Ireo Tombontsoan'ny Finoana Amin'ny Fitsanganan-Kovelona

Aorin'ny finoana an'Andriamanitra dia manana ny andraikiny lehibe eo amin'ny fampanjariana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ara-tsosialy ny finoana ny fitsanganan-kovelona. Ahoana ireo izay tsy mino fa mbola hitsarana azy ny asa ataony no ho afaka hanao hezaka mba hiaina ampahamendrehana? ireo izay resy lahatra fa ho tsarain'Andriamanitra amin'ny asany any ankoatra indray andro dia manandrana manao izay azony atao mba hiaina amimpanarahan-dalàna sy ampahamendrehana. Hoy ny voalazan'ny CORAN:

«Ny maha izy anareo sasany, ny andalana novakinareo tao amin'ny boky, ny asa vitsivitsy izay azonareo atao dia izahay no vavolombelon'izany isanandro. Tsy misy atoma iray na eto antany na any andanitra afa miala amin'Andriamanitra, na teboka bitika na lehibe tsy voaisa ao amin'ny boky». (10:61)

Izay ataontsika rehetra dia voasoratry ny anjely voatokana ny hanao izany avokoa. Ankoatra izany, fantatr'Andriamanitra tanteraka sy saininy izay asantsika rehetra, ny fisainantsika, ny tiantsika atao sy izay ao aneritreritsika. Izay mahatsapa tsara io fahamarinana io no hahita ny fiadanana sy ny fahasambarana marina eto antany sy any andanitra. Ny fianakaviana na fiarahamonina ahitana olona toy izany dia nanam-piheverana fa hiaina any am-Paradisa.

Ny finoana ny fitsanganan-kovelona dia manakana ny tanora tsy hanimba fahatany ny fiainany amin'ny zavatra mandalo sy tsy misy dikany, ary manome fanantenana hoan'ireo be antitra rehefa manakaiky azy ny fasana. Manampy ny zaza hiaritra ny fahafatesan'ny olon-tiany ihany koa io finoana io. Ny zaza mino fa hifankahita any amin'ny tontolo tsara kokoa amin'ireo tiany dia mahita fiononana ao amin'ny fitsanganan-kovelona. Ny olona tsirairay, tsy anavahana taona na karazana na izay fanasokahiana olona azo atao dia mila finoana ny fitsanganan-kovelona toy ny filany rivotra sy rano sy mofo.

Satria mitarika fiainana milamina io finoana io ka tokony hanome lanja azy ireo avara-pianarana sy manankarena mikatsaka fiadanana sy fandriampahalemana. Ireo izay resy lahatra amin'ny fampianaran'ny CORAN -"Izay manao ny lanjan'ny atoman'ny tsara dia hahita izany tsara; ary izay manao ny lanjanan'y atoman'ny ratsy dia hahita izany koa" (99:7-8)- dia mandray ny andraikiny. Ny fiarahamonina ahitana olona toy izany dia hahita fiadanana sy fahasambarana. Rehefa tafalatsaka ao am-pon'ny tanora io finoana io dia tsy ho singa mpanimba ao amin'ny fiarahamonina intsony izy ireo ary hitady ny mba ilan'ny fireneny sy ny zanak'olombelona azy.

Mora andairan-javatra sy marefo ny zaza, mora iantefan'ny zavatra tonga amin'izy ireo koa izy sy izay mahavoa ny akaikiny. Raha very ny iray amin'ireo fianakaviany na lasa kamboty izy dia mirodana izao tontolo izao aminy ary tafalatsaka ao amin'ny alahelo sy ny fahakiviana izy. Inona ankoatry ny finoana ny fitsanganan-kovelona sy ny fanantenana hihaona amin'ireo olon-tiana izay nifindra toerana any amin'ny tontolo hafa no afaka hanolo ny ray efa maty, ny reny, ny anadahy sy ny anabavy ary ny namana. Tsy mionona ny zaza raha tsy efa resy lahatra fa lasa any am-Paradisa ireo tiany ary hifankahita any izy ireo.

Hoan'ny zoky olona indray, inona no mety hahasolo ireo taon-dasany ny fahazazany sy ny fahatnaorany izay tavela ao afaran'izy ireo. Ahoana no hampionona azy amin'ny fahafaesan'ireo tiany? Ahoana no hamafana ny fahatahorany ny fahafatesana sy ny fasana? Ahoana no hampanadinoana azy nyf ahafatesana izay tsapany lalina? Azo ampihononina amin'ny fahasambarana vaovaon'ny tany va izy? Tsy ho tony sy hitraka izy ireo raha tsy resy lahata fa ny fasana tsy dragona manokatra ny vavany hamotipotika azy dia tsy inona fa varavarana misokatra mahafinaritra mivoha ao amin'ny tontolo mahafinaritra fotsiny ihany.

Maneho fihetseham-po toy izany ny CORAN amin'ny fomba filazan-javatra tsy hay tahafina ao aminy amin'ny alalan'ny fanelanelanan'I Zakaria:

«Tantaran'ny famindram-pon'ny Tomponao teo amin'I Zakaria mpanompony ity. Rehefa nitaraina tamin'ny Tompony tamin'ny fitarainana miafina izy dia niteny hoe: "Ry Tompoko ô, efa osa ny taolako ary efa fotsy tanteraka ny voloko. [na dia izany aza], tsy mba malahelo aho [tsy kivy] ny mivavaka aminao, ry Tompoko» (19:2-4)

Tsy nahatoky ilay ray amandreny akaiky azy hanoy ny asany ny Mpaminany Zakaria aorian'ny fahafatesany ka niantso ny Tompony mba hanome azy zazalahy handimby azy. Toy izany no tebitebin'ny antitra. Milaza amin'izy ireo ny vaovao mahafaly toy izao manaraka izao ny finoan'Andriamanitra sy ny fitsanganan-kovelona: "Aza matahotra ny fahafatesana fa tsy fahalevonana mandrakizay izy. Fiovana tontolo fotsiny ny fahafatesana, fialana amin'ny fahasahiranana sy ny teriterin'ny fiainana eto ary fahazoan-dalana ho any amin'ny tontolo mandrakizay iandrasan'ny karazan-javatra tsara rehetra sy ny famonjena anareo?. Ilay mpamindra fo indrindra naniraka anareo tety antany izay namela anareo ho velona tao anatin'ny taona maro tsy hamela anareo ao anatin'ny haizina sy ny fasana izay mivoha hoan'ny tontolo hafa. hiantso anareo ho eo akaikiny izy, hanome fiainan-tsambatra sy mandrakizay ary hanome voninahitra anareo amin'ny fanomezan'ny Paradisa rehetra". Vaovao mahafaly toy izany ihany no hampionona ny olona be taona ary mamela azy iro handray ny fahafatesana amim-pitsikiana.

Ny fahafahana misafiy malalaka izay ampiasaintsika hitondrana ny fiainana no manome toerana miavaka antsika eo anivon'ny zavaboary. Fisehoan'ny famindram-pon'Andriamanitra ny fahafahana misafidy malalaka. Raha ampiasaina amin'ny okony ho izy io dia mahatonga antsika hahazo ny valisoan'ny famindram-po. Ny finoana ny fitsanganan-kovelona no antony lehibe manosika antsika hampiasa ny fahafahana misafidy malalaka araka ny tokony ho izy fa tsy hanao hadisoana na hanao ratsy amin'ny hafa.mitatitra I Sahl ibn Sad fa nampahafantarina ny irak'Andriamanitra ny fisian'ny lehilahy tanora iray tsy nivoaka tao antranony nandritry ny andro maromaro. Namangy azy ny irak'Andriamanitra. Rehea niseho tampoka teo anoloany ny irak'Andriamanitra dia niantoraka teny antratrany ilay tovolahy ary niala ny ainy. Nilaza tamin'ireo nahita azy teo ny irak'Andriamanitra hoe: "Atsory ny vatan'ny rahalahinareo. Na mpitahotra azy mafy ny tahotra ny afobe. Amin'ny anaran'ilay mitana ny fanahiko eo ampelatanany, milaza ny marina aho fa hiaro marina ny fanahiny amin'ny elo Andriamanitra"[1] Hoy ny CORAN:

«Ary hoan'izay manahy ny hiseho eo andoan'ny Tompony ka mitahiry ny fanahiny amin'ny fiharetana ny Paradisa no ho fialofany» (79:40-41)

Hoy Andriamanitra ao amin'ny hadita "qondsé": "Tsy hamory na mpiambina roa na mpatahotra roa aho" amin'ny teny hafa, izay matahotra ny safidiny eto antany dia ho voaaro any ankoatra, fa izay tsy matahotra azy eto kosa dia tsy ho voaaro any ankoatra.

Teo ampahitana tovolahy iray nanohitra ny ratra ary nanohitra hatrany dia hoy I Omar: "Ry firenen-drehetra tsy manana tanora dia efa hanjavona". Feno hery ny tanora. Raha mamela azy ireo handany fahatany ny heriny sy hanimba izany amin'ny zavatra tsy misy dikany ianareo dia manimba ny firenenareo. Manakana ny tanora tsy hanao habibiana sy tsy handany fahatany ny heriny hoan'ny zavatra mandalo ny finoana ny fitsanganan-kovelona ary mitarika azy mankamin'ny fiainana marina, manaradalana sy ilaina.

Fivononana lehibe hoan'ny marary ny finoana ny fitsanganan-kovelona. Mihevitra ny mpino miharitra aretina tsy manam-pahasitranana fa: "Efa ho faty aho ary tsy misy olona afaka manalava ny fiainako. Mety maty avokoa ny olon-drehetra. Soa ihany fa hoany amin'ny tontolo hafa aho (any am-Paradisa), ao no hahitako ny fahasalamako sy ny fahatanorako ka hiainako mandrakizay". Izay mahatratra ny fahamarinana tanterak'io toe-javatra io toy ny Mpaminany sy ny olo-masina sy ny mpanompon'Andriamanitra tiany dia handray ny fahafatesahna amim-pitsikiana. Hoy ny teny faran'ny tombokasean'ny Mpaminany Mohammed: "Andriamanitra ô, ampanarao ireo mpanaradia ambony indrindra aho!" Hoy izy tamin'ireo mpanaradia azy ny andro manaraka izany.

"Mamela ny iray amin'ireo mpanompony hisafidy amin'ny fifaliana amin'ny hatsaran-tarehy eto antany araka izay fe-potoana tiany sy izay ananany eo akaikiny. Ny mpanompo dia misafidy izay eo akaikin'Andriamanitra"[2]

Io mpanompo io dia ny Mpaminany ihany. Nahatsapa izay lazainy ireo mpanaradia azy ka nitomany mafy.

Toy izany koa, rehefa nanjaka teo amin'ny tany midadasika hatrany andrefan'I Egypta ka hatrany amin'ny faritra be tendrombohitra any Azia afovoany I Omar dia niankohoka teo anoloan'Andriamanitra sady niteny ampisentoana hoe: "Tsy afaka manatanteraka ny andraikitro intsony aho. Raiso ny fanahiko Andriamanitra ô ary ray ho eo akaikinao aho!"" Faniriana lalina ho any amin'ny tontolo hafa, tontolon'ny hatsaran-tarehy sy mandrakizay sy fanantenana ny ho voatsodranon'ny fahitam-pitiavan'ny tsara mandrakizay no manosika ny Mpaminany Omar sy ny hafa maro hisafidy ny fahafatesana noho ity fiainana eto ity.

Tontolo ahitana ny ratsy sy ny tsara eto antany, ny mahitsy sy ny tsy fahamarinana, ny hatsaran-tarehy sy ny faharatsiana, ny mpangeja sy ny gejaina. Amin'ny tranga maro dia toa mandeha tsy ampoizina ny fahdisoana ary tsy mahazo ny zony ireo tsy manantsiny maro tavela. Ny finoana ihany no manana fiainam-baovao any amin'ny tontolon'ny fahamarinana tanteraka, hanjakan'ny fahamarinana izay afaka mampionona ny tsy manantsiny sy ny voageja ary ireo kivy tsy hamaly faty. Toy izany koa, ireo izay reraky ny loza sy ny herisetra dia hahita fiononana ao amin'ny fitsanganan-kovelona satria mahafantatra izy fa ny loza tsirairay dia fitaovam-pidiovana ary izay nafoiny rehetra tamin'ny loza dia honerana amin'ny foaran'ny lanitra any ankoatra, ary ho toy ny fanomezana ireo zavatra nafoiny.

Manofa ny tokantrano ho toy ny zaridainan'ny Paradisa ny finoana ny fitsanganan-kovelona. Ao antokatrano izay hanenjehan'ny faniriany ny tanora, tsy ahitana zaza ny fampiarana ny fivavahana sy ny fihetseham-po amin'izany, ray amandreny tsy manantsaina afa tsy ny fikatsahana sy fahazoana izay rehetra mety hahafa-po ny filany ara-materialy sy manary ny ray amandreny be any amin'ny trano fitaizana be antitra, tsy ahitana fitiavana sy fanajana ireo zafikely, mionona sy mampionontena miaraka amin'ny biby fiompy –manjary enta-mavesatra saro-jakaina ny fiainana ao amin'ny tokantrano toy izany. Mamerina ao andohan'ny olona ny andraikiny manoloana ny fianakaviany ny finoana ny fitsnanganan-kovelona. Eo ampanatanterahana ny andraikiny dia hanomboka hanjaka ao antranony ny fifankatiavana mifamaly, ny fifankazahoana sy ny fifanajana.

Mitarika ny mpivady hampitombo ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifanajany io finoana io. Mandalo ny fitiavana aorina amin'ny hatsaran-tarehy ety ivelany aryt sy manandanja satria mety hanjavona izy aorian'ny fankalazana ny fanambadiana. Rehefa mino anefa ny mpivady fa haharitra sy hitohy mandrakizay ny fifankatiavan'izy ireo, ao amin'ilay tontolo hafa izay maha tanora azy sy maha tsara azy mandrakariva na dia efa miha antitra hatrany sy manary ny hatsaran-tarehiny ara-batana aza izy ireo.

Ny fiainam-pianakaviana toy izany, miorina eo amin'ny finoana dia efa miteraka fahatsiarovana ho any am-Paradisa sahady eo amin'ireo mpianakavy. Toy izany koa, raha misy firenena iray mirindra ao anatin'io finoana io dia hanana fiainanana milamina ny vahoakany noho izay heverin'ny Platon ao amin'ny Repoblikany na izay voalazan'I al-Farabi (Alpharabios) izay natolony hoan'ny taniny marina (al-Madînatoul Fâdhila). Toan'I Medina tamin'ny vanim-potoan-tsambatry ny Mpaminany Mohammed izany, na toy ny firenena silamo fony teo ambany fahefan'I Omar.

Mba ahazahoana tsara nyf omba nanorenan'ny Mpaminany ny fiarahamonina toy izany dia hotanisaintsika ny vitsivitsy tamin'ireo teniny mikasika ny fitsanganan-kovelona sy ny fiainan-koavy:

"Ry olombelona! Antsoina hanatona an'Andriamanitra amin'ny tongotra tsy misy lapa sy tsy miakango ary tsy voafora ianareo. "toy izay nanomboanay ny fahariana voalohany, no hanaovana azy indray. Fampanantenana ao anatinay izany ary azonay atao tsara" (21:104). Tsara ho marihina fa ny voary voafafy voalohany amin'ny andron'ny fitsanganan-kovelona dia I Abrahama (fiadanana ho azy) ary ho antoina ny olon'ny fireneko izay tarihina ho eo ankavia (ny eloà ary hiteny aho amin'izany: "Tompo ô, ireo no mpanaradia ahy!" Hovaliana aho hoe: "Tsy fantatrao ho entin'izy ireo ho fanavaozana aorianao" Hiteny toy izay nolazain'ny mpanompo marin'Andriamanitra aho (Jesoa): "Ho vavolombelona hanohitra azy ireo aho satria teo anatrehany, ary rehefa nalainao ny fanahiko, dia nampijerenao azy ireo tsara ary vavolombelon'ny zava-drehetra ianao. Raha sazianao izy ireo, mpanomponao izy, ary raha levoninao izy ireo, ianao no mahery sy hendry marina"[3]

"Tsy nahatsapa vanim-potoana nahatsiravina afa tsy ny fahafatesana ireo zanak'I Adama hatramin'ny anharian'Andriamanitra azy ireo. Vokany, miharitra mafy dia mafy izy ireo ary manerana ny vatany ka manjary toy ny rojo mifatotra amin'ny vozony ny hatsembohany, ary mitombo toy ny ranomasina azon'ny sambo ifamoivoizan"[4]

Hitsangan-kovelona amina vondrona telo ny olona: ao izay tonga amimpahafenoan-tahotra sy fanantenana [matahotra ny sazin'Andriamanitra kanefa tsy diso fanantenana amin'ny famindram-pony sy ny famelan-kelony], hot onga tsiroaroa, na telo na efatra eo amin'ny toerana iray ihany mba hitondra ho tarika iray ireo nampitambatra ny ratsy sy ny tsara, ary izay tavela rehetra dia mivondrona ho tarika iray, hiala sasatra ao amin'izay hialany sasatra ny afo, handalo amin'ny alina izay andalovany; ho eo amin'izay misy azy izy na alina na atoandro"[5]

Azon'ny irak'Andriamanitra antoka fa tsapan'ny mpanaradia azy tsara ny atao hoe afoe, ary manome azy fanriiana lalina hoany am-Paradisa amin'ny fampitany ireo vaovao mahafaliny. Vokany, niaina tanteraka tamin'ny fahalalana ny valisoa sy ny sazy avy amin'Andriamanitra izy ireo. Nifantoka tanteraka tamin'ny zavatra tsy maintsy atao amin'ny fivavahana sy ny zon'ny hafa izy ireo. Indray andro ny roa tamin'izy ireo niantso ny irak'Andriamanitra'Andriamanitra mba hamaha fifanolanana iray. Taorian'ny fihainoana azy ireo dia hoy ny irak'Andriamanitra'Andriamanitra:

"Mitaraina eo anatrehako ianareo ary mety ho mahay miteny kokoa ny sasany aminareo noho ny hafa ary mampiseho hevitra mandresy lahatra kokoa. Noho izany, izay omeko rariny noho ny teniny, mikasika zavatra iray, fa tsy nandray izany izy, satria raha ny tena marina nanapaka singan'afo ho azy aho [mba hanome azy io][6]

Ampy hahazoan'ny tsirairay avy ny zony na dia izay mendrika indrindra aza izany. Nanoro hevitra azy ireo ny irak'Andriamanitra: "Zarao roa mitovy tsara ny fananana nampifamaly ary manaova antsapaka. Tsy maintsy mifaly amin'izay azony ny tsirairay avy aminareo, amin'ny fo sy ny misy alahelo"

Ho faranantsika amina tantaram-piaina iray farany ity fizarana ity: "Naratra mafy tamin'ny ady tao Ouhoud I Sad ibn Rabî. Tao amin'ny fangirifiriany izy no nibitsika izao teny izao tamin'I Mohammed ibn Maslama izay mampita taminy ny famangian'ny Mpaminany: "Miraria soa ho an'ny irak'Andriamanitra. Amin'ny anaran'Andriamanitra! Mahatsapa ny fofon'ny Paradisa ao ambonin'I Ouhoud aho"

[1] Ibn Kathir, Tafsîr, 3:539, (citant Târikh Dimachq d'Ibn al-Asakir.)
[2] Ibn Ishaq, as-Sîra an-Nabawiyya (Beyrouth: 1955), 2:642; Ibn Sad, at-Tabaqât al-Koubrâ (Beyrouth), 2:204.
[3] An-Nawawi, Riyadh as-Salihin (les Jardins des Vertueux), Hadith No. 165.
[4] Ibn Hanbal, Musnad 3:154 d'Ahmad. (rapporté par Anas.)
[5] Boukhari, ar-Riqâq, 45; Mouslim, al-Janna, 59; Nasa'i, al-Janâiz, 118. (rapporté par Abou Hourayra; Boukhari et Mouslim)
[6] Boukhari, ach-Chahâda, 27; Mouslim, Aqdhiyya 4; Abou Dawoud, al-Adab, 87.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.