Ny Hatsaram-Panahiny

Ny Irak'Andriamanitra no fitaratra namirapiratra indrindra ahatarafany ny andraikitra sy ny anaran'Andriamanitra ambony indrindra. Amin'ny maha Isehoan'io anarana sy andraikitra io, nahatonga vatana ny CORAN sy ny finoana silamo dia izy no porofo lehibe indrindra, mazava sy feno tanteraka amin'ny fisian'Andriamanitra tokana sy ny fahamarinan'ny finoana silamo sy ny CORAN. Izay mahita azy dia mahatsiaro avy hatrany an'Andriamanitra. Ny fahamarinany sy ny asany tsirairay avy dia mampiseho ny anarana sy ny andraikitr'Andriamanitra ary porofon'ny faminaniany. Satria ny fahalefahany sy ny faharetany lehibe sy ny hatsaam-panahiny dia fahalebeazana hafa koa man maha olona azy ambony sy tsy manan-tsahala ary sady fandinihana no porofon'ny faminaniany.

Nalaza sy fantatra noho ny hatsaram-panahin'ny Mpaminany Mohammed ny mponina arabo na dia mbola teo alohan'ny fivavahana silamo aza. Raha mamaky ny poezia tamin'ireo fotoana talohan'ny silamo isika dia hahita fa mirehareha amin'ny hatsaram-panahiny ny Arabo. Ny fahatsaram-panahin'ny Irak'Andriamanitra anefa dia hoan'Andriamanitra madiodio. Tsy nilaza izany na oviana na oviana izy azy tsy tiany akory ny nilazalaza izany. Rehefa midera amin'ny hatsaram-panahiny ny Mpaminany dia manolotra ny fananany, izany anarany sy ny ataony hoan'Andriamanitra. Tsy azy na oviana na oviana ny fahamarinany sy ireo asa tsarany.

Tia nizarazara izay ananany rehetra ny irak'Andriamanitra. Varotra no asa nataony talohan'ny naha Mpaminany azy, ary nana-karena tokoa izy. Nolaniany sy I Khadija vadiny nanankarena tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra avokoa ny hareny rehetra. Ary rehefa maty I Khadija dia tsy nanambola hividianana ny lamban-drazana akory izy. Tsy maintsy nindram-bola handevenana ny vadiny, ilay olona voalohany nanaraka ny finoana silamo sy mpino azy voalohany ny irak'Andriamanitra.49

Nanan-karena indrindra tamin'ny mponin'I La Mecque ny irak'Andriamanitra raha tiany izany. Navelany tsy tamim-pihambahambana anefa ny fanomezana rehetra sy ny fanambinany tamin'izany. Na dia tsy maintsy nomen'Andriamanitra ho azy aza ny am-pahadimin'ireo harenan'ny babo an'ady dia tsy nolaniany sy ny fianakaviany samy irery izany. Niaina tamin'ny fiainana tsotra izy sy ny fianakaviany ary nivelona tamin'ny sakafo tsy dia manahoana satria tiany kokoa ho ny hafa aloha vao izy. Ohatra, nahitana ondry 40000 sy rameva 24000 ary vola fotsy 16 taonina ny anjarany tamin'ny fananan'ny babo an'ady tao Hounayn.

Naniry fatratra ireo harena ireo I Safwan ibn Umayya, ilay nindraman'ny irak'Andriamanitra fitaovam-piadiana. Tsapan'ny irak'Andriamanitra izany ka nomeny izay ramena tiany izy. Talanjona tmain'izany hatsaram-panahin'ny irak'Andriamanitra izany I Safwan ka niholomay nankany amin'ny vahoakany mba hilaza amin'izy ireo hoe: "Ry vahoakako! ekeo tsy amim-pihambahambana ny finoana silamo satria m     anome amin'ny fomba hafa kely ka tsy atahorana ny fahantrana I Mohammed!". Izany hatsaram-panahy izany dia ampy hitarihana ny fahamarinan'I Safwan sy ny vahoakany izay anisan'ireo tena fahavalon'ny finoana silamo hatramin'io andro io.50

Noheveri'ny irak'Andriamanitra ho fandalovana fotsiny eto an-tany. Hoy izy indray andro: "Inona no ifamatorako amin'ity tany ity? mpandalo niala sasatra teo ambody hazo fotsiny aho avy eo manohy ny làlana".51

Araka ny heviny, izao tontolo izao dia toy ny hazo ka mialokaloka eo ambanin'izany hazo izany ny olom-belona, zo izy no maindry. Tsy misy afaka ho velona mandrakizay fa tsy maintsy manomana ny tapany faharoa amin'ny fivahiniany eto ny olona ka na izany hiafara amin'ny Paradisa na hiafara amin'ny helo.

Nalefa mba hitarika ny olona amin'ny fahamarinana ny irak'Andriamanitra ary nandany ny hareny sy nanokana ny fiainany tamin'io làlana io. Tsikaritr'I Omar nandry teo amin'ny tsihy marokoroko izy indray andro ka nitomany izy. Rehefa nanontany ny irak'Andriamanitra hoe inona no antony itomaniany dia hoy ny valin-tenin'I Omar: "Ry irak'Andriamanitra, ny mpanjaka matory amin'ny fandriana malemilemy sy volovoloina kenefa kosa ianao mitsirara fotsiny amin'ny tsihy marokoroko. Ianao no irak'Andriamanitra, ary noho izany dia tokony ho mendrika zavatra noho ny hafa amin'ny fiainana tsara". Hoy ny naaliny:

"Tsy saininao va fa antsika ny fiainan-koavy ary azy ny eto amin'ity tontolo ity"52 [Tsy ankasitrahan'ny silamo ny fiainana mitokatokana].

Tonga mba hiantoka ny filaminana sy ny fahatsaran'ny olombelona izy fa manohitra ny famindram-po diso tafahoatra kosa. Noho izany, maro ireo silamo nisafidy ny fiainana tsotra. Na dia nanjary nanan-karena aza ny silamo sasany taorian'ny nahafatesan'ny irak'Andriamanitra dia nisafidy ny fiainana tsotra ihany ny sasany toandr'I Omar, Ali sy Abou Bakr. Ampahany izany satria nahatsiaro ny ilana ny fiainana ho toy ireo mahantra iray firenena taminy izy ary nandray ho ohatra velona ny Mpaminany ka nanaraka ny fiainany. Nomeny rano mangatsiaka iray vera I Abou Bakr mba hanapahany ny Ramadany fony izy kalifa. Nentiny tamin'ny molony ny vera ary nitomany tampoka izy. Ary rehefa nanontaniana izay antony itomaniany izy dia namaly hoe: "Indray andro ny Mpaminany nisotro rano mangatsiaka iray vera izay nomena azy ka nitomany. Nilaza izy fa hoy Andriamanitra: "Hanontaniana amin'ny fanomezana rehetra ianao amin'io andro io". Hanontaniana mikasika io rano io isika indray andro. Tadidiko izany ka nitomany aho".53

Mpanondrana ondrin'ny vehivavy iray I Abou Bakr mba hahafahany mivelona talohan'ny naha kalifa azy. Nomena karama kely izy taty aoriana. Rehefa teo ambavahoanan'ny fahafatesany izy dia nanome boatin-drakitra hoan'izay nanodidina azy teo ary nangataka tamin'izy ireo izy mba hamerina izany amin'izay kalifa vaovao handimby azy aorian'ny fahafatesany. I Omar no nandimby azy ka rehefa novakiany ilay boaty dia nahitany vola niparitaka sy taratasy toy izao: « Niaina toy ny fiainan'ny olona mahantra indrindra aho tany Medina ary nataoko ato anatin'ity vata ity ny vola sisa tamin'ny karamako. Noho izany, anisan'ireo volam-bahoaka ireo vola ireo ary tsy maintsy averina amin'ny tahirim-bahoaka". Nitomany I Omar rehefa avy namaky izany ary nanao fanamarihana hoe: "Namela entamavesatra hoan'ny mpandimby anao ianao ry Abou Bakr"

Ny irak'Andriamanitra dia "Olona faran'izay tso-po sy maha te ho tia indrindra"55 araka ny filazan'i Anas. Hoy ny filazan'I Jabir ibn Samura: "Indray andro rehefa nipetraka tao amin'ny trano fivavahana izahay dia namirapiratra teo amboninay ny volana fenomanana. Niditra ny Mpaminany. Nojereko aloha ny volana, avy eo ny endriny. Milaza ny marina eo anatrehan'Andriamanitra aho fa mbola mamirapiratra noho ny volana ny tavany".56

Tsy mba mandà ny olona na oviana na oviana ny irak'Andriamanitra, araka ny voalazan'I Farazdak dia tsy mba miteny "tsia" izy rehefa mitanisa ny asam-pinoana sady mivavaka. Nisy Bedoina iray nangata-javatra taminy indray andro ary nomeny fahafaham-po. Mbola nitohy nangataka taminy ihany io Bedoina io ary mbola nanome ihany ny irak'Andriamanitra mandrapahalanin'ny teo ampelan-tànany. Raha mbola nangataka ihany ilay Bedoina dia nanome toky azy izy fa mbola homeny rehefa manana izy. Tezitra tamin'izany fihetsika tsy ampy fanajana izany I Omar ka niteny toy izao tamin'ny Mpaminany: "Nangatahana ianao dia nanome. Mbola nangatahana ianao dia mbola nanome koa, ary mbola nangatahana ankoatra izany dia mbola nampanantena!" Te-hiteny hiteny I Omar fa mana-sarotra ny zavatra aminy ihany ny irak'Andriamanitra. Tsy dia niasan'ny irak'Andriamanitra saina loatra ny tenin'I Omar. Nitsangana I Abd Allah ibn Andafa al-Sahmi ka niteny hoe: "Ry irak'Andriamanitra, manomeza tsy amin-tahotra fa tsy hampahantra anao ny lehiben'ny satro-boninahitra!" Nahafaly ny irak'Andriamanitra izany teny izany ka hoy izy: "Izany no nodidiana hataoko!"57

Tsy mba nandà fangatahana izy satria izy ihany no nilaza hoe:

"Eo akaikin'Andriamanitra sy ny Paradisa sy ny anjely izay mahafoy fa lavitra ny afo, ary "Natokan'Andriamanitra ho anareo ny finoana silamo ry vahoaka. Hatsarao amin'ny alalan'ny fahalalahan-tànana ny fampiharanareo ny finoana silamo ary amin'ny fomba tsara".59 Tafakatra ho toy ny andon'ny lanitra ny hatsaram-pony ary miraraka toy ny fahafoizana mba hampamokatra ny fo miaritra ka ahafahan'ny "hazo tsara maniry koa ho mafy faka sy handratsana harany an-danitra sy hanome voa isan-taona amin'ny alalan'ny famelan'ny lehibeny".


[49] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 3:158-9.
[50] Ibn Hisham, 4:135; Ibn Hajar, Al-Isaba, 2:187; Muslim, "Fadha'il," 57.
[51] Bukhari, "Riqaq," 3.
[52] Bukhari, "Tafsir," 2; Muslim, "Talaq," 31.
[53] Muslim, "Ashriba," 140; Abu Nu'aym, "Hilya," 1:30.
[54] Tabari, "Tarikh," 4:252.
[55] Muslim, "Fadha'il," 48;
[56] Suyuti, Al-Khasa'is, 1:123; Hindi, Kanz al-'Ummal, 7:168.
[57] Ibn Kathir, 6:63.
[58] Tirmidhi, "Birr," 40.
[59] Hindi, 6:571.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.