Ny Irak'andriamanitra Sy Ny Zaza

Vady tsy nanantsahala izy, ray tonga lafatra sy dadabe niavaka. Miavaka amin'ny endriny rehetra izy. Nobeaziny tamim-pamindram-po tanteraka ireo zanany sy ny zafikeliny ary tsy nataony ambanin-javatra ny nampitodika azy tamin'ny fiainana any ankoatra sy fanaovana asa mendrika. Nitsikitsiky amin'izy ireo izy, mitia sy nanafosafo azy kanefa tsy namela azy ireo hanao ambanin-javatra ny hevitra mikasika sy mifamatotra amin'ny any ankoatra. Tena misokatra amin'ny lafim-piainana eto antany izy kanefa rehefa manamafy ny fifandraisana amin'Andriamanitra izany, tena entitra sy tsy laitra vazivaziana izy. Asehony amin'izy ireo hoe ahoana no hitondrana fiainana tena mifanaraka amin'ny maha olombelona ary tsy mamela ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny fivavahana sy ny mamphatonga ho be fiantrana. Ny tanjony faratampony dia ny nanomana azy ireo amin'ny any ankoatra. Ny mahamarindrano azy amin'io lafiny io dia maneho ny halehiben'ny fahiratantsainy hafa avy amin'Andriamanitra.

Ao amin'ny hadita tanterin'I Mushim sy Anas bin Malik, ravahan'ny maha mpanompon'ny Mpaminany azy nandritry ny 10 taona nisesy di amilaza hoe:"Tsy mbola nahita olona tsara fo sy mandefitra tahakan'I Mohammed eo antrehan'ny fianakaviany aho".12

Raha natao ho anay ihany izany filazana izany dia azo noheverina fa tsy manandanja loatra. Olona anapitrisany mahatsapa tsara sy mendrika anefa no milaza fa tsy manam-paharoa izy amin'io toe-javatra io fa mandray ny zavatra tsirairay amim-pamindram-po. Olombelona toantsika ihany izykanefa nomen'Andriamanitra fitiavana manokana hoan'ny zava-mananaina rehetra izay azony hametrahana fifamatorana aminy avokoa. Feno fitiavana manokana izy manoloana ny fiainakaviany sy ny hafa.

Maty avokoa ny zanaka lahin'ny Mpaminany. Maty raha mbola kely taona monja I Ibrahim, zanany lahy farany tamin'I Marie vadiny. Namangy azy matetika ny irak'Andriamanitra talohan'ny nahafatesany na dia sahirana fatratra aza. Tsy mba ny reniny akory no mikarakara an'I Ibrahim. Notrotroin'ny Mpaminany izy, norohany sy nosafosafoiny alohan'ny hodiany any aminy. Rehefa maty I Ibrahim dia nataon'ny Mpaminany teo an-dohaliny ary norohany ary toy izao no navaliny tamin'ireo izay zaza nahita ny ranomasony: "Mahazo mitomany ny maso ary rovidrovitra ny fanahy fa tsy afaka hilaza afa tsy izay sitrak'Andriamanitra isika". Nanondro ny lelany izy ary niteny hoe: "Ho adinin'Andriamanitra amin'ity isika".14

Nentiny ambabena I Hassan sy Houssaïn zafikeliny. Noho ny sata mifehy azy manokana, na zo aza izany dia tsy nisalasala kely akory izy nanao izany mba hanambarana ny laharam-boninahitra ambony izay ho tratran'izy ireo afaka fotoana fohy. Indray andro raha mbola teo ambabeny izy ireo no niditra tao antrano I Omar (tao antranon'ny Mpaminany) ary taitra izy sady niteny hoe: "Inona ireto zavatra roa tsara trehy anananao!" ary ahoana hoy ny irak'Andriamanitra avy eo: "Tena mpitaingitsoavaly tsara tarehy izy ireo".15

Nety ho tsy nahatsiaro saina tamin'ny voninahitra nomen'ny Mpaminany azy izy ireo. Io fiheverana manokana natao azy ireo io dia noho ny hananany sata maha mpitarika manoka sy ho lehibe amin'ireo taranaky ny Mpaminany. Ho anisan'ireo olo-masina lehibe sy hajaina ny taranany. Tsy ho amin'ireo zafikeliny ihany ny tso-dranony fa ho amin'ny taranany manontolo. Izany no nilazan'I Abdal-Qador Jilani, taranaky ny Mpaminany malaza iray hoe: "Eo antsoroko ny tongotra voatsodranon'ny Mpaminany ary ny ahy dia eo amin'ny an'izay masina rehetra. Izany filazana izany dia manankery hoan'ireo masina rehetra ho avy.

Nametraka rindran-dramina tsara ny Mpaminany tamin'ny fomba nanabeazany ny zanany. Tiany tanteraka ny zanany sy ny zafikeliny ary nampiditra ny fitiavany tao amin'izy ireo koa izy. Tsy navelany hitondra lavitra ireo zanany amin'ny zavatra mety hanimba azy ireo ny fitiavany.

Tsy nisy nahavita zavatra tsy nety izy ireo satria nisaina tsara kanefa raha nahavita fahadisoana tsy nahy izy ireo dia niaro azy tsy ho diso làlana ny fiarovan'ny irak'Andriamanitra, indraindray ihany anefa izany. Nahomby tamin'izany izy tamin'ny alalan'ny fanehoany fitiavana azy ireo sy tao anatin'ny fahamendrehana. Indray andro ny iray tamin'I Hassan sy Houssaïn naniry hihinana voanio tamin'ireo izay hatao fanomezana hoan'ny mahantra. Nalain'ny irak'Andriamanitra malaky teny antananyio sady hoy izy hoe: "Tsy azontsika kasihina izay nomena atao fanomezana".16 Nametraka fotokevi-panabeazana manana ny maha izy azy izy tamin'ny fampianarana azy ireo fony mbola kely mba hahatsapany ny zavatra tsy manara-dalàna.

Entiny manaraka azy mandrakariva ny ankizy rehefa mankany Médina izy. Matetika dia manoroka ny zaza rehetra ao aminy sy ireo izay manodidina azy koa ny irak'Andriamanitra fa tsy ny zanany sy ny zafikeliny ihany akory. Azony noho ny fitiavany ny fon'izy ireo. Ti any zaza rehetra izy.

Toy ny nitiavany an'I Hossan sy Houssaïn koa no nitiavany an'I Oumana zafikeliny vavy. Matetika izy no nanao azy io antangory rehefa mivoaka, indraindray babeny sady mivaaka izy. Ary rehefa miankohoka izy dia avelany aloha ka aeriny eo an-damosiny indray rehefa miarina avy eo izy.17 Naneho izany fitiavana an'I Oumana izany izy mba hampianarana ireo mpanaradia azy tsy hanao ambanin-javatra ny vehivavy. Tena zavatra tsy azo ialana izany satria anisan'ny làlam-piarahamonina iray tao folo taona monja teo amin'ny fiarahamonina talohan'ny silamo ny mandevina velona ny zaza vavy kely. Tamin'izany dia tsy nisy Ray naneho ampahibemaso ny fitivany ny zanany vavy tany Arabia.

Nanambarana ny finoana silamo fa tsy manome alalana na dia kely aza amin'ny fanavakavahana atao eo amin'ny zaza vavy sy zaza kely. Ahoana no hahatanterahan'izany? ny iray dia I Mohammed ary ny irai dia I Khadija; I Adman y iray ary I Eva ny iray; I Alia no ankilany ary I Fatima no andaniny. Nisy vehivavy ambony isaky ny nisy lehilaby ambony.

I Fatima zanaka vavin'ny Mpaminany no renin'ny olona ambony rehetra tao antokatranony. Renintsika koa izy. Raha vao miditra I Fatima dia mifoha sady nandray ny tànany ny irak'Andriamanitra ary mampipetraka azy eo akaikiny. Manontany ny fahasalamany sy ny an'ny fianakaviany izy, mampiseho aminy ny fitiavan'ny ray sy ny famindram-po.

Tany tahakan'ny tenany izy ary tsapan'I Fatima izany fitiavany lehibe azy izany. Ny andraikiny lehibe dia ny ho loharano ipohiran'ny olo-masina maro sy ny olona ten amino an'Andriamanitra. Mandinika mandrakariva ny rainy sy ny fomba fisintonany ny olona hankamin'ny finoana silamo izy. Nitomany sy nitolokon'ny alahelo izy rehefa nambara taminy ny irak'Andriamanitra fa ho faty tsy ho ela ary faly indray avy eo rehefa nilazany fa izy no hanaraka azy voalohany amin'ireo fianakaviany.18 Tindrainy fatratra izy ary tena tia an-drainy koa. Napetraky ny Mpaminany tamin'ny ny fitiavany an'I ftima ny firindrana. Nobeaziny ho amin'ny faham-boniampanahy tsy maintsy hioharan'ny zanak'olombelona I Fatima. Nanabe azy toy ny nanabeazany ireo fianakaviany rehetra sy ny mpanaradia azy tamin'ny fanomanana ny fiainana any ankoatra ny Mpaminany.

Nohariana hoan'ny mandrakizay avokoa isika rehetra ary tsy mety afa-po raha tsy amin'ny alalan'ny mandrakizay sy ilay tsy manam-pahataperana. Noho izany dia tsy maniry afa tsy izy isika ary mangetaheta afa tsy ny aminy ampisainana na tsy ampisainana. Ny fototry ny finoana manontolo sy ny hafatry ny Mpaminany dia mikasika ny fiainana any ankoatra. Izany no antony hananaran'ny irak'Andriamanitra mandrakizay ireo mpianany hikatsaka ny fiadanana sy ny fanavotana mandrakizay; ary ny fisiany eo anivon'izy ireo dia ampahany amin'io fiadanana sy famonjena io izay gohin'izy ireo amin'ny alalan'ny fanatrehan'Andriamanitra.

Tia azy ireo izy ary mitarika azy ireo ho amin'ny fiainana any ankoatra, mankany amin'izay mihoatra ity tontolo ity, mankamin'ny hatsarantarehy tsy manam-petra ary mankamin'Andriamanitra. Ohatra hitany nanao rojo tamin'ny tànany I Fatima indray andro ary hoy izy taminy: "Tianao va no hilazan'ny mponin'ny lanitra sy ny tany fa miravaka ny rojon'ny helo ny zanako vavy?" Teny avy amin'ny olona manana ny seza fiandrianana ao am-pony izany ary mifatotra amin'ny fahefany manontolo ary nampiteny azy toy izao afaka fotoana fohy: "Namidiko haingana ny rojo, nividy ary nanafaka andevo iray aho avy eo niverina tany amin'ny irak'Andriamanitra. Rehefa nolazaiko taminy izay nataoko dia faly izy. Nanokatra ny tànany izy ary nisaotra an'Andriamanitra:" Dera ho an'Andriamanitra, izay niaro an'I Fatima tamin'ny helo".19

Tsy nanao fahotana I fatima tamin'ny fanaovany ilay rojo. Na dia izany aza dia tian'ny Mpaminany hijanona ao amin'ny faribolan'ireo izay eo akaikin'Andriamanitra izy. Ny fampitandremany dia mifototra amin'ny famindram-po sy ny fitiavana an'Andriamanitra ary ny fanakaikezana azy. Amin'ny heviny hafa dia fialana amin'ny zavatry ny tany izany?. Ohatra tsara amin'ny fahamendrehana mifanaraka amin'ny renin'ny taranaky ny Mpaminany koa izany (Alh al-Baït), izay haneho ny fiarahamonina silamo mandrapihavin'ny andro farany. Ny maha renin'ny olona mpino toandr'I Hassan sy Houssaïn ary Zaïn al'Abidin dia tsy andraikitra tahaka ny malazatra ny olona fa manana ny lanjany. Nomanin'ny irak'Andriamanitra ho reny izy tamin'ny vanim-potoana voalohan'ny taranany voalohany, avy eo izay taranaka avy aminy ho avy dia ho mpitarika fivavahana ambony toan'I Abd al-Qadir al-Silani, Mouhammed Baha'ad-bin an-Naqshband, Ahmad Rij‛I, Ahmad Badawi, ash-Shadhibi sy ny maro hafa.

Toy izao no nambarany: "Fatima, hanambady an'I Ali ianao ary ho ao amin'ny trano izay hipohiran'ny takela-bolamena maro ho avy. Avelao iny rojo volamena eny ambozonao iny ary miomana ianao ho renin'ny rojo volamena masina izay hiseho amin'ny fitarihana ara-panahy ao Naqshbandiya, Rufa‛iya, Shadhiliyya sy ny hafa". Sarotra ny hameno izany andraikitra izany amin'ny fanaovana rojo volamena. Izany no nampasiaka ny irak'Andriamanitra kokoa tamin'ny fianakaviany miohatra tamin'ny olon-kafa. Naveriny tamin'izy ireo ny làla-mahitsy mankany nakoatra ary amin'ny fanidiana ny varavarana rehetra mivoha mankamin'ity tontolo ity ary amin'ny filazana amin'izy ireo fa ny ilainy dia Andriamanitra.

Nitondra ny fianany manontolo tamin'ny fibanjinany ny tontolo any ankoantra izy ireo. Io antonym io no nanadiovan'ny Mpaminany Mohammed ny fianakaviany tamin'ny zavatra tsy misy dikany eto ambonin'ny tany ary tsy namelany azy ho voaloton'ny vovoky ny tany ho mari-pitiavana. Nody hoany amin'ny fanjakana voaomana ny endrik'izy ireo ary nomaniny mba hiara-hibanjina izany.


[12] Muslim, "Fadha'il," 63.
[13] Ibid., 62.
[14] Bukhari, "Jana'iz," 44; Muslim, "Fadha'il," 62; Ibn Maja, "Jana'iz," 53.
[15] Hindi, Kanz al-'Ummal, 13:650.
[16] Ibn Hanbal, 2:279; Muslim, "Zakat," 161.
[17] Bukhari, "Adab," 18; Ibn Sa'd, Tabaqat, 8:39.
[18] Muslim, "Fadha'il," 98, 99; Bukhari, "Manaqib," 25.
[19] Nasa'i, "Zinat," 39.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.