Ireo Fahagagana Dia Tsy Azo Lavina

  • Nanambara ny Iraka nanarin'Andriamanitra fa Mpaminany izy ary haneho ny CORAN be voninahitra sy fahagagana anarivony ho porofo. Tsy azo lavina ireo fahagagana ireo fa ny tsy mpino iringiriny ihany no milaza azy ireo ho fanova-maso fotsiny. Tsy afaka manda ny fahagagana izy ireo ka nilaza azy ho fanova-maso fotsiny mba hanamarinana ny tsy finoany sy anohizana ny fahaverezan'ireo mpanaradia azy.

Ireo fahagagany dia notanisaina sy niarahan'ireo manam-pahefana nikasika ny hadita nanamafy. Ny fahagagana dia nataon'ny mpahary hanamafisana ny faminaniana araka izay amafisiny amin'ity andininy ity: "Tsy hiteny na inona na inona amin'ny nahim-pony izy" (53:3) Raha misy olona iray milaza eo imason'ny manampahefana fa manao izatsy na ziaroa dia "eny" indraim-bava aloaky ny vavan'ny manam-pahefana fotsiny dia ampy hanamafisana izany. Ankoatra izany, raha nanova ny fomba amam-panaony ny manampahefana na koa ny fomba fijeriny araka ny fangatahan'ny olona iray dia natao hanamafisana io fanambarana iof otsiny izany. Toy izany koa no nanambaran'ny irak'Andriamanitra fa izy no iraky ny Mpahary izao tontolo izao, ovany ny fandaminany izay tonga lafatra raha ilaina izany mba hahatanerahan'ny mpitondra hafany fahagagana hanaporofoana ny fanambarany.

  • Ny manda ny fahagagana sia midika amin'ny fandavana nyf isian'Andriamanitra, ny faminanian'I Mohammed sy ny maha avy amin'Andriamanitra ny CORAN; ny fandavana toy izany dia tsy mitombina sy tsy misy heviny satria porofo iray monja dia ampy hanamafisana hevitra iray fa ny fandavana azy kosa dia mila fikaraohana ankapobeny mazava ao anatin'ny fotoana sy ny habaka. Ohatra, raha te-hanaporofo ny fisian'ny jorery mainty ianao dia ampy ho anao ny mampiseho iray aminy fotsiny. Raha milaza anefa ianareo fa tsy misy izy dia tsy maitnsy hampiseho ny jorery reheta nisy hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany. Sarotra porofoina noho izany ny tsy fisian-javatra iray. Izay manda ny fahagagana noamafisin'ny mpino anapitrisany, olo-masina anarivony sy mpahay siansa nihorehana hatramin'ny fanambaran'ny Mpaminany ny faminaniany dia toy ireo efa milaza sahady tsy azo iadiana any amin'ny lapa nahafinaritra izay mihidy ny iray amin'ireo varavarany anarivony.
  • Saika nanao fahagagana avokoa ireo Mpaminany rehetra. Jody anarivony no nanamafy ny fahagagana nataon'ny Moizy ary kristianina anapitrisany no nanamafy ny an'I Jesoa nandritry ny taonjato maro. Raha ampitahaina amin'ireo Mpaminany hafa, inona no tsy fahatomom-banana hita ao amin'ny Mpaminany Mohammed azo hanamarihana ny tsy fahamarinan'ny fahagagany?
  • Fahagagana ny nahariana an'I Adama sy Eva sy Jesoa satria tsy teraka araka lalana voajanahary izy ireo. Na dia variana ao amin'ny tontolo materialista aza ny siansa ankehitriny, indray andro any izy dia tsy maintsy ho voatery hilaza fa ny aina dia zava-mahagaga nataon'Andriamanitra. Raha mihevitra ireo finoana, sy hevitra sy zava-miseho izay tsy azon'ny siansa hazavaina toy ny angano dia azo lavina sy tsy siantifika.
  • Miankina amin'ny teoria ny siansa ary mivelatra noho ny fandinihana amin'ny alalan'ny fanandrakandramana ireo teoria ireo. Zava-misy maro izay noheverina fa diso taloha no marina ankehitriny ary zava-misy maro izay noheverina fa marina taloha koa no diso ankehitriny. Tsy fomba fijery siantifika ny fandavana ny fahagagana satria ny fitsarana iray dia mitaky porofo azo tsapain-tanana. Tsy misy afaka manda ny fahagagana nataon'I Mohammed na amin'ny alalan'ny siansa na amin'ny alalan'ny fitaovana hafa.
  • Misy mihevitra fa mifanohitra amin'ny lojika sy ny saina ny fahagagana. Na ny saina sy fandiniantsika aza dia tsy afaka mahatsapa izay misy manontolo. Fanampiny, tsy misy ny olona roa manana fatrapatakarana ara-tsaina mitovy tanteraka. Io fatrapatakarana io va no hitsarantsika na marina na tsia ny zavatra iray? Hoy ny voalazan'ny CORAN: "Asandratsika izay irintsika. Ary ambonin'ny olon'ny siansa rehetra dia misy manam-pahaizana iray [mahay noho izy]" (12:76)
  • Ny filaminana, ny firindrana sy ny sary mahafinaritra niseho ao amin'ny voary dia manondro tanteraka ny fisian'ny Mpahary Tokana sy mahalala ny zava-drehetra, manana ny sitrapony sy ny heriny tanteraka. Io Andriamanitra tokana io no manao izay sitrany satria tsy voafetran'ny lalana napetrany ihodinan'ny tontolo izy. Noho izany dia azony ovana io na hanaovany hafa na tsy ilainy akory izany raha tiany vokany, tsy maintsy manandrana mikaroka ireo lalana ireo isika satria nomen'Andriamanitra faharanitan-tsaina hanampy antsika amin'io tanjona io fa tsy hitsara ny asany. Voafetra ny haranitan-tsain'ny olombelona, ary fantatsika rehetra fa ny zavatra voafetra dia afaka mitsara zavatra tsy voafetra.
  • Miova na mihodinkodina arakaraky ny halebeazan'ny fisiana sy ny habaka ny fotoana. Ohatra, samy hafa ny fepotoana amin'ny planeta roa. Arakaraky ny maha itika ny vainga no mampihetsika azy malaky kokoa. Toy izay asehon'ny saintsika izay mifindra malaky noho ny vatantsika. Afaka mamakivaky faritra maro ao anatin'ny segondra vitsy koa ny fiheritreretantsika.

Samy manana ny maha izy azy ny olona tsirairay eo amin'ny fahefana ary toy izany koa no isian'ny fahasamihafana lehibe eo amin'ny karazana tsirairay. Matanjaka kokoa noho ny vitsika isika fa izy kosa afaka manatanteraka zavatra tsy vitantsika. Ny zavatra tsy hita maso toy ny anjely sy ny jiny, ny rivotra sy ny rivo-doza dia mety hatanjaka lavitra noho ny olombelona. Azontsika faranana amin'izany fa ny hery rehetra sy ny fatrapatakarana ara-panahy sy ara-tsaina dia mitambatra ho iray ao amin'ny hery tokana tonga lafatra. Raha afakka manao izay tiany io hery io dia tsy misy antony kely akory tsy hinoana ny fahagagana.

  • Mahita sy miaina amina zava-nitranga izay heverintsika ho fahagagana isika indraindray satria tsy afaka manazava ny zava-drehetra ny lalanan'ny anton-javatra. Fanampiny, ny fizika manarapenitra dia nihevitra ny rehetra dia ondy mihetsika mitohy, midika izany fa tsy afaka miheritreritra isika hoe izay misy ankehitriny dia afaka hitana ny endriny ankehitriny na dia ao anatin'ny iray segondra aza. Vokany, ny lalanan'ny anton-javatra dia sarona manakona ny asan'Andriamanitra fotsiny mba tsy homen'ny olona an'Andriamanitra mivantana ireo zavatra izay mahasorena azy. Izany dia fanamafisana ny fahagagana izay sady voasaina no siantifika fa tsy ny lafiny miibany.
Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.