Miantso Ny Zanak'olombelona Ho Amin'andriamanitra Tokana

Ny vato fototry ny faminaniana dia hitory ny maha iray an'Andriamanitra. Nifototra tamin'io hevitra fototra io avokoa ny Mpaminany rehetra: "Ry vahoakako, derao Andriamanitra, tsy manana zavatra avy amin'Andriamanitra avy any ivelany ianareo" (11:84).

Nandefa Mpaminany iray avy isam-pirenena Andriamanitra farafaharatsiny. Ny zavatra hitambaran'izy ireo izay tsy miankina amin'ny toerana sy ny fotoana dia izy ireo tsy miteny amin'ny nahim-pony manokana; tsy manao afa tsy ny mampianatra ny hafatra noraisiny tamin'Andriamanitra izy. Tsy mitovy hevitra ny filozofa sy mpandinika goavana satria izy ireo dia miankina amin'ny haranitantsainy sy ny bokim-pandinihany.

Na dia ny niara-nobeazina tamin'ny foto-kevitra filozofika na sosiolojika mitovy aza indraindray mifanipaka ny fijeriny.

Tsy mba misy fifanolanana teo amin'ireo mpaminany, porofo manamafy izany fa nobeazin'ny mpampianatra tokana sy mandrakizay izy –Andriamanitra- ary tsy notantanan'ny zohinkevitr'olombelona. Ny firaisan'ny mpino koa dia porofo tsy azo lavina amin'ny maha iray an'Andriamanitra, ny tena fototry ny asan'izy ireo araka ny voalazan'I Mohammed dia: "Ny teny nolazaiko mendrika sy ny Mpaminany teo alohako dia hoe: tsy misy Andriamanitra afa tsy Andriamanitra, tokana izy, tsy misy fanampiny" 13.


[13] Imam Malik, Muwatta, "Hajj," 246; Hindi, Kanz al-'Ummal, 5:73.
Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.