Ny Fiainan'ny Mpaminany

Manaporofo ny fampihelezany ny finoana sy ny faminaniana ny fiainan'ny Mpaminany Mohammed. Dinohontsika ireto zava-misy manaraka ireto:

  • ny zava-niseho tsy mbola fahita nitranga tamin'ny fahaterahany, ny toetrany miavaka nasehony nandritry ny fahazazany sy ireo famantarana mampiavaka azy izay tsikaritr'ireo olona mahay mandinika teny aminy dia maidina avokoa fa hanao asa lehibe izy.
  • Talohan'ny faminaniana dia nandritra ny tsy fahamarinana sy ny tsirairay ary nikambana tamin'ny vondrona toy ny "Hilf al-Foudhoul" izay niaro ny osa ary namerina ny zo voahosihosy.
  • Na dia avy amin'ny fianakaviana Andriana aza izy dia tsy niaina tao amin'ny fiainana raitra, lavitra azy izany, nitombo vatana toy ny kaboty teo ambany fiahian-daibeny, avy ny dadatony izy. Izay rehetra azony tamin'ny varotra taloha sy taorian'ny fanambadiany dia nolaniany hanampiana ny kamboty sy ny mpitondra tena ary ny mahantra. Tsy mba natao hanankarena izy aryt sy mba notenenin'ny olona manana ny maha izy azy.
  • Na dia ireo asan'ny fahalotoana ara moraly nanjaka tao amin'ny fiarahamoniny dia niaina tao amin'ny fiainana feno fahamarinana sy fahadiovana izy, mendrika sy manaradalana. Nandritry ny fahazazany, indroa monja izy no voasariky ny fanatrehana fankalazana fanambadiana, isaky ny handeha tamin'izany anefa izy dia natory kanefa teny andalana (Tsy mba nandray anjara tamin'ireo zava-panao sy fialamboly tsy mendrika izay ho voararan'ny finoana silamo afaka fotoana fohy izy). Nanambady an'I Khadija izy tamin'ny faha 25 taonany, mpitondratena hajaina 40 taona. Tsy nanambady indray izy raha tsy taorian'ny fahafatesan'I Khadija, 25 taona taty aoriana. Ireo nahafantatra azy dia mitantara fa saro-kenatra noho ny zaza vavy alefa hanambady azy izy.
  • Nanomana ny faminanian'I Mohammed ny fahazazany sy ny fahatanorany. Na dia ireo fahavalony aza dia niantso azy hoe "ilay mendri-pitokisana", satria tsy misy olona afkaa nanda fa fahamendrehana tsy azo lavina izy ary fahatsorana tanteraka. Mifenome hevitra toy izao ny olona: "Raha mandeha mivahiny ianareo dia azonareo ankinina amin'I Mohammed ny fanananareo sy ny fianakavianareo". Indray andro, nandritry ny fanamboarana ny keraba dia nisy fifandirana nitranga teo amin'ireo foko samihafan'ny Qourayche izay samy te-hiady ny voninahitra hametraka ny vato masina eo amin'ny toerany. Mba hialana amin'ny fifandirana dia nieritreritra an'I Mohammed izy ireo. Niangavy azy ireo hitondra tapadamba I Mohammed izay navelany tamin'ny tany. Izy ihany no nametraka ny vato masina tao aryq nangatahiny ny lehibem-poko tsirairay mba hibata amin'ny zorondamba isanisany. Taorian'izany dia ny Mpaminany no nametra azy tamin'ny toerany.
  • Tsy mahay mamaky teny sy manoratra I Mohammed. Tsy nisy olona nampianatra azy nandritry ny androm-piainany ary tsy nisy kolontsaina voasoratra nisy fiantraikany taminy. Rehefa nanakaiky ny faha 40 taonany, dia nanomboka niala tao amin'ny lavabaton'ny Hira izy. Indray andro izy nipoitra niaraka tamin'ny hafatra vaovao tena tsy nisy fanovana mba hanasitranana ny ratran'ny olombelona, nifaninana tamin'ny manampahaizan'ny literatiora afaka manao zavatra toy izany.
  • Tsy mba nanameloka azy ho mpandainga ireo fahavalony na ho mpanao kolikoly. Mba hanelingelenana ny fiparitahan'ny finoana sia nampiasa poeta sy andriamanin-kafa sy adala sy mpanao fanovamaso izy ireo. Nanandrana ny nanome fanazavana mba tsy handraisana ny hafatra tamin'ny antony diso koa izy ireo, toy ny hoe: "Io CORAN io dia nambara tamin'ny olo-malaza iray tamin'ireo tanan-dehibe roa ihany (Tananan'I La Mecque)".
  • Ahoana no ahafahan'ny olona iray 40 taona handainga tampoka amin'ny vahoakany kanefa izy dia fanta-bahoaka tamin'ny fahamendrehany, ny fahamarinana sy ny famboniantsainy sy ny moraliny, ary tsy nisy olona tsy nahatsapa izany. Na dia ireo fahavalony nahafantatra azy aza tsy nanameloka azy ho mpandainga na oviana na oviana, tsy afaka nanao ny fifaninanany hamokatra lahatsoratra mitovy amin'ny CORAN izy ireo na hampihendanja azy. Taorian'ny ady maro vokatry ny anton-javatra tsy marina, na dia ireo fahavalo tena nanenjika azy aza (toandr'I Abou Soufyane, Ibn Oumayya, Abou Souyane Ibn Harb, Amr Ibn al-As sy Ikrima Ibn Abou Jahl) dia nanaiky ny fahamarinan'ny hafany.

Rehefa nankinina taminy ny asam-paminaniany dia tsy dia niova toy inona akory ny fiainany. Hodinihintsika ny hevitra maro mikasika io lafinjavatra io:

  • Raha niasa tamina tanjona manokana sy nanao fikasan-dratsy ny Mpaminany Mohammed, nahoana izy no niandry 40 taona vao nanambara ny faminaniany?
  • Hatramin'ny faha 40 taonany dia tsy nisy olona handre azy nilaza zavatra mikasika ny fahendrena, ny fivavahana sy ny metafizika, nanao lalana na nilalao sabatra. Ahoana no ahafahany miova tampoka eo kanefa olona tony sy tsy voasariky ny politika tanteraka ho mpanova lehibe ny tantara tsy mbola fahita teto antany? Lasa manazava ny olona sarotra ny metafizika sy ny teolojia, ny anjara sy ny fikorosofahan'ny firenena sy ny fanjakana, hametraka ny fahendrena lasitra, hamolavola ny lalàna eo amin'ny lamina sosialy sy toekarena, fitarihina vondron'olona sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, ary hanjary hahery fo tanteraka sy tsy nihemotra oviana na oviana nandritry nya dy faran'izay mahatsiravina. Nanova nyf omba fisainana izy, ny fahitana ny tontolo, ny finoana, ny fahazarana sy ny moralin'ny vahoaka.
  • Andraikitra maro no indray nosahanin'ny Mpaminany Mohammed noho ny maha izy azy sy ireo toetrany manokana. Olon'ny fahendrena sy ny fahaiza-mandanjalanja izy, tonga rojo ny fampianarany, mpitondra fanjakana lehibe no sady miaramila mahay, mpanao lalana sy olon'ny etika, kintan'ny fanahy sy mpitarika mpivavaka. Fomba fijery ankapobeny no ijereny ny fiainana ary izay kasihiny rehetra dia nahazo hatsaran-tarehy sy toetra tsara. Miantsoka ny fihodin'ny zava-drehetra ireo fampianarany, fifandraisana iraisam-pirenena amin'ny fomba tsara ao amin'ny fomba fisakafoanana, fisotroana, fatory sy eo amin'ny fahadiovana manokana.t amin'ireo fampianarany no nametrahany fomba fiainana sy fomba amam-panao sy kolontsaina ziay mamokatra fifandanjana saropady, mora tohina sy tonga lafatra izay mahasahana ny lafim-piainana manontolo izay tsy ahitana fahadisoana na zavatra tsy ampy. Inona no fahadisoana sy tsy fahatomombanana izay mety hanaisotra ny sata maha Mpaminany ny mpitondra hafatra mendrika azy?
  • Niaina toy ireo mahantra idnrindra tao amin'ny fiarahamonina nisy azy ny Mpaminany Mohammed. Nampiasa ireo fananany rehetra hanapariahana ny finoana silamo izy. Na dia teo aza ny halebeazany dia niseho ho toy ny olona mapahonena indrindra sy tsotra indrindra izy. Tsy nisy fonenana navelany ho azy na dia kely aza. Tsy nikatsaka valisoa na tombony materialy izy ary nandidy ireo mpanaradia azy tsy hanagon-jaatra ho azy na hoan'ireo taranany. Nanavaka ny fianakaviany tsy handray fanomezana izy, toy izany koa ireo taranany.
  • Tena antra olona fatratra ny Mpaminany Mohammed. Ny fampahoriana tsy nisy fitsaharana natao azy tao La Mecque dia nanery azy hifindra monina tany Medina. Dimy taona taty aoriana anefa, rehefa tapitra ny fifandirana dia azony tsy nisy ra nandriaka I La Mecque, namela heloka ireo fahavalony rehetra izy, anisan'izany ireo mpihatsaravelatsihy sy tsy mpino. Fantany ireo mpihatsaravelatsihy kanefa nodiany tsy fantatra izy ireo mba ho afaka miaina tanteraka amin'ny zo maha olom-pirenena azy izay ahafahany manaraka ny fivavahana sy ny finoana nahazatra azy.
  • Anisan'ny notiavin'ny Mpaminany Mohammed manokana ny ankizy madinika. Isaky ny mahita zaza mitomany izy dia mipetraka eo anilany ary manambitamby azy. Maneho halahelo noho ny renin'ilay zaza izy. Hoy izy indray andro: "Mifoha mivavaka aho ary te hanohy iznay foana. Rehefa mandre zaza mitomany anefa aho dia afoeziko ny fivavahako mba ho fitserana ny reniny". Trotroiny ny zaza ary orohany. Idnraindray izy ireo ataony antsangory. Mikasika ny biby indray dia nilaza izy idnray andro fa notantanan'Andriamanitra tamin'ny fahamarinana ny mpivarotena iray ary nankany ampradisa satria nanome rano hosotroin'ny alika matinketaheta iray, ny vehivavy hafa iray anefa dia nomelohina ho any amin'ny elo satria namela saka iray ho fatin'ny anoanana.
  • Malemy fanahy tanteraka ny Mpaminany Mohammed ary tsy nahatsiaro ho voaompa manokana. Rehefa nanalabaraka an'I Aïcha vadiny ireo mpihatsaravelatsihy dia tsy nosaziany rehefa fantany fa tsy meloka I Aïcha. Ratsy fitondrantena teo anatrehany ireo Bedoina kanefa tsy nampiseho fahatezerana tamin'izy ireo izy na dia kely aza.
  • Tsara fo indrindra izy ary tia mizarazara izay eo ampelatanany. Rehefa nonena azy ny faminaniana dia nolanian'izy I Khadija vadiny tamin'ny lalan'Andriamanitra ny fananany rehetra. Rehefa maty I Khadija dia nahantra dia nahantra izy ka tsy maitnsy nidnram-bola mba ahafahana mividy lamba sy handevenana ilay olona voalohany nanaraka ny fivavahana silamo sy ny vadiny nanampy azy voalohany tamin'ny asany.
  • Nanaparitaka hazo izay azon'ny olona ialokalofana mandritry ny fivahiniany lava eto antany ny Mpaminany. Tsy misy hiaina mandrakizay eto ambonin'ny tany, noho izany dia tsy maintsy manoman-tena amin'ny fivahiniana manaraka isika. Ny Paradisa na ny elo. Ny andraikiny dia mitarika ny olona mankamin'ny fahamarinana amin'ny fomba rehetra ara-dalana. Ary nontanterahana tamin'ny fomba mendrika izany. Indray andro I Omar nahita azy nitsotra teo amin'ny tsihy izay namela faritra tamin'ny vatany ary sady nitomany no niteny hoe:

"Ry irak'Andriamanitra! Ny mpanjaka matory amin'ny fandriana malemilemy, ianao kosa mitsotra eo amin'ny tsihy maraorao. Ianao no irak'Andriamanitra noho izany mendrika noho ny hafa rehetra mba hiaina ao amin'ny zavatra nahafinaritra sy tsotra". Hoy anefa no navalin'ny irak'Andriamanitra: "Tsy tsapanao va fa azy ireo ny eto antany (ny haingony) ary antsika ny any ankoatra?"

  • Tsy eken'ny finoana silamo ny fiainana mitoka-monina. Tonga mba hanetsika ny filaminana izy sy ny zavatsoan'ny olombelona ary mananatra ny olona tsy hanao izay saim-patany fotsiny. Io anton-javatra io no isafidianan'ny mpino silamo fiainana tsotra. Na dia nanankarena aza ny silamo taorian'ny nahafatesan'ny Mpaminany Mohammed dia nisafidy ny fiainana tsotra araka ny safidiny manokana ny kalifa Abou Bakr, Omar sy Ali ary nanaraka antsakany sy andavany ny ohatra napetraky ny Mpaminany Mohammed ihany koa. Olona hafa maro koa no nitovy safidy tamin'izany.
  • Tena faran'izay olona tso-piaina tsy misy toa azy ny Mpaminany Mohammed. Arakaraky ny hiakaran'ny laharany ho ambony no nanjariany ho tsotra sy manaiky kokoa an'Andriamanitra. Nisafidy ny ho Mpaminany mpanompo izy fa tsy Mpaminany mpanjaka. Nandritry ny fanorenana ny trano fiangonana tao Medina dia nitondra biriky roa mavesatra izy kanefa ny mpanaradia azy hafa tsy nitondra afa tsy iray monja. Rehefa nandavaka ny ady vory manodidina an'I Medina mba hiarovana ny tanana nandritry ny adin'ny lavaka izy, namatotra vato ireo teo amin'ny manandrify ny vavoniny mba hanalefahana ny anoanana ireo mpanaradia azy kanefa ny an'ny Mpaminany dia roa. Rehefa nangovitra noho ny fisehoany nanjelanjelatra ny lehilahy iray dia nampitony azy ny Mpaminany sady niteny taminy hoe: "Aza matahotra na dia kely aza ry rahalahiko! Olona toa anao ihany aho ary nihinana mofo maina ny reniko" Indray andro nisy vehivavy marary saina iray nisintsona azy mafy tamin'ny tanany ary niteny taminy hoe: "Mandehana any amiko handamina ny tranoko!" Ary nataon'ny irak'Andriamanitra izay nangatahiny taminy. Tantarain'I Aïcha fa ny irak'Andriamanitra no manjaitra ireo akanjony, namboatra ny kirarony ary manampy ny vadiny amin'ny asa ao antrano.

Toy izao no hanoritsoritan'I Ali ny Mpaminany:

"Olona tena tsara fo ny irak'Andriamanitra, tena mpandefitra ary tena manam-paharetana. Tena marina indrindra amin'ny teniny izy, maha te ho tia ny miaradia aminy ary mendrika indrindra amin'ireo fianakaviany izy. Mandidy fanajana miaro tahotra amin'ireo rehetra mahita azy voalohany izy fa izay efa mahafantatra azy akaiky kosa dia tena mifatotra aminy. Ireo rehetra manandrana mamariparitra azy dia milaza hoe: "Tsy mbola nahita olona mitovy aminya ho, na taoriana na talohan'ny nahafantarako azy, ho aminy anie ny fiadanana sy ny tsodranon'Andriamanitra".

Hormis ilay fampitana ny hafatr'Andriamanitra amin'ny fanatanterahana ny andraikitra maha mpitondra hafatra azy, iza no niaina tamim-pahatsorana toan'I Mohammed? Mety ho inona izy raha tsy Mpaminany? Lanjan-kevitra toy inona no azo ambara hanoherana ny Faminaniany?

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.