Mba Hanazava Ny Lalan'ny Zanak'olombelona

Ny tena olana lehibe ho antsika ankehitriny dia ny tsy fahafantaran'ny olona maro ny mpaminany Mohammed sy ny fandavan'ny hafa sy ny fanaovany ambanin-javatra ny fanarahana ny làlany. Naniraka an'i Mohammed tahaka ny nanirahany ireo mpaminany rehetra teo aloha Andriamanitra mba hanazava ny làlantsika:

«Tena nanome tombondahany hoan'ny mpino Andriamanitra noho ny nandefasany mpitondra hafatra teo amin'izy ireo ihany, izay hilaza amin'izy ireo ny teniny sy haneho aminy ny famantarana azy [eo aminy sy eo amin'ny tontolo rehetra], hanadio azy [amin'ny fahotany sy ny fivilianan-dàlany] ary hampianatra azy ny boky sy ny fahendrena dia nivily lalana aza izy teo aloha. (3:164)».

Nandefa mpitondra hafatra mba hitantana ny olona amin'ny fahamarinana Andriamanitra mba ho voadio amin'ny fahotana rehetra izy ireo. Izay voazavan'ny hafatra dia hahita ny làlana misy an'Andriamanitra ary hahatratra ny laharana ambony maha olombelona. Hoy i Ibrahim Haqqi: «Nilaza Andriamanitra fa tsy ao amin'ny tany sy ny lanitra. Tsy fantatra sy tsy azo izy raha tsy amin'ny alalan'ny fo. » Izany no mahatonga ny mpaminany hitaridalana ny olombelona hahalala an'a.

Izay manaraka io fitarihany io dia hahatsapa azy lalina ao aminy, ao amin'ny-pony, ao amin'ny fanahiny sy ny fisainany satria ireo ihany no zavatra tokana afaka mahatsapa an'Andriamanitra amin'ny maha izy azy tanteraka. Tsy mahatsapa azy ny saina ary tsy mahatratra azy ny filozofia. Izany no antonym nanadiovan'ny mpaminany ny fanahy mba hahatonga azy ho fitaratra nisehoan'Andriamanitra. Nametra ny CORAN ho antsika ny Mpaminany Mohammed mba hanehoany amintsika ny fomba fiainana fanatrarana ny tanjona nanirahana ny mpaminany.

Tsara ho marikina eto ireto lafin-javatra telo ireto:

Voalohany, tsy olona tsotra ny mpaminany. Olom-boafidy izay nisehoan'Andriamanitra izy ireo. Nifidin'Andriamanitra izy ireo ary notandremany fatratra ny fanabeazana azy mba hahafahany hitady mandrakariva ny fankatoavany. Tahaka ireo teo alohany rehetra, ny mpaminany Mohammed dia mikatsaka mandrakariva ny fankatoavan sy ny fahafaham-pon'Andriamanitra. Hoy ny teniny farany: "Allahoumma fiarahamonina ar-Rafiq al-A‛la. Hoy koa I Aïcha vadiny miatantara ny fotoana farany niainany:

"Teo aminy hatramin'ny fofonainy farany aho. Isaky ny marary izy dia mangataka ahy hivavaka ho azy ary manaafy fa ny fivavahako dia eken'ny tsodranon'ny tanany masina, miatana ny tanany aho ary mivavaka. Nandritry ny aretiny farany aho dia nanao toy izany ary nivavaka, ary rehefa nosintoniny tampoka ny tanany dia hoy izy: "À Rafiaq al-A‛la!"1

Faharoa, nahitana fifandimbiasana asa faminaniana mandrakariva izao tontoko izao. Izay nanokana ny fiainany hampianatra ny fahamarinana dia ny mpaminany. Tsy maintsy katsahina izay notadiavin'ny mpaminany ary atao izay nataony sy arahina amin'ny fanaovana ny masina sy ny fanaparitahana ny tsara sy ny fandrarana ary ny fampijanonana ny ratsy.

Fahatelo, tsy fahalevonana tanteraka ny fahafatesana fa fiovana tontono hafa fotsiny, tsy misaraka aminy. Hafa ny fahafatesan'ny mpaminany. Hoan'ny maritiry izay ambanin'ny mpaminany ny laharany ara-panahy dia hoy ny CORAN: "Aza lazaina hoe maty ireo izay maty teo am-panaovana ny asan'Andriamanitra; volona izy fa tsy azonareo an-tsaina" (2:154). Noho izany tsy azo lazaina ho maty ny mpaminany. Noho izany, tsy maty araka ny fahafatesana fantatry ny rehetra ny mpaminany Mohammed. Niova toerana fotsiny izy ary nankany amin'ny toerana hafa ahitana fiainana miavaka.

Ireo izay afaka miditra ao amin'io fiaina miavaka io amin'ny alalan'ny tontolo ao antiny, mahatsapa ny fahasamihafana entin'ny fotoana sy ny haba sy mahita voary maro samy hafa ary mijery ny zavatra sy ny vanim-potoana amin'ny alalan'ny fomba fijery samy hafa.

Arakaraka ny laharam-pahamendrehana ahitana azy no hieverana ny zavatra sy ny vanim-potoana.

Ireo izay mitranga mba hahita ny haben'io laharam-pahamendrehana io no hahita ny fisokafan'ny fomba fijeriny arakaraka ny fandehanany ambonimbony kokoa. Ary manjary feno kokoa ny fahaizany mandinin-javatra. Misy olona sady afaka mipetraka eo anilantsika no Irak'Andriamanitra ao anatiny. Miara-mivavaka amintsika ary afaka hitarika izany fivavahan izany hoan'ny anjely any ankoatra koa.

Misy kilasy manokana hoan'ny olo-masina antsoina hoe "abdal" (Mpisolo toerana). Tsy maintsy soloina olo-masina vaovao haingana izay afaka mahita ny Mpaminany araka izay itiavany azy, izy ireo rehefa misy maty. Hoy I Jahal ad-Din as-Suynti, manampahaizana tamin'ny taonjato faha XVI: "Nahita ny Irak'Andriamanitra imbalo ambiroapolo aho rehefa nifoha".


[1] Bukhari, "Maghazi," 83; Muslim, "Salam," 50,51; Abu Dawud, "Tib," 19.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.