho «fahariana faharoa» (53:47). Mba hanaporofoana ny fitsanganan-kovelona dia misarika ny saintsika amin'ny fiandohantsika koa ny CORAN:
«Ry olombelona, raha manahy ny fitsanganan-kovelona ianareo, mahatalanjona! fantaro fa novolavolainay tamin'ny vovoka ianareo, avy eo tamin'ny tsirinaina idnray mitete, avy eo tamin'ny vaingan-dra, avy eo tamin'ny tsaika tonga lafatra na tsia. Ary tamin'io dignana io no niseho taminareo (ny fahaizanay ny zava-drehetra)» (22:5)
«Marina, nahary ny olombelona tamin'ny tanimanga fotsiny izahay, avy eo nataonay tamin'ny tsirinaina kely nipetraka tao amin'ny fialan-tsasatra mafy. Avy eo natambatray ny tsirinaina, ary tamin'ny fitambarana no nahazoanay ny tsaika; avy eo avy amin'io tsaika io no namolavolanay taolana sy notafinay taolana sy nofo. Avy eo, novanay ho fahariana miavaka izany. Voninahitra ho an'Andriamanitra, ilay mpahary tsara indrindra! Ary aorian'izay dia ho faty ianareo. Avy eo hitsangan-kovelona ianareo amin'ny andron'ny fitsanganana» (23:12-16)
Ampitovian'ny CORAN ny fitsanganan-kovelona sy ny asan'Andriamanitra eto antany. Ny fampiasana ny fampitoviana amin'ity hohitantsika eto ambany ity dia manamafy ny faharesentsika lahatra mikasika ny asa nataon'Andriamanitra any ankoatra amin'ny ho avy.
«Tsy hitan'ny olona va fa novolavolaintsika tamin'ny tsirinaina kely izy? Ary nanjary mpifanandrina! Mitanisa ohatra ho antsika izy satria adinony ny fihariana azy; hoy izy: "Iza indray no hamelona ny taonala efa lasa vovoka?" Lazao: "Izay nahary azy tamin'ny voalohany no hamelona azy indray.f antany tanteraka ny voary tontolo, izy no manisy tsalatrafo amin'ny hazo ampirehetinareo. Izy no nahary ny tany sy ny lanitra ary tsy hahay mitovy aminy va? Eny, tsy amim-piambahambana, izy no Mpahary lehibe, ilay mahalala ny rehetra» (36:77-81)
Nataon'ny CORAN toy ny boky mivelatra izao tontolo izao. Amin'ny fiavian'ny fotoana farany, mora kokoa ho an'Andriamanitra ny mamotika izao tontolo izao noho ny soratra voatahiry tsara. Toy ny namelaran'Andriamanitra an'izao tontolo izao tany amboalohany no angoronany azy koa hisehoan'ny heriny tanteraka tsy misy ilana ny antony ara-materialy ary hamolavolany azy amin'ny endrika tsaratsara kokoa indray.
"Amin'izany andro izany, toy ny hangoronana ny soratra no handrodananay ny lanitra (ho eo ampelatananay). Hatombokay indray ny fahariana an'izao tontolo izao tahaka ny nanaovanay azy tany amboalohany. Izahay no manao izany fampanantenana izany, ary tanterahinay» (21:104)
«Tsy hitan'izy ireo va fa Andriamanitra no nahary ny tany sy ny lanitra ary tsy nanam-pahavizanana tamin'ny voariny dia afaka mamelona ny maty marina? Marina izany! Mahay ny zava-drehetra izy» (46:33)
Ampitahain'ny CORAN amin'ny lohataona aorian'ny ririnina ny fitsanganan-kovelona amin'ny fahaveloman'ny tany sy ny lanitra indray, ary asehony ny fomba hamerahan'Andriamanitra ny atoma sy ny molekiola nandritry ny fahariana antsika tamin'ny dingana maro. Maty ny voary amin'ny ririnina fa teraka indray amin'ny lohataona. Miova ho hazo ny hazo maina amin'ireo voany sy rainy –mitovy amin'izany mba tsy hilazana hoe tena izany mihitsy- amin'ny an'ilay tenona teo aloha. Voa maro no milatsaka amin'ny tany amin'ny fararano teo aloha ary manomboka mitsimoka sy maniry ho zavamaniry maro ary tsy misy fifangaroana na dia kely aza. Toy izany koa no hananganan'Andriamanitra ny maty ho velona.
«Toy ny famantarana hafa avy aminy no maha maina karankaina ity tany ity, raha vao omentsika ny ranon'ny lanitra izy dia velona sy ho finaritra. Izay mamelona izany dia hamelona ny maty koa, satria mahay ny zava-drehetra izy.» (41:39)
"Ry olombelona! Raha tsy azonareo antoka ny fitsanganan-kovelona, izahay no nahary anareo tamin'ny tany, ary eo tamin'ny tsirinaina idnray mitete, avy eo tamin'ny fanatambarana avy eo tamin'ny tsaika novolavolaina tsara mba hanehoana aminareo [ny fahaizanay ny zava-drehetra] ary apetrakay ao amin'ny toerana izay tianay amin'ny ilanay azy. Avy eo avoakanay amin'ny endriky ny zaza mba ahazoanareo ny fahamatorana avy eo. Misy maty aminareo amin'izany fa misy kosa lava velona na dia tsy mahafantatra na inona na inona izay fantatr'izy ireo teo aloha aza. Na dia mahita ny tany maina aza ianao: raha vao ampidinanay ny ranon'orana dia velona mibontsina ary mampaniry ny karazan-javamaniry mahatalanjona. Toa izany satria Andriamanitra dia fahamarinana, ary izy no hanangana ny maty, ary izy no mahay ny zava-drehetra» (22:5-6)
«Indro hiseho (amin'ny vokany hita maso) ny famindram-pon'Andriamanitra.? Jereo aloha ny fomba hananganany ny tany amin'ny fahafatesana. Toy izany koa no hananganany ny maty. Tsy manam-petra ny heriny» (30:50)
«Andriamanitra no nampitombo anareo toy ny zavamaniry tamin'ny teny ary ao koa no hiverenanareo ary tena hitsangana avy ao ianareo» (17:17-18)
Miavaka tsara ao amin'ny sorata 81, 82 sy 84 fa asehon'Andriamanitra amin'ny fomba tsy dia mazava loatra ny fitsanganan-kovelona sy ny fivoarana lehibe sy ny aran'I Tompo hipoitra. Atao amin'ny alalan'ny sarin-teny izany izay azontsika sainina, atao amin'ny alalan'ny fampitahana amin'ny zava-miseho hitantsika maso amin'ny fararano sy lohataona. Ary amin'ny alalan'ny fo feno fitiavana sy fahatalanjonana no hanekentsika io zava-misy io izay azon'ny saintsika tsy tazonina koa. Satria mila fotoana lava ny fandinihana ireo sorata telo ireo ka ho fintinintsika amin'ity andininy ity: "Rehefa avotana ny olon-kendry", midika izany fa ho fantatra ao amin'ny pejy voasoratra avokoa ny asan'ny olona tsirairay avy.
Mety ho hafahafa sy tsy takatry ny saina ny fisehon'izy io amin'ny voalohany. Araka ny tondroin'ny CORAN anefa dia misy itovizany amin'ny fitsanganan-kovelona ny lohataona vaovao amin'ny "alalan'ny famelarana ny pejy". Manana ny toetra mampiavaka azy avy ny hazo fihinam-boa tsirairay avy, asa sy andraikitra voatokana ho azy. Midera an'Andriamanitra amin'ny fanomezam-boninahitra mampiavaka azy avy izy ireo izay fomba fanehoany manokana ny anaran'Andriamanitra. Ny asany sy ny fiainany dia voarakitra ao anatin'ny voany izay mitsimoka amin'ny lohataona manaraka. Amin'ireo endriny sy bikaikany no anehoan'ireo hazo na voninkazo vaovao ireo famelabelarana mandresy lahatra ny fiainana sy ny asan'ny vony na ny hazo niandohany. Aln alalan'ireo rantsany, ny fisampanany, ny raviny, ny voniny sy ny voany no hamelaran'ny hazo, vaovao ny pejin'ny asan'ny vony na ny hazo niandohany. Izay nanagana "rehefa hisokatra ny pejy" dia mitovy amin'ilay nahary ny lohataona tamim-pahendrena, tamim-pitandremana, tamim-pahombiazana sy hatsarana miavaka araka izay ambaran'ny anarany ilay hendry indrindra, ilay mpiambina, ilay mpahita mialoha, ilay lehibe sy ambony.
Andininy maro no hilazan'ny CORAN amintsika mialoha fa novolavolaina mba ho afaka hanatanteraka tanjona miavaka isika fa tsy hanao araka izay fantatry ny saintsika fotsiny, tsy misy tangona. Satria isika dia tompon'andraikitra, voarakitra avokoa izay asa ataontsika rehetra. Ny fahariana antsika tamin'ny alalan'ny tsirinaina, nandalo tamin'ny dingan-tsamihafa, ny fitandremanana lehibe nahariana antsika sy ny lanja mifatotra amintsika dia maneho fa manana andraikitra goavana isika. Ho antsoina hanazava izay nataontsika rehetra tamin'ny fiainantsika isika –ary any ankoatra no hanaovana izany. Fanampiny, ny fahriana antsika tamin'ny dingana samihafa dia maneho fa afaka manangana ny maty Andriamanitra.
«Mihevitra va ny olombelona fa avela handinika fotsiny tsy misy fepetra? Moa va tsy tsirinaina indray mitete monja izy, avy eo fitamarana nampindramin'Andriamanitra aina, ary nohariany sy novolavolainy tamim-pirindrana mba hakana lahy sy vavy avy eo. Noho izany izy io (Andriamanitra) va tsy ho afaka hamelona idnray ny maty?» (75:36-40)
Ny fandiniana lalina ny fiasan'ny tontolo sy ny fihodiny dia mampiseho lamin-tsinga tsiroaroa mifanohitra izay hita hatraiza hatraiza, avy amin'ireo no iavian'ny tsara sy ny ratsy, ny filana sy ny tsy filana azy, ny fahtanterahana sy ny tsy fahatomombanana, ny hazavana sy ny haizina, ny famonjena sy ny fahaverezana, ny finoana sy ny tsy finoana, ny fanekena sy ny fikomiana, ny fialonana sy ny fitiavana. Ny fifandonana tsy misy fitsaharana vokatr'izany no mahatonga fahapotehana sy fiovana mba hampiseho singa hafan'ny Tontolo vaovao. Ireo singa mifanohitra ireo no mitondra mankany amin'ny mandrakizay ary ao izy no lasa Paradisa sy helo. Ny tontolo mandrakizay dia foroin'ny singa manana ny maha izy azy eto amin'ity tontolo mandalo ity, izy ireo no omena ny faharetana.
Ny Paradisa sy ny elo no vokatra mifanohitra entin'ny sampana roan'ny hazom-pahariana; ireo no vokatra roan'ny fitohizam-pahariana, tahiry roa iafaran'ny vondron-javatra sy ny zava-miseeho, na ihany koa ny tendro roa antonin'ny zavatra. Ireo dia toerana roa isehoan'ny fanomezana sy ny fahatezeran'Andriamanitra Andriamanitra ary ho fenon'ny mponiny avy amin'ny fiafaran'izao tontolo izao.
Handao ny tany raha mbola tsy mandray saziny akory ny mpangeja ary ireo gejaina tsy mbola ho voatsara. Ireo tsy fahamarinana ireo dia hodinihin'ny fitsarana ambony any ankoatra. Raha mifanohitra indray, tsy fantatra ny toe-javatra toy izany, heverina ho tsy marina sy tsy tanteraka Andriamanitra. Matetika dia sazin'Andriamanitra izay meloka eto antany. Ny fangirifiriana iaretan'ny vahoaka mpikomy sy tsy manaiky teo alohantsika dia mampianatra antsika fa ny tsirairay dia afaka mandray fanitsiana araka ny tokony ho izy avy amin'ny voninahitra sy ny hasin'Andriamanitra mahery indrindra. Araka ny voalaza ato amin'ity andininy ity: "Ianareo meloka! Miavaha ianareo amin'izany andro izany!" (36:59) dia mitaky ny fitsarana ambonin'Andriamanitra fa havahany ny ratsy sy ny tsara any ankoatra ary homeny azy tsirairay izay emndrika azy.
- Created on .