Antony Hafa

Niaina teo anilan'ny saina ambony tsy nanary ny maha izy azy na oviana na oviana ny mpanaradia. Toy ny tsaika ao anatin'ny tranon-jaza, niha lehibe sy nivelatra ny fiarahamonina silamo ary farany nahenika ny lafim-piainana manontolo. Novelomin'ny fanambarana tsy ankiato izy. Mbola nisy koa ny antony hafa ankoatry ny Sona sy ny fitiavanan'ny mpanaradia ny Mpaminany izay nitarika azy ireo hitadidy izay rehetra voalaza na nataon'ny Mpaminany.

Ohatra rehefa maty I Othman ibn Madh‛un, dia nitomany mafy toy izay nataony tamin'I Hamza ny Mpaminany. Vavolombelon'izany ny vehivavy iray niteny hoe:

"Sambatra ianao ry Othman. Nanjary vorona nanidina any am-paradia ianao". Nitodika nankany aminy ny irka ka nanontany hoe: "Ahoana no ahafahanao mahafantatra izany kanefa na dia izaho Mpaminany aza tsy mahalala izany akory? Raha tsy Andriamanitra no mampahafantatra izany antsika, tsy misy olona na dia iray aza mahafantatra na madio ka mendrika ny Paradisa ny olona iray na hoany amin'ny helo". Niteny indray ilay vehivavy ary nanambara fa tsy hanao vinavina toy izany intsony.8 Azo heritreretina koa fa ravehivavy io no mpanaradia nanatrika ny fandevenana mety hanadino ny zava-niseho? Tsy hanadino izy ireo na ireo vavolomelona tamin'ny fahaveloman'ny Mpaminany.

Ohatra hafa koa: niady tamin'ny heriny rehetra tamin'ny ady tao Aunafa I Quzunan ka maty tany. Noheverin'ny mpanaradia ho toy ny maritiora izy. Na izany aza, niteny tamin'izy ireo ny irak'Andriamanitra fa ho any amin'ny helo I Quzman. Taty aoriana dia nisy nampahafantatra azy ireo fa namono tena noho ny ratra nahazo azy I Quzman ary niteny toy izao alohan'ny ahafatesany: "Niady koan'ny firasankinan'ny foko aho fa tsy hoan'ny finoana silamo". Hoy ny irak'Andriamanitra namarana azy: "Amafisin'Andriamanitra ity fivavahana ity na amin'ny alalan'ny tsy ampoizina aza".9 Toe-javatra hafa tsy hanadinoana velively ny mpanaradia io nitranga io sy ny fandikana azy farany ary ampahatsiahivina mandrakariva rehefa miteny ny zava-niseho tao Hunayn na ny mikasika ny maritiora.

Toe-javatra sahala amin'izany koa no niseho tamin'ny fanafiana an'I Khaylar. Hoy ny fitantaran'I Omar:

"Tamin'ny andro nahababoana an'I Khaybar dia nanangana ny lisitry ny maritiora ny mpanaradia sasany. Rehefa nilaza izy ireo fa maritiora itsy, maritiora iroa dia hoy ny irak'Andriamanitra: "Hitako any aminy afobe mitondra ny akanjo nangalariny tamin'ny fananan'ny babo an'ady talohan'ny nitsinjarana azy". Nangatala ahy hitsangana izy noho izany azy nanambara hoe: Ny mpino ihany (ireo izay vaolombelon'ny finoana hita vatana sy mendrika) no afaka miditra ao amin'ny Paradisa".10

Ny teny sy ny zavatra tsirairay nataon'ny Mpaminany dia nantsara ny fahtsapan'ny mpanaradia ny finoana silamo. Nahatonga azy haka tahaka ny tariny sy ny nataony izany. Rehefa nonina tany amin'ny tany vaovao vao azo izy ireo dia nampita ny fahalalany tamin'ireo silamo vaovao ary niantoka ny fampitana ny Sona amin'ny taranaka mifandimby ihany koa.

Nitondra tena tsara izy ireo teo anoloan'ny Mpaminany ary nangina sy namela ny bedoina sy ny hafa hametraka fanontaniana teo anatrehany. Indray andro nisy bedoina iray antsoina hoe Dimam ibn Tha‛laba tonga ary nanontany tamin'ny tsy fahalalampomba hoe: "Iza aminareo no I Mohammed?" Niteny azy hanontany izay ao antsainy rehetra ny Mpaminany. Namaly izy ireo fa izay lehilahy fotsy fiodirana miankin-drindrina.

Nanatona azy ilay bedoina ary niteny tamin'ny feo avo hoe: "Ry zanak'I Abou al-Muttalib, te hametraka fanontaniana vitsivitsy aminao aho! mety hanindrona anao izy ireo kanefa tsy izany no sitrako". Niteny azy mba hilaza izay ao an-dohany rehetra ny irak'Andriamanitra. Hoy izy: "Milaza amiko amin'ny alalan'ny fitiavan'Andriamanitra, Tomponao sy Tompon'ny zava-drehetra teo alohanao, izy va no nandefanao ho Mpaminany hoan'ireo vahoaka ireo?" Rehefa niteny ny Mpaminany fa marina izany dia hoy indray I Dimam: "Ilazao amin'ny anaran'Andriamanitra aho raha izy no nandidy anao hivavaka In-dimy isan'andro?" Rehefa niteny taminy ny irak'Andriamanitra fa marina izany dia mbola notohizan'I Dimam toy izany ihany ny fanontaniana mikadika ny fifadian-kanina sy ny fanomezana valinteny mitovy harany no azon'I Dimam ibn Tha‛laba na hoy izy: "Izaho no I Dimam ibn Tha‛laba avy amin'ny foko Sa‛d ibn Bakr. Nandefa ahy hankaty aminao izy ireo. Manambara aho fa mino ny hafatra nentinao avy amin'Andriamanitra na inona izany na inona".11

Tsy hadino na oviana na oviana toy ny hafa ihany koa izany zava-niseho izany, hampitaina amin'ny taranaka mifandimby izy mandrapanoratra azy ao amin'ny bokin'ny fitadidiana.

Iray tamin'ireo mpitantara ny CORAN nanandraza I Ubayy in Ka‛b. nantsoin'ny irak'Andriamanitra izy indray andro ary nitenenany toy izao:

"Nandidy ahy Andriamanitra hitantara aminao ny Sorata al "Bayyiuna" Talayna I Ubayy ka nanontany hoe: "Niteny ny anarako va Andriamanitra?" Nandatraka ny ranomasony ny valintenin'ny irak'Andriamanitra.12 Voninvahitra lehibe hoan'ny fianakavian'ny Ubayy izany ka nahatonga ny zafikeliny hitonona ho "Zafikelin'ilay lehilahy nandidian'Andriamanitra ny Mpaminany hitantara ny Sorata al-Bayyina" taty aoriana.

Izany no zava-bita niainan'ny mpanaradia. Omena "vokatry ny Paradisa" sy "fanomezana" vaovao avy amin'Andriamanitra isan'andro izy ireo ary itondrana toe-javatra isan'andro koa. Taloha ireo arao tanefitra ireo dia tsy nahalala ny finoana sy ny soratra masina sy ny faminaniana kanefa nomena fitadidiana tonga lafatra sy talenta mikasika ny poezia, nobeazin'ny Mpaminany mba hanabe ny taranaka manarakasil. Nofidian'Andriamanitra ho mpanaradia ny mpa izy ireo ary nirina hampita ny hafany manerana ny tany.

Taorian'ny fahafaesan'ny Mpaminany dia nahazo ny tany rehetra tany Espaina, Sina, India tao anatin'ny fotoana malaky dia malaky. Nampitainy hatraiza hatraiza tamin'izay nalehany ny CORAN sy ny Sona ary maro ireo vahoaka babo nanaraka ny fivavahana silamo ny fianakaviana tao aminy. Nampita ny CORAN tamin'ireo silamo vaovao ny silamo tranainy ary nanomana ireo manam-pahaizana sy siatista silamo ho amin'ny ho avy.

Tsy nataon'ny mpanaradia ambanin-javatra ny fitadidiana sy ny fampitahna ny CORAN sy ny Sona satria naheno ny irakniteny toy izao izy ireo: "Na iza na iza tonga ao amin'ny trano fivavahako, na izy hampianatra ny tsara na hianatra azy. Maro ireo olona nitovy laharana tamin'ireo izay niady teny amin'ny làlan'Andriamanitra".13

Nilaza I Anas fa mikaondoha matetika hiady hevitra tamin'izay voarainy tman irak'Andriamanitra ziy ireo.14 Nahazo fanabeazana tamin'ny irak'Andriamanitra koa ny vehivevy ay nanokana andro ho azy ireo manokana izy. Ireo vadiny dia nampita tamin'ny vehivavy hafa izay voarainy tamin'ny irak'Andriamanitra.

Lehibe tokoa ny fiatraikan'izy ireo satria tamin'ny alalany no nametrahan'ny irak'Andriamanitra fifamatoram-pianakaviana tamin'ny vahoaka Khaybar (tamin'ny alalan'ny fanambadiana an'I Safiyya), ny Banu Amir ibn Sa‛sa‛Andriamanitra (tamin'I Maymuna), ny Banu Makhzum (tamin'I Umm Salama), ny Omeyyades (tamin'I Umm Habiba) sy ny Banu Mustaliq (tamin'I Juwayriya). Tonga nitsidika ny solontenan'izy ireo ny vehivavy tamin'ireo foko ireo anisan'ny fianakavian'ny Mpaminany mba hanontany azy mikasika ny finoana.

Nandritry ny taona faran'ny faminaniana dia nankany La Mecque hanao ilay fantatra hoe fivahiniana masina fanaovambelona ny Mpaminany. Tao amin'ny toriteny fanaovambeloma natao tao Arafat teo anatrehan'ny olona 100000 iey no namintina ny votoatin'ny asany toy izao: "Izay rehetra manitsika eto ankehitriny dia hampita ny tenika amin'ireo izay tsy tonga!"15 Fotoana fohy taorian'izay dia nambara ity andininy farany ity ary narahan'ny silamo tamin'ny fampiharana ny fivavahana silamo sy hanampy azy: "Ary atahory ny andro hitodnrana anao eo anatrehan'Andriamanitra. Ny fanahy tsirairay dia hamerenana ziay noraisiny. Ary tsy misy havela na kely aza". (2:281)


[8] Ibn Athir, "Usd al-Ghaba," 3:600.
[9] Muslim, "Iman," 178; Bukhari, "Iman," 178.
[10] Muslim, "Iman," 182.
[11] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 161.
[12] Bukhari, "Tafsir," 98:1-3; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 122.
[13] Ibn Maja, "Muqaddima," 17.
[14] Muhammad 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna Qabl at-Tadwin, 160.
[15] Bukhari, "'Ilm," 9; Ibn Hanbal, 5:41.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.