Tsy Mety Ho Mpampihorohoro Ny Tena Silamo Marina
Ara-bakiteny, ny silamo dia midika hoe “fanekena”. Ny silamo dia fivavahan’ny hafaliana, ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Itambaran’ny fivavahana silamo ireo foto-kevitra ireo rehefa mitonona hivavaka ny “salât” (fivavahana mahazatra) izy, manapaka ny fifamatorany rehetra amin’izao tontolo izao izy, mitongilana ary mitanondrika mafy eo anatrehan’Andriamanitra, avy eo sy mapifanantona ny tanany roa am-panajana.
Fanamelohana Ho Mpampihorohoro
Mahamenatra dia mahamenatra ny mahita silamo izay mifototra amin’izany foto-kevitra izany afangaro ami’nny mpampihorohoro. Fahadisoana ara tantara izay efa nomarihantsika ery ambony izany, rah any rafitra aorina amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana no atambatra amin’ny fampihorohoana, izay mihevitra izany no maneho ny tsy fahafantaran’ny sainy na inona na inona sy ny tsy fahafahany ny fanahy mandray izany voalohany. Tsy maintsy heverina amin’izay loharano nipoirany marina ny silamo sy amin’ireo izay tena nisolotena azy tamin’ny tantara, fa tsy amin’ny asan’ireo olom-bitsy nanova endrika azy. Ny fivavahana silamo dia fivavahan’ny famelan-keloka sy ny fandeferana. Ny fototry ny fitiavana sy ny fandeferana toa an-dry Mawlana, Yunus Emre, Ahmed Yesevi, Bedinzzaman sy ny hafa mitovy aminy no tena naneho ny endriky ny finoana silamo tamin’ny fommba tsara indrindra ary voasoratra ao amin’ny tantara amin’ny maha ohatra azy ireo amin’io fandeferana io izy ireo.
Ny Djihad Amin’ny Silamo
Ny DJIHAD dia zavatra iray maha silamo ny silamo mifototra amina foto-kevitra manokana izay mikendry indrindra ny hanafoana ireo sakana mankamin’ny fiarovana sy ny fahatsiarovana ny anaran’Andriamanitra. Azo atao ny mitantara ohatra maro namakivaky ny tantara mifanaraka amin’io toe-javatra io. Amin’ny maha-firenena ny firenena dia nanohitra hery tsy hay tohaina tamin’ny faritra maro isika, toy ny tany Ganakkalo sy Tripoli. Raha tsy manao toy izany isika dia ho nilaza taminireo fahavalo te hibahana ny tenintsika hoe : “tonga hampandroso anay ianareo. Maha-te hidera ny ataonareo. Tonga soa, raiso fa nitondra miaramila ianareo”. Misy mandrakariva ny ady. Zava-misy tsy azo ialana eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona izany. Na izany aza anefa, ny andininy tao amin’ny CORAN nambara tamin’I Mohamed dia manavaka tsar any fe-petra ilaina mba hanamarinana ny DJIHAD dia tsy voadiniky ny sasany tsara mba ahafahana milaza fa io no tanjona fototry ny silamo. Raha ny tena dikany, ireo olona izay tsy mahazo tsar any tara dian’ny silamo dia tsy afaka hahita ny fifandanjana eo amin’ny tena zava-dehibe sy ny pitsopitsony ary miampy ny fahafenoany fialonana, mitarika azy manova endrika ny finoana silamo. Ny fon’ny tena vondrona silamo anefa dia feno fitiavana sy fifankazarana ho an’ny voary tontolo. Hoy ny soratry ny poeta iray indray andro : “nateraky ny fitiavana I Mohammed, raha tsy nisy an’I Mohammed, fitiavana inona no mety ho nanana !”
Ny Fitiavana No Manamafy Ny Fisiana
Ekena, olon’ny fitiavana I Mohammed. Fantatra amin’ny anarana hoe : “Habîboullâh” avy ami’nny teny hoe “Habib” midika hoe “izay tia an’Andriamanitra sy izay tiany koa izy”. Ireo olon’ny fivavahana toa an-dry Imam Rabbari, Khalid sy Shoh Dahlawi dia nanamafy fa ny farany amboly indrindra dia ny fitiavana.
Nanao ny voary rehetra tamin’ny fitiavana Andriamnaitra ary ny silamo dia novolavolaina tamin’ny sombiny manify tamin’io fitiavana io. Araka ny fitenin’ny olompivavahana iray lehibe hafa dia ny fitiavana no antonym mampisy ny zavaboary. Tsy azo lavina fa ny silamo dia manana mahery setra amin’ny fiarovan-tena (fanoherana). Indraindray anefa ny olona sasany mandray io zavatra mandalo io ho tena mandrafitra ny fon’ny silamo. Kanefa ny finoana silamo dia tena filaminana. Indray andro, nizara tamiko ny fihetsehampony ny namako ary nilaza tamiko hoe “Miresaka amin’ny olon-drehetra ianao kanefa tsy mametraka fepetra. Hamotika ny fahamatorantsika izany avy eo, nianarana tamin’ny finoana silamo anefa fa tsy maintsy manohitra ny olona sasany amin’ny anaran’Andriamanitra”. Io fisainana io dia avy amin’ny fandikana tsy amim-piheverana ny hevitra satria milaza izy fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ankahalaina. Amin’ny silamo, ny voary rehetra dia tsy maintsy tiavina ami’nny anaran’Andriamanitra. Ny zavatra tokana tsy maintsy ankahalaina ary tsy maintsy toherina dia ny hevitra ny fihetseham-po maloto sy tsy mifanaraka amin’ny moraly sy ny fametavetana. Tian’Andriamanitra ho zava-boary tonga lafatra ny olombelona (marina, hidera, ny zanak’io Adama io isika (…) nofidiantsika tsara tamin’ireo zavaboarintsika izy.(17:70) ary azo lazaina fa ny rehtra manana io toetra io avokoa. Ary rehefa mandalo amin’ny filaharan’ny mpandevina jiosy izy, nijanona mba haneho ny fanajany ny irak’Andriamnaitra. Rehefa averina aminy fa jiosy ilay olona nalevina teo dia mamaly izy hoe : “tsy hoe tsy olona intsony izy amin’izany”. Nasehony koa ny lanja omen’ny silamo ny maha olombelona ny olombelona.
Eny, izany sy izany no fahalebeazan’ny fanajan’ny mpaminanintsika ny olombelona. Ireo izay mifototra amin’ny rafitra sasantsasany ary misy silamo manazava kanefa tsy mahazo tsar any foto-pinoana silamo ka tafiditra amin’ny fanafihana mampihorohoro izao tontolo izao, dia tsy azo tadiavina eo anivon’ny silamo fa tsara kokoa raha ao amin’ireo olona ireo ihany.
Na dia misy aza ny zavatra maningana indraindray, ny famoaboasan’ny turc ny foto-pinoana silamo dia marina. Raha afaka nanaparitaka ny famoaboasana ny finoana silamo manerantany nataon’ireo fototry ny fitiavana toa an-dry Mawlana sy ry Ymus Emre isika, ary raha afaka mampita ny hafa-pitiavany, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fandeferana tamin’ireo izay mangetaheta izany, nirohatra nakeo amin’ny sandrindriny fitiavana, ny fiadanana sy fandeferana hazaintsika io avokoa ny olon-drehetra maro maneran-tany.
Malalaka ny fandeferana amin’ny finoana silamo, izay handraran’ny mpaminany manokana ny fanononana zavatra izay mety ho fanompana ny olona. Na dia miezaka mafy aza I Mohammed dia tsy nanjary ho silamo I Abou Jahl ary maty nampahonena. Soa ihany fa ny anarana hoe Jahl dia midika hoe tsy mahalala na inona na inoan. Vokany, io olona tsy mety miova sy maizin-tsaina io dia nandany ny fiainany manontolo ho faharoan’ny mpaminany. Midika izany, Taoriana kely ny nahazoana an’I La Mecque, ny zakalahin’I Abou Jahl dia nanompo an-drainy teo am-pivoriana ary nomelohin’ny mpaminany noho izany.
Ny Fanajana Ho An’ny Zanak’olombelona
Ao amina Hadith (fitanisana ny teny sy ny asa nataon’ny mpaminany) hafa, ny irak’Andraimanintra dia milaza fa ny manompa ny Ray aman-drenin’ny hafa dia fahotana lehibe. Nanontaniana izy amin’ny hoe ary rah any rafozany no ompaina. Dia novaliny fa raha manompa ny Ray aman-drenin’olon-kafa ianao dia miverina any amin’ny Ray aman-dreninao ihany ny ompa ary meloka ianao fa ianao ihany no nanompa azy.
Fa nanao izay azony natao kosa ny mpaminany mba hanehoana ny fanajana ny hafa, ny zavamisy ankehitriny izay ahitana olona manonona fivavahana rehefa manompa ny hafa dia mampiseho mazava fa tsy mahazo ny mpaminaniny. Tsy misy na dia kely aza ho an’ny fialonana ao amin’ny silamo na eo amin’ity tontolo mandoko ny Irak’andriamanitra.
Ny Mpanompon’andriamanitra
Rehefa mamaky ny CORAN dia mahita fa mifototra amin’ny famelan-keloka sy ny fandeferana tanteraka izy. Amin’ny socrate “ny fianakavian’I Imran ao amin’ny CORAN”, dia ahitana izao : ireo izay mandany ao anatin’ny fahampiana sy ao anatin’nyharena, izay mahafehy ny fahatezerany sy mamela ny heloky ny hafa, satria tia ny mpanao soa Andriamanitra” (3: 134). Ndeha hazavaintsika misimisy kokoa : heverintisika fa tojo trangan-javatra izay nahatezitra ianao ; ohatra nisy olona nanevateva sy nanompa anao. Araka izay azo atao, tsy tokony hamaly ianao fa mody tsy mahafantatra. Ny CORAN dia mamaritra izay tokony hitondran’ny olona manana morally tsra ny tenany na dia antain’ny fotoana hamelezan’ny mpifanandrina aminy azy tampoka aza : “mbola tsara fo izy na dia efa mifanojo amina vanim-potoana / toe-javatra mahatezitra mafy aza, nateliny toy ny itelelemana tsilo ny hatezerany ary nakimpiny ny masony manoloana ny fahadisoan’ny hafa.” Tena mazava ny teny arabo amin’io andininy io. “Kadhm”, izay midika hoe : Atelemo izay tsy azo atelina, ary ny hoe “Kâdhim” toy izay mitelina fahatezerana.
Ao amin’ny andininy hafa, hoy Andriamanitra amin’ireo mpino azy : “Izay tsy manoa vavolombelona diso, rehefa andalovan’ny toetra mamoafady eo akaikiny izy, tafaala amin’izany am-pahamendrehana”(25:72)
Fomba Silamo Iray
Rehefa mijery ny fiainana masin’ny mpaminany isika dia mahita fa mampihatra izay rehtra voalazan’ny CORAN izy. Ohatra, rehefa mamaly ny olona tonga eo aminy mba hilaza ny ratsy nataony sy mangataka ny hanadinoana ny fahotany na toy inona na toy inona ny heloka, dia hoy izy : “Miverena any aminao ianao ary mandiniha indray. Tsy misy fahotana izay hain’Andriamnitra avela”. Nadith hafa mitantara ny fomba handehanan’ny olona nankeo amin’ny mpaminany mba hanameloka ny olona nangalatra. Eo amin’ny fotoana izay tokony hilazana ilay heloka, niverina ilay mpitory ary namela ny helok’ilay mpangalatra, ary hoy I Mohammed : “Fa maninona no tsy navelanao mialoha ny helony?”
Noho izany rehefa jerena amin’ny antsipirianay mianinga avy amin’ny tena loharano mipoirany ny zava-drehetra dia hita fa ny fomba ampiharin’ireo izay mifehy ny hafa amim-pialonana sy fanoherana izay mifanohitra amin’ny finoana silamo sy ny Jody sy ny Kristiana, tsy misy afa-tsy izy ireny ihany no voatsindron’ny hatezerana sy ho antsoiny ho “tsy itokisana”, tsy misy hifandraisany amin’ny finoana silamo. Toy izay voalazantsika tery ambony, ny silamo dia fivavahan’ny fitiavana sy ny fifankahazoana izay mampandositra ny asan’ny fampihorohoana ary manadio ny endriky ny fialonana sy ny ady.
Fanamarihana Navoaka voalohany tao amin’ny Turkish Daily News ny 19 septembre 2001 ity matoan-dahatsoratra ity, ampahany tao amin’ny boky mitondra ny lohateny hoe : “tolerance and atmosphere of dialogue in Fethullah Guben’s writing ans sayings. Navoaka indray rehefa nahazoana alalana.
- Created on .