Ireo Faminaniany

Raha ny tena marina dia tsy misy olona mahafantatra marina izay hiseho amin'ny ho avy. Tsy azon'ireo olon'ny siansa antoka tsara ny zavatra hiseho araboajanahary izay hizotra araka ny lalanan'ny determinista, ary manamafy fa tsy afaka miantoka izay tena endrika isehoan'ny tany amin'io fotoana io izy ireo na dia segondra vitsy tsy iaviany aza. Ny psikogy sy ny mpahay tantara dia milaza lalanan'ny tantara izay heverina fa mifototra ao amin'ny vanim-potoana ara tantara na eo amin'ny fizotran'ny tantara. Matetika anefa dia toherin'ny olona ny tantara, eny fa na dia ireo mpanaraka ny foto-kevitry ny fandrosoana ara tantara mitohy toandr'I Karl Mark, Max Weber, Johann Fichte, George Hegel sy ny johann Herder.

Andriamanitra mahery indrindra irery ihany no mahalala ny ho avy. Afaka manome tombony amin'izay tiany amin'ny alalan'ny fahalalany ihany anefa izy na dia izany aza.

Naminany zavatra maro izay voamarina ara-tantara na amin'ny fotoana ho avy ny Mpaminany Mohammed. Hita ao amin'ny CORAN sy ao amin'ny hadita ireo faminaniana ireo. Ary indreto ny vitsivitsy amin'izany:

  • I Byzance sy I Perse no natanjaka indrindra tamin'izany fotoana izany. Ny mekoanina anefa dia nampijaly ny fiarahamonina silamo vao teraka tamin'izany, nandresy ny Bizantina ny Perse ary nahazo an'I Alep sy Antioche sy tanandehibe nanana ny maha izy azy tany Siri (Damasy). Nirodana I Jerosalema ny taona 614-615; potipotika ny kristianina ary nodorana ny fiangonany. Nihitatra hatrany Egypta ny fanafihan'ny Persa ary tonga hatrany amin'ny faritra lavitra tany Tripoli any Afrika avaratra. Tafika persa hafa iray nandravarava an'I Azia ary tonga hatrany ambaravaran'I Constantinople.

Nahafaty ireo paina mekoanina maro izay mampitombo ny fanafihany ny Mpaminany izay fanavaozana ny an'I Jesoa nampianariny tany Palestina ny hafany izany. Tamin'io vanim-potoana io ihany dia nambara ity vaovao mahafaly izay manambara ny fandresen'ny Romana ny Persa tsy ho ela ity:

"Alif, Lâm, Mîm. Resy tao amin'ny firenena manodidina azy ny Romanina, ary aorian'ny fahareseny dia handresy izy ao anatin'ny fotoana maroaro. An'Andriamanitra ny fandidiana hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, ary amin'io andro io dia hifaly noho ny famonjen'Andriamanitra ny mpino rehetra. Vonjeny izay sitrany ary izy no mahery indrindra, mpamindra fo indrindra" (30:1-5).

Tsy nisy olona niheritreritra ny fivadiky ny toe-javatra tamin'io fotoana io. Ny Mpaminany anefa dia nampita io fanambaran'Andriamanitra io tamin'ireo mpianany. Naninana haingana ny mekoanina I Abou Bakr tamin'ny filazana taminy fa handresy ny Romanina afaka 9 taona aty aoriana; nanafika an'I Persa tany andranomasina I Heraclins, Amperora Romanina ny taona 622 (taonan'ny hezira), ary taorian'ny ady mafana sy fanafiana intelo dia voaviliny ny làlana taona vitsy taty aoriana. Niaraka tamin'ny fandresen'ny silamo ireo paiana mekoanina tao Badr izany fandresena izany. Izany no maha marina ny faminaniana ao amin'ireo andininy roa ireo.

  • Enintaona taorian'ny nifindrany monina tao Medina dia nandeha hanatanteraka ny fivahiniana masina kely (Oumra) tany La Mecque ny Mpaminany. Nifanehitra tamin'ny tao Houdayiyya ny mekoanina. Taorian'ny fifanarahana araka ny tokony ho izy dia niverina tany Medina ny silamo. Tsy afa-po tamin'izany ny silamo sasany mikasika ilay fifanarahana. Ny andininy nambara taorian'ny fahavitan'ny sonia anefa dia milaza mazava fa fandresena miezinezina izany ary manome vaovao mahafaly mazava hoan'ireo silamo:

"Marina tamin'ny fahitana izay nambarany tamin'ny mpitondra ny hafany am-pahamarinana Andriamanitra: niditra ao amin'ny trano fivavahana masina ianareo raha sitrak'Andriamanitra izany, ampilaminana, ho sola loha na hitapa-bolo ianareo, tsy amin-tahotra. Fantany izay tsy fantatrareo. Eptra ao ambonin'io (ny fifanolanana tao Houdaybiyya) ny fandresena tsy ho ela. Izy no nandefa ny mpitondra hafany miaraka amin'ny fitantanany sy ny fivavahana marina [ny silamo] mba hampandresena manoloana ireo fivavahana hafa. ampy hovavolombelona Andriamanitra" (48:27-28)

Herintaona taorian'io dia nahatanteraka ny fivahiniana masina kely ny silamo ary taona iray taorian'izany dia azony I La Mecque. Ambony noho ny fivavahana hafa ny silamo nandritry ny taonjato maro ary raha sitrak'Andriamanitra dia izy no hanana ny fahamboniana tanteraka afaka fotoana fohy.

  • Nampahory ny zanak'Israely I Faraona. Nandefa an'I Moizy Mpaminany mba hampino an'I Faraona azy Andriamanitra tokana sy hamela ny vahoaka Israely handao an'I Ezypta. Nitera ady lava reny ny fandavan'I Faraona. Indray alina ary rehefa nahomby tamin'ny fampandosirana ny vahoakany niaraka taminy I Moizy ary efa niroso nankany amin'ny fizaran-tany dia henon'I Faraona izany ary nanaraka izy. Rehefa tonga tao amin'ny ranomasina mena I Moizy dia nokapohiny tamin'ny tehany ny ranomasina ary nisokatra ho azy ny lalana. Nanaraka azy I Faraona kanefa nalentiky ny ranomasina niaraka tamin'ireo miaramilany.

Manao faminaniana mahavariana ny CORAN raha mamariparitra io zaa-niseho io: "Ho amafisinay ny vatanao ankehitriny mba ho famantarana hoan'izay handimby anao ianao. Na dia izany aza dia ho maro ireo olona tsy hivaky loha amin'ny famantaranay (ny fampitandremana)" (10:92) Taty aoriana kely dia hitan'ny olona nitsingevana tany amin'ny lafiny andrefan'I Sinai ny vatana mangatsiakan'I Faraona. Mbola afaka mampiseho anareo io toerana io ireo mponina amin'iny faritra iny, faritra antsoina hoe "Jabal Firawu" (ilay tendrombohitr'I Faraona). Kilometatra vitsy miala eo no ahitana loharano tsara antsoina hoe "Hammâm Firawu" (ny vovon'i Faraona).

  • Ny ampahany betsaka ao amin'ny CORAN dia natoka hoan'ny andro farany. Manoritsoritra ny fahapotehana sy ny fanamboarana izao tontolo izao sy ny fitsanganan-kovelon'ny maty izay hivondrona ao amin'ny toeram-pivoriana lehibe izy, tsaraina avy eo alefa any am-Paradisa na any amin'ny elo. Faritan'ny CORAN mazava ihany koa ny fiainana ao ami'nireo tontolo ireo; indreo misy faminaniana vitsivitsy hitantsika ao amin'ny bokin'ny fomban'ny Mpaminany:
  • Mitatitra ao amin'ny fitantarana voalaza ao amin'ny Sahih Mouslim I Omar:
  • "Alohan'ny tsy hanombohan'ny ady tao Badr dia nandeha nanodidina ny toerana hisian'ny ady ny irak'Andriamanitra ary nanondro toerana sasany sady niteny hoe:

"Eto no maty I Abou Jahl, etsy I Chayba, Walid ery, sy ny sisa". Milaza ny marina eo anatrehan'Andriamanitra aho hitanay taorian'ny ady teo amin'izay toerana voalaza marina sy notondroin'ny Mpaminany ny fatin'ireo olona voalaza ireo".

- Mitantara ity hadita manaraka ity izay notaterin'I khabbab ibn al-Arat I Boukhari sy Abou Dawoud:

"Tamin'ny fotoanan'ny korontana sy fanenjehana tany La Mecque dia nitaraina tamin'ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra isika indray andro kanefa izy nitsotra teo amin'ny aloky ny kaoba, ny lohany midaboka eo amin'ny akanjony. Hoy isika: "maninona ianao no tsy miantso ny famonjen'Andriamanitra ho anay? Maninona ianao no tsy mivavaka ho anay?" Hoy izy: "Tamin'ireo izay velona talohantsika, nalaina ny iray tamin'izy ireo, nolavahana ny lavaka ary natsipy tao izy. Nentina avy eo ny tsofa izay natao teo andohany ary notapatapahana roa izy. Na koa bengoina amin'ny fihogo vy ny volony mandrapipoitran'ny nofony sy ny taolany. Tsy nampatonga azy handa ny finoana izany. Amin'ny anaran'Andriamanitra, ho tanterahin'Andriamanitra io zavatra io (ny finoana silamo) mandrapandehan'ny mpivahiny avy any Sama hatrany Hadramawt tsy amin-tahotra afa tsy Andriamanitra ny biby dia hihinana ny biby fiompiny. Ianareo anefa toa mampiseho tsy faharetana".

Hoy ny famaranan'I Khabbab: "amin'ny anaran'Andriamanitra, izay rehetra novinanian'ny irak'Andriamanitra tamin'io andro io dia tanteraka avokoa ary izaho manoka no vavolombelon'izany"[1].

Tanterina ao amin'ny Sahîh al-boukhari, Sahîh Mouslim sy Mousnad ibn Hanbal:

"Nandritry ny fanorenana ny trano fivavahan'ny Mpaminany tany Medina dia hoy ny irak'Andriamanitra tamin'I Ammar ibn Yasir: "Mampalahelo (vaovao mahafaly ho anao, araka ny teny hafa) ry Ommar, hisy vondrona mpikomy hamono anao". Maty maritiora nandritry ny ady tao Siffin novonoin'ny mpanaradia an'I Mouawiyya izay nikomy nanohitra ny kalifa Ali I Ammar"[2].

  • Talohan'ny nahafatesany dia niantso an'I Fatima zanany vavy ny irak'Andriamanitra fa izy fianakaviany hanaraka azy voalohany indrindra aorian'ny fahafatesany. Ary maty I Fatima 6m-bolana taty aoriana[3].
  • Naminany ny firohotan'ny Mongola izy tamin'ny fitenenana hoe: "Tsy mbola ho avy ny fotoana raha tsy efa mandresy vahoaka [ny lehilahy amin'izy ireo] manana endrika mena, maso mivontirika sy orona fisaka sady foy ianareo. Mitondra kiraro baoty amin'ny hoditra voloina izy ireo.
  • Araka izay tanterina ao amin'ny Hakim, Tirandhi, ibn Hanbal sy ibn Maja izay miverimberina matetika hoe: "araho ny lalan'I Abou Bakr sy ny an'I Omar aorian'ny fahafatesako!"[4], te-hiteny ny Mpaminany fa I Abou Bakr sy Omar no handimby azy amin'ny maha kalifa. Naminany koa izy fa tsy haharitra ny fanjakan'I Abou Bakr fa ny an'I Omar dia maharitra ela ary hanao fanafihana maro izy.
  • Araka ny fitantarana tena marina, nilaza tamin'ny fiarahamonina ny Mpaminany fa handresy an'I Damasy, Jerosalema, Iraka; Persa, Istambul (Constantinople) sy Chypre ary ny finoana silamo dia hitatra hatrany Extrême-Orient sy any amin'ny Tendrony atsimon'izao tontolo izao[5].
  • Naminany koa ny Mpaminany fa "Hanomboka amin'ny faminaniana io toe-javatra io sy amin'ny maha mpamindra fo; avy eo hamindra fo sy ho kalifa; aorian'izany dia hiova ho monarsia masiaka izy ary farany ho tsy fahamarinana sy didy jadona" Novinaniany koa ny faharetan'ny kalifa tamin'ny fitenenana hoe: "Haharitra 30 taona aorian'ny fahafatesako ny kalifa avy eo hoavy ny monarsia"[6].
  • Araka ny fitantarana iray tena marina dia hoy ny nambaran'ny Mpaminany: "Hovonoina eo ampamakiana ny CORAN I Othman, ho tafian'Andriamanitra akanjo izy kanefa maniry anala izany izy ireo"[7]. Amin'ny teny hafa; ho tonga kalifa I Othman kanefa misy olon-kafa mikatsaka ny fanonganana azy ary ho vonoina izy mandritry ny famakiany ny CORAN. Tonga araka izany naminaniany azy tanteraka izany.
  • Araka izay voalaza ao amin'ny hadita tena marina dia nieny tamin'I Sad ibn Waqqas rehefa narary mafy izy ny Mpaminany masin'Andriamanitra: "Hanangona ianao avy eo mba ho araraotin'ny sasany ary hanimba ny hafa"[8]. Amin'ny alalan'io faminaniany io no niheverana fa I Sad dia ho mpitaritolona ary hanatanteraka fanafihana maro fa olona maro anefa no hanararaotra izany ka hanaraka ny finoana silamo fa ny sasany kosa hangirifiry noho ny faharavan'ny fanjakany. Ary niandraikitra ny fitariantafika araka izay novinaniana I Sad nandritry ny fanjakan'I Omar ary nandresy ny fanjakana sasawda persa, nahomby tamin'ny fampidirana olona amro hanaraka ny finoana silamo izy.
  • Hoy ny fitateran'I Anas: niditra tao amin'I bint Milhan (manatona avy amindrainy) ny irak'Andriamanitra, natory tao izy ary nifoha tamim-pitsikiana:

"Maninona ianao no falifaly ry irak'Andriamanitra?, hoy ny fanontaniany, hitako tao anaty nofy nankany andranomasina noho ny anton'Andriamanitra ny vahoaka ao amin'ny fireneko mitovy amin'ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany. Niangavy taminy I Oumm Harsari, ry iraj mivavaha mba ho anisan'izy ireo aho! Namaly tamim-paharesen-dahatra izy hoe: ho anisan'izy ireo ianao"[9] Tanteraka izany 40 taona taty aoriana rehefa niara tamin'I oubada ibn Samit vadiny nandritry ny fanafihana tany Chypre I Oumm Harran, maty tany izy ary lasa toerana famangy ny fasany.

  • Araka ny fitantarana marina dia hoy ny nambaran'ny Mpaminany: "ny mpandainga manambara faminaniana sy ny mpanao jadona lian-dra dia hiseho eo amin'ny fokon'I thaqîf"[10]. Nampitandrina ny fireneny tamin'I Moukhtar mpandainga sy ilay Hajjaj mpamono olona namono olona analinaliny izy.
  • Araka ny fitantarana tena marina iray koa dia nanambara toy izao ny Mpaminany: "Marina, ho azon'ny vahoakako I Constantinopla, ho voatsodrano ny mpitaritolona mahazo azy ary ho voatsodrano ny tafiny"[11]. Efa fantany mialoha koa ny fanafihana an'I istambul ataon'ny silamo, manondro ny hahavo ara-panahy nananan'ny solitana Mehmed le Conquérant sy ny famindrampon'ny tafiny. Nipoitra afaka zato taona taty aoriana izay novinaniany.
  • Nanao faminaniana 300 eo ho eo ny irak'Andriamanitra ary marina ny ankamaroan'izy ireny. Ny mahatalanjona dia nahakasika ny lafiny fikarohana ara-tsiansa sy teknolojika ny sasany tamin'ireo faminaniany. Ohatra, toy izay voasoratra ao amin'ny Sahîh Mouslim sy Sounane at-Tirmidhi, dia novinaniany fa ny grenady iray dia ampy hahafaty olona 20 ary ny ptipotiny dia hampididoza azy rehetra ireo, ary ny varimbazaha ambolena eo andavarangana dia ampy hampisakafoanana fianakaviana iray nandritry ny herintaona. Amin'ny alalan'ny faminaniany no hilazany fa hahavita fandrosoana lehibe amin'ny zenetika ny olombelona.

"Rehefa naminany zavatra ny Mpaminany dia tsy mba milaza fiambahambana na oviana na oviana toy ny hoe "heveriko fa", "heritreretiko fa", "mty ho" na "mety ho avy tokoa ity". Ny mifanohitra amin'izany, miteny toy ny nahita ny lasa sy ny ho avy eo anoloany izy. Midika izany fa manana fijery tena lalina afaka mamakivaky ny lasa sy ny ho avy ao anatin'ny fotoana iray izy, zavatra tsy azon'ny mety maty tanterahina, na koa izy dia Mpaminany nobeazin'ilay mahalala ny zava-drehetra, ilay tokana, aminy ny fotoana sy ny haaka dia teboka iray ihany.

[1] Sahîh al-Boukhari, al-Manâqib, 22; Sounane Abou Dawoud, al-Jihâd, 97.
[2] Boukhari, Salât, 63; Mouslim, Fitan, 70, 72; Ibn Hanbal, Mousnad, 12:161, 164.
[3] Sounane ibn Maja, al-Janâ'iz, 65; Mouslim, Fadhâ'il as-Sahâba, 15; Ibn Hanbal, 3,197.
[4] Hakim, Moustadrak, 3:75. Rapporté aussi par Tirmidhi, Ibn Hanbal et Ibn Maja.
[5] Hakim, 4:445; Ibn Hanbal, 4:303; relaté également par Mouslim, Tirmidhi et Ibn Maja.
[6] Abou Dawoud, Sounna, 8; Sounan at-Tirmidhi, Fitan, 48; Ibn Hanbal, 4:273.
[7] Hakim, 3:100; Ibn Hanbal, 6:114; Ibn Maja 5:188; Tirmidhi.
[8] Abou Nou'aym, Hilyat al-Awliya', 1:94; Boukhari et Mouslim.
[9] Souyouti, al-Jâmi' as-Saghîr 6:24; Boukhari, Mouslim et Tirmidhi.
[10] Hakim, 3:453; rapporté également dans Mouslim, Sounane par Ibn Hanbal et Tirmidhi.
[11] Hakim, 4:422; Boukhari, Tarîkh as-Saghir 139; Ibn Hanbal, 4:335.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.