Fampidirana Ankapobeny

Ankasitrahiko ny maneho amin'ny mpamaky ho oha-piainana ny fiainan'ny mpaminany Masina Mohammed sy ny fiainana miavaka sy mendri-piderana ananany. Tsy maintsy ampahafantarina ny rehetra io "Loharanom-piainana" io ho fanavotana ny zanak'olombelona.reharehan'ny zanak'olombelona ny mpaminany Mohammed. Nandritry ny taonjato 14 mahery dia maro ireo mpandinika sy filosofa, mpahay siansa sy ireo manam-pahaizana hafa no namirapiratra toy ny kintana tamin'ny fananany saina ambony, teo ambany fiahiany mandrakariva izy ireny, tamimpanajana sy fiderana ary afa-po tamin'ny maha ao anatin'ny vondrony azy (: fianakaviambeny).

Mba hahatsapana sy hahatakarana ny fahalebiazany dia ampy ny mampatsiaky fa taorian'ny fanoherana sesilany ny finoana dia re hatrany ne teny hoe: "Mahtoky aho fa I Mohammed no Irak'Andriamanitra", sainina indimy isan'andro. Miarapaly amin'ireo efa maty sy ny fanahy rehetra isika amin'ny fahenoana ny anarany rehefa mivavaka. Nna dia teo aza ireo ezaka natao hamadihana sy hampivilian-dalana ireo tanorantsika dia manohy manatona ny mpaminany hatrany izy ireo na dia tsy mahatakatra ny marina aminy manontolo aza.

Tsy ny fotoana no nampanadino antsika ny marina mikasika azy. Velona mafy ao an-tsaiko ny fahatsiarovana azy ary ampy hahatsapana ny fahefana hihaona aminy mandrakariva ny fanononako ny anarany. Indray andro rehefa nanao fivahiniana masina tany Medine, tanàna masiny aho dia toa hahita azy mipoitra tampoka ary mampandroso anay. Arakaraky ny fahalasanan'ny fotoana no tsy mampanan-kery intsony ny hevitra sasany kanefa ny hafatra napetrany dia toy ny raozy mivelatra mandrakariva ao amin'ny-pontsika. Ary isaky ny mandre ny anarany manakoako ao antilikambo isika dia manaiky ny fanasany, mamela ny asa mahazatra antsika ary mandeha mankany ampiangonana.

Raha hanoritsoritra azy toy ny hanoritsoritana ny hafa isika ary nananetsiketsika sampan'asa ara-tsosialy sy ara-panabeazana ho amin'izany dia ho maro ny tanorantsika no manaraka ny làlany. Na tsy teo aza isika dia maro ireo miazakazaka mitady fahafahampo ao amin'io "loharano madio io". Ny toerana rehetra eran'izao tontolo izao, anisan'izany: Etats-Unis, angletera sy Frantsa ary Alemana dia ahitana ny fifoazan'ny silamo. Miasa amin'ireny tany ireny sy mamafy voan'ny ho avy mamirapiratra ny silamo.mipariaka hatraiza hatraiza ny finoana silamo, mihelipatrana ary mamoa tsara toy izay tamin'ny vanimpotoanan'ny fahasambarana, ny vanimpotoanan'I Mohammed.

Tsy latsa-danja amin'izany ny zavatra hita any amin'ireo tany ahitana silamo maro anisa indrindra. Ireo silamo ireo dia tsy mahazo an-tsaina ny fifantohany amin'ny finoana silamo indraindray ary tsy manana ny fahatsapana sy ny fakarohana azy lalina, nametraka taranaka vaovao izay manaraka amin'ny-pisainana an'I Mohammed noho ny fahazavana nentin'ny siansa sy ny fahalalana vaovao. Izay mitrandraka ny sekoly sy ny fianarana ambaratonga ambony amin'ny anaran'ny tsy finoana dia tsy ho ela dia hiriotrahanatona azy. Na dia ny olo-malaza toandr'I Maurice Bucaille sy ry Ranger Garandy dia maika ny hanatona azy rehefa nahatsapa ny fahadiasoan'ny lamin-kevitr'izy ireo.2

Mohammed, Ilay Malalan'ny Fo Rehetra:

Manontany tena aho raha mahafantatra tsara izay tena iantefan'ny fitiavan'ireo be fitiavana isika. Na dia izaho izay mahatanteraka ny fivavahako indimy isan'andro hatramin'ny faha 5 taonako ary nanao izay azoko natao mba ho mpanompo eo ambaravarany aza mbola manontany tena raha mahafantatra azy tsara. Moa ve isika afaka mampiditra ny fitiavana ao am-pon'ny taranaka tanorantsika amin'ny fanazavana aminy ilay loharano nipoiran'ny fitiavana rehetra sy ny hafanam-po mivaivay?

Raha nahafantatra an'I Mohammed fotsiny ny zanak'olombelona dia ho mafy ny fitiavany azy, tahaka ny nataon'I Madjnoun izay latsa-pitian'I Leïla. Isaky ny voatonona ny anarany dia hangovitry ny hafaliana amin'ny fitiavana te-hiditra amin'izay hikasika aminy manontolo izy sy ireo izay manaraka ny làlany amin'ny fo manontolo.

Tsy afaka mitia hafa ankoatr'ireo izay fantatsika isika ary noho izy fantatsika fotsiny. Hanandrana ny hampanadino antsika izany ny fahavalontsika mba tsy hahatsiarovana ny anarany intsony; kanefa noho izy miaraka amin'Andriamanitra dia rava avokoa ny sakantsakana rehetra ary ny taranaka vao misondrotra dia hanaiky azy amin-kafaliana tahaka ireo matinketaheta ka nahita ny ho sotroina avy eo. Mahatratra ny olon-drehetra izay "mangetaheta" ka manatona azy ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy misy fetra.

Rehafa mamonjy fivavahana ny Alarobia ianareo dia tsy maintsy hahatsikaritra fa tanora ny ankamaroan'ny mpivavaka. Moa va mbola tsy nanontany tena ianareo hoe fa nahoana, kanefa ny fahadian-dàlana sy ny fikomiana dia mitombo hatrany, tonga any ampiangonana anefa ny tanora na dia eo azan y hatsiaka sy ny zava-tsarotra isankarazany? Tsy misy hafa tsy zavatra iray no mahasarika azy: I Mohammed. Mba ho afaka handray azy Andriamanitra isika sa tsia, ny fo amam-panahy maro dia miolomay mankeo aminy toy ny lolo manatona hazavana. Na dia ireo "bibikely" izay tsy natao hanao izany aza dia mba manatona azy koa. Mandalina izany ireo olon'ny siansa sy ireo mpandinika fanta-daza. Ireo izay mpifahavalo ankehitriny dia ho mpinamana fatratra izay mialoka ao amin'ny fandraisany manetriketrika avy eo. Nidera azy na dia ny fahavalony aza tamin'ny fotoan'androny.

Nitantara ny nofiny ny Mpaminany indray andro: "Nampifandanjaina tamin'ny folo amin'ireo iray finoana tamiko hono aho ary nihoatra ny azy ireo ny lanjako. Avy eo nampifandanjaina tamin'ny olona zato tamin'izy ireo, avy tamin'ny arivokanefa mbola navesatra noho izy ireo ihany"4. hoy koa izy: "Nampifandanjaina tamin'ny fiarahamonoko manontolo aho ary ambony lanja noho izy"5. Mihoatra ny rehetra izy amin'ny fahiratantsaina, amin'ny famindram'po, amin'ny finoana sy ny fahalalana satria nohariana noho ny voninahiny ny voary rehetra hafa. Andriamanitra dia niteny taminy toy izao: "Tsy nanao izao rehetra izao aho raha tsy ho anao".6

Manazava Ny Hevitry Ny Fahariana I Mohammed

Boky izao tontolo izao. Tsy fantatra io boky io raha tsy nohariana I Mohammed. Tsy misy liana azy ny famolavolana boky tsy takatry ny saina. Nanao an'I Mohammed Andriamanitra mba hanazava amintsika ny hevitr'izao tontolo izao. Andriamanitra no mpampianatra azy ary manaiky azy ny tany sy ny lanitra. Novaliany avokoa ny fanontaniana rehetra izay nipetraka mandrakariva: Iza aho? aiza no halehako? fa nahoana aho no nisy? inona no hiafarako? iza no mitantara ahy amin'ity fivahiniana ity?

Mamaly ny fanontaniana izay mipetraka I Mohammed ry manome ny hevitry ny fahariana. Notiavina tsara izy raha fantatra misimisy kokoa. Tiantsika foana anefa izy na dia kely azan y fahafantarantsika azy.

Mamelà ahy ianareo mba hitantara tantara foy mikasika ny tanàna masin'I Mohammed. Mavesatry ny fahamendrehana sy ny ………m-po tsy hay tohaina ny rivotra iainana. Tonga tao an-tsaiko ny mivavaka amin'Andriamanitra maraina sy hariva amin'ny famerenana impito ny hoe: "Ry Andriamanitro! Arovy amin'ny afon'ny afobe aho ary avelao hiditra ao am-paradisa miaraka amin'ny olo-masina!". Tsy misy na dia mpino iray aza tsy maniry ho any am-paradisa. Na dia izany aza anefa, ny rivotra iainana tsapako ao dia manosika ahy hanontany tena hoe: "Raha tsy maintsy asaina ho any am-paradisa ianao ary avela hiditra amin'ireo varavarana fito, aiza no tianao hidirana ao "Rawdha (eo akaikin'ny fasan'ny mpaminany) sa any am-paradisa?" Minoa ho fa hiozona eo anatrehan'Andriamanitra ka hamaly hoe: "Mahasarika kokoa ny masoko io toerana io, nanambitana hanositra tany amin'ny tavako tamin'ny mpampianatro aho, ary tiako kokoa ny ho andevo mifatotra rojo vy eo ambaravarana noho ny zavatra hafa ety an-tany. Tsy nandiso fanantenana ahy izany".

Mino aho fa izany no fanirian'ny mpino rehetra. Nanana ny fahasambarana hiaina tamin'izany aho rehefa niaraka tamin'Andriamanitra Akif Hikmet, solombavambahoaka Turc. Nilaza tamiko izy fa nanao voady ny handeha amin'ny tany efitra toy ny apondra raha vao mandingana ny fizaran-tanin'ny tanànan'I Médine. Nitana ny voady nataony io lehilahy io. Tsy tanako ny ranomasoko isaky ny mahatsiaro io tantara io aho;

Niparitaka Hoan'ny Olona Rehetra Sy Ny "Djinns" Ny Hafatr'i Mohammed:

Tonga niaraka tamin'ny lalàna izay tsy ho foana na oviana na oviana ny hafatra hoan'ny zanak'olombelona rehetra sy ny «djinns». Ny Mpaminany Mohammed, ary nahavita fahagagana an-jatony mihoatra ny vitan'ny mpaminany hafa, izy no lehiben'ny mpaminany rehetra. Noho izany, avy aminy no fototry ny fahagagana rehetra sy ny fanamafisana azy. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia manamafy orina ny fahamendrehana sy ny fahamarinan'I Mohammed ny fankatoavan'ny mpaminany rehetra ny finoana iombonana sy ny fahagagana nataony. Sady mpampianatra izy no mpitarika ny mpaminany rehetra sy ireo manampahaizana nomena fahadiovana sy fahalalana lalina noho ny fampianarany sy ny fitantanany ary noho ny fahazavan'ny Lalàna masina.

Ao aminy ny fototra maha fahagagana ny fahagagana sy ny fanamarinana azy ary ny herin'ny vokany voamarina. Satria ny làlana narahiny mba hanatrarana ny fahamarinana dia izay mivoha sy navela hisokatra ny halebiazany sy ny vokany dia avy amin'ny faminaniana sy ny fikarohana fno fahamalinana sy ny fironanany amin'ny finoana iray ka manamafy ny faminaniany (ny toetra maha mpaminany azy) sy ny fahamarinany. Izany no antonym nanambaran'ireo mpaminany rehetra teo alohany ny fiaiany. Nanao fifanrahana tamin'izy ireo ny hinoany an'I Mohammed Andriamanitra ary nanampy azy ireo.

"Ary rehefa nankasitraka ny andrakitry ny Mpaminany Andriamanitra dia nanao hoe: "Isaky ny manome boky sy fahendrena ho anareo aho dia hisy iraka ho avy hanamafy izany aminareo, tsy maintsy mino azy ianareo ary hanampy azy". Ary mbola hoy izy tamin'izy ireo: "Ankasitrahanareo sy ekenareo va ny didiko amin'izany fepetra izany?". "Mankasitraka izahay hoy izy ireo". "Meteza ary ho vavolombelona, hoy Andriamanitra. Ary izaho ho eo aminareo mandrakariva, ho isan'ireo vavolombelona" (3:81)".

Nitana ny teny nomeny nandritry ny androm-piainany ny Mpaminany rehetra. Rehefa nanatanteraka ny "mi‛raj" (Fiakarana any an-danitra) I Mohammed dia nitarika ny fivavahan teo anatrehan'ny fanahin'ny Mpaminany hafa.7 anisan'ireny I Abrahama, Moizy, Noa sy I Jesoa. Ao amin'ny Baiboly dia tsy mitsaha-milaza amin'ny Apostoliny ny vaovao mahafalin'ny fiavian'I Mohammed I Jesoa. Hoy I Joany ao amin'ny Filazantsara:

"Izaho hivavaka amin'Andriamanitra: hanome anareo fanahy hitoetra aminareo mandrakariva izy. (14:16): io fanahy io dia fanahy masina alefan'ny Ray amin'ny anarako ary hampianatra anareo ny zavatra rehetra ary hampatsiahy anareo ny voalazako rehetra. (14:26) tsy ho ela aho dia tsy hiaraka aminareo intsony satria ho avy ny mpanjakan'ity tontolo ity; (14:30) Tombotsoa ho anareo ny fandehanako far aha tsy nandeha aho dia tsy ho avy aminareo io fanahy masina io; far aha mandeha aho dia ho avy aminareo izy. […] mbola manan-javatra maro nambara aminareo aho kanefa tsy ho afaka handray izany ianareo ankehitriny; rehefa tong any fanahin'ny fahamarinana dia hampahafantatra anareo ny marina rehetra (16:7-13).

Manontany tena aho raha nahavita toy inona tamin'ny nataony amin'ny Raim-pianakaviana azy isika. Fantatsika va ny fomba nanabeazany ny zanany sy ny zafikeliny, iza amin'ireo no ho mpitarika lehibe raha velona amin'ny taonjato mifandimby? nikarakara tsara ireo vadiny izay tsy nisy nananany olona kely akory na dia iray aza izy. Ambonin'ny fampitahana rehetra amin'ny maha ray izy, vady sy olombelona.

Ahitana fahamarinana maro ao amin'ny maha olona azy, masina, ahitana toetra mendrika, ambony, ao amin'ny faminaniany ary ahitana fahamendrehana mamirapiratra ao amin'ny fivavahana sy ny lalàna masina izay nangatahany ny tsy hanomezan'ny fahavalony tsiny azy na kely aza. Mikambana ao aminy avokoa ny asa, ny fivavahana sy ny toetra ambony mendripiderana, tsy misy fiambahambana fa izy no mpampianatra, solontanan'ny fahatomombanana hita vatana sy fitambaran'ny fahamarinana sarobidy hita ao amin'ny voary tontolo.

Namaky ady tamin'izao tontolo izao niaraka tamin'ny mpanaradia azy vitsivitsy io mpitaritolona tonga lafatra io; rasiny avokoa ireo rehetra izay nanohitra ny fampianarany kanefa izy tsy mba niharan'ny fahavoazana ary tsy nobeazina ara-miaramila ihany koa. Voabe tsara tamin'ny siansa izy ary nampitainy tamin'ireo mpanaradia azy izany amin'ireo animpotoana lehibe nitranga mandrapahatonga ny andro farany. Tahaka ny hitany eo amin'ny fahita lavitra izany na toy ny famakiany soratra amin'ny takela-javatra.8

Fotoana vitsivitsy lasa izay no nisy namako iray nanome ahy horonantsary, tao amin'io horontsara io no nanehoan'I Keith Moore, dokotera mpitsabo ny zaza avy any Kanada, ny fomba hamaritan'ny Coran ny fivoaran'ny zaza kely ao amin'ny tranon-jaza, nanambarany ny fahitan'ny finoana silamo azy. Ao amin'io horonantsara io ihany koa no hampianaran'ny Psikology Japoney fa nanazava olana maro izay ny olon'ny siansa ankehitriny.

Iza no nampianatra ireo trangan-javatra ara-tsiansa ireo an'I Mohammed? Tsy nolazainy izay tena lehibeny. Izay nolazainy rehetra dia avy amin'ilay mpampianatra azy, mahalala ny zavatra rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra, mahay ny zavatra rehetra. Arakaraka ny fandrosoan'ny siansa no hahitan'ny olombelona ny endri-baovaon'ny maha olona azy ary halahelo ny tsy nahitany izany teo aloha izy.

Mahafantatra sy toa azy, ireo mpanaradia azy na tsy mifankatia aza izy samy izy, vonona ny hanao sorona ny fiainan'izy ireo hiarovana azy. Ohatra, naniraka andiana mpampianatra tany amin'ny fokon'I Houdhaïl ny mpaminany indray andro araka ny fangatahan'izy ireo. Namadika ny mpampianany ireo tsy mpino tany Houdhaïl ary novonoiny ny ankamaroany. I Zaïd ibn Dathina sy I Khoubaïb sisa natolotra ny Qoraïsita izay fahavalon'ny silamo. Rehefa mby ho vonoina izy ireo dia nisy nanontany an'I Zaïd hoe: "Tsy aleonao va I Mohammed no atao toy izao fa ianao ho any amin'ny fianakavianao any Médine?". Sady tsy nahahetsika I Zaïd no namely hoe: "Aleo lavitra potipotehana hizarazara toy izay hahita azy amin'ny toerako. Tsy iriko na dia kely akory azan y hanindronan'ny tsilo iray ny tongony ho takalon'ny fahafahako sy ny fiverenako any amin'ny fianakaviako".

Nangataka tamin'Andriamanitra ny hanomezany ny famonjeny sy ny fiadanany hoan'ny Mpaminany: Khoubaïb sy ny mba hanomezany azy ny fahatsorany mandrapahafatiny. Tamin'izay fotoana izay no nanomezan'ny mpaminany azy ny famonjena ary nampahafantarany tamin'ny mpanaradia azy fa ho maty maritiora I Khoubaïb.9

Niriotra namonjy ny ady I Soumaïra, avy amin'ny fokon'I Dinar rehefanaheno izy fa nifanohitra tamin'I Ounhoud ny silamo. Naseho ahy ny vatana mangatsiakan-drainy sy ny vadiny ary ny zanany lahy kanefa tsy noheveriny akory. Tsy nitsahatra nanontany izay nahazo ny mpaminany izy. Rehefa nisy nitondra teo aminy izy dia niankohoka teo amin'ny tongony ary nitaraina hoe: "Tsy misy dikany amiko ny fahoriana rehetra raha tsy ianao no velona, o! ry irak'Andriamanitra o! tena notiavina izy fa nanao sorona ny ainy ireo mpanaradia azy raha izany no ilaina hahavelona azy mandrakizay. Kanefa, tsy maty toy ny zavaboary rehetra izy. Nanakaiky tsy hay toavina ny ora farany ho azy ary tsy maintsy nanao veloma ireo namany nandritry ny 23 taona izy. Nivezivezy tany Médine sy Yémen I Mou‛adh ibn Jabal mba hitondra ny hafatry ny mpaminany. Indray andro, ndro tsy maintsy hahafaty ny mpaminany dia nanafatra izy hoe: "Ry Mou‛adh, mandehana any Yémen. Rehefa tonga any ianao dia tsy maintsy hamangy ny fasako sy ny trano fiangonako". Nalahelo mafy tamin'izany teny izany I Mou‛adh fa ho lasa izy.11

Araho Ny Dian'ny Mpaminany Mohammed:

Hivaha ny olana amin'izao andro iainantsika izao raha manaraka ny làlan'I Mohammed. Fantatr'ireo manampahaizana tsy miangatra avy any antsinanana sy andrefana izany. Tahakan'ny nilazan'I Bernard Shaw fa afaka mamaha ny olany nandritry ny taona maro ny zanak'olombelona raha miverina amin'ny Mpaminany izay nahita ny vahaolana tamin'ireo olana tena sarotra, mora tahaky ny misotro rano iray kaopy;

Eo ampiandrasana ny fiverenan'ny saina manaraka an'I Mohammed ny zanak'olombelona, saina avy amin'ny hafatr'I Mohammed. Rehefa miverina aminy izy ireo amin'ny fahamahana ny olany, ho avotra amin'ny fanararaotana, ho afaka amin'ny fahantrana, ary hahazo ny fiadanana sy ny fahasambarana marina. Efa nanomboka io famoamandry faharoa ion a dia eo azan y asa ratsin'ny tsy mpino:

Te hamono ny fahazavan'Andriamanitra amin'ny vavany izy, Andriamanitra angefa hahatonga ny hazavany na dia eo azan y fanoheran'ny tsy mpino. Izy no nandefa ny Mpitondra ny hafany, niaraka tamin'ny faitantanany sy ny finoany ary ny fahamarinany mba hametraka azy ho ambonin'ny fivavahana rehetra, na dia eo azan y fanoheran'ny hafa" (61:8-9).

Hametraka indray ny fivavahany Andriamanitra ary ny olona hanatona ny Mpaminany Mohammed. Hahita ny fiadanana sy ny fahasambarana aminy izy ireo. Hahay mianatra miaina ampilaminanana aminy ny zanak'olombelona, ary hanana ny faniriana hiaina any amparadisa na dia eto amin'ity tany fandalovana ity aza; hoavy izany na eo aza ireo tsy mpino sy mpanao ratsy ary mpiatsaravelatsihy sy ireo rehetra mandà ny hahafantatra ary amin'ny tany hafa. Ny mpanjakan'ny mpaminany izay tononintsika anarana indimy isan'andro ao amin'ny tilikambom-piangonana dia hiditra ao amin'ny-pon'ny olombelona na ho ela na ho haingana. Ary satria olon'ny fandriampahalemanany Mpaminany Mohammed ka hahazo ny fahasambarana amin'ny hafa entiny ny olombelona: Ny finoana silamo.

 


[2] Maurice Bucaille est un scientifique et un médecin français qui a accepté l'islam, il y a environ 25 ans. Roger Garaudy est l'un des idéologues du communisme de notre époque, et un ancien secrétaire général du Parti Communiste Français. Il embrassa l'islam, il y a environ 20 ans.
[3] Majnoun et Leyla sont deux figures légendaires dont le grand amour est devenu célèbre. (Tr.)
[4] Qadi Iyad, Shifa' ash-Sharif, 1:173. NOTE IMPORTANTE concernant tous les HADITHS de cet ouvrage: les hadiths mentionnés en français ne sont que des traductions du sens des hadiths originaux en arabe.
[5] Ahmad ibn Hanbal, Musnad, 2:76.
[6] Al-Ajluni, Kashf al-Khafa', 2:232.
[7] Ibn Jarir at-Tabari, Jami‘ al-Bayan ‘an Ta'wil Ay al-Qur'an; Ibn Kathir, Al-Bidaya wa an-Nihaya, 3:139.
[8] Sahih Muslim, Fitan, 22-25; Ibn Hanbal, 1:4.
[9] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:76.
[10] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:54; al-Haythami, Majma‘ az-Zawa'id, 6:115.
[11] Ibn Hanbal, 5:235.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.