Tsy Misy Dogmatsma Amin
Misy endrika raikitra sy tsy miova ao amin'ny zavaboary sy ny fiainana. Satria ny “lalàn’ny natiora” dia tsy miova na oviana na oviana ary koa ny endrika manandanja eo amin'ny zanak’olombelona (tou ny maha izy azy ; ny filany voalohany sy ny fihetseham-pony, sns) dia tsy miova na oviana na oviana, ny fivavahana izay natao hoan’ny olombelona dia tsy maintsy manana foto-kevitra tsy miova sy soa toavina mandrakizay. Ankoatra izany, ny lalàna moraly toy ny fahamendrehana, ny fhaintsiana, ny fahatsorana, ny fanajana ny zoky olona (indrindra fa ny Ray aman-dreny), ny fiantrana ny fitiavana sy ny fifanampiana dia soa toavina eken’ny rehetra mandrakariva. Toy izany koa, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny filokana, ny fanevatevana, ny fijangajangana, ny halatra, ny fitaka sy ny fomba tsy mendrika rehetra mba hahazoambola dia zava-dratsy eken’ny rehetra ary fantatra sy voaporofo. Ny fanekena sy ny fiheverana ny lalàna sy ny soatoavina moraly dia tsy dogmatisma.
Na izany aza, toy ny fivavahana rehetra ihany, manana fomba fijery dogmatika ny finoana silamo. Ohatra, ny Dhâhirisma dia nanomboka nandritry ny nanjakan’ny kalifa ‛Ali, tohin’ny ekstremisma Kharidjita. Ireo vondrona ireo dia tsy manaiky afa tsy ny hevitra ivelan’ny andininy ary mandà ny fitsipika fototra toy ny fanafoanana, ny fanavahana manokana, sy ny jery faobe. Tany ampiandohana dia tsy novolavolaina ho toy ny sekolim-potokvitra izy io. Na izany aza anefa dia nisy olona toandr’I Dawud adh-Dhahiri sy ry Ibn Hazm namolavola azy ho toy ny rafitra tany Andalousie ary namoaka boky momba io hevitra io. Afaka fotoana fohy dia noraisin’ireo olona nironan’ny maro toandr’I Ibn Taymyya, Imam Dhahabi sy Ibn Kathi. Teraka tamin’izany koa ny Wahhabisma. Na izany aza anefa, olona vitsy dia vitsy no nanaraka ireny.
- Created on .