I Satana Sy Ny Olombelona

Novolavolaina tamin'ny alalan'ny afo ny jiny antsoina hoe SATANA. Talohan'ny mbola tsy nitsapana ny fahamendrehany tamin'ny alalan'i Adama dia niaraka niaina tamin'ny anjely i satana, nidera an'Andriamanitra sy niasa toa azy ireo. Ny mahasamihafa azy amin'ny anjely izay tsy afaka mikomy amin'Andriamanitra (66:6) dia malalaka amin'ny fisafidianany ny fitondrantenany i Satana (nantsoina hoe Iblisy izy talohan'io fisedrana io). Rehefa notsapain'Andriamanitra tamin'ny fandidiana azy ireo hiankohoka eo anoloan'i Adama ny Satana sy ny Anjely dia nitsiry tao amin'i Satana ny voan'ny avonavona sy ny fandavana ary nihinana azy. Namaly tamim-piavonavonana izy: «Tsara noho izy aho. Novolavolainao tamin'ny afo aho ary izy kosa tamin'ny tanimanga». (38:76)

Nahoana i Satana no noforonina?

Noforonina tamin'ny tanjona manana ny lanjany i Satana. Raha tsy nisy io zavatra manadrana mandrebireby antsika foana io dia tsy nisy dikany sy tsy nilaina ny fahariana antsika. Manana mpanompo maro tsy afaka mivadika aminy sy manaiky ireo didiny rehetra Andriamanitra. Noho izany, ny fisian'ny zavatra mikasika tanteraka an'Andriamanitra izay manana Anarana tsara tsy misy fetra sy andraikitra ilaina, tsy noho ny filany ety ivelany fa noho ny fahambonian'ny anarany, mba hiseho ireo anarany. Amin'ny alalan'ny olona no hanehoany ireo anarany ireo.

Satria manantsafidy malalaka Andriamanitra dia mba nomena izany koa isika. Mitraka ady mitohy ao amin'ny tontolo anatintsika ny ady amin'ny fisafidianana eo amin'ny ratsy sy ny tsara. Nomen'Andriamanitra fahafahana lehibe isika. Amin'ny fanavahana ny ratsy sy ny tsara, amin'ny fampiasantsika ny safidy malalaka, dia afaka mivoatra ara-panahy isika. Tahaka ny hamelana ny voromahery hisambotra ny voronkely mba hahaizan'izy ireo mandositra no nahariana an'I Satana sy ny hamelana azy handrebireby antsika mba hampakatra antsika ara-panahy ny fanoherantsika ny fakam-panahy sy hanamafy ny finiavantsika. Amin'ny lafiny iray, tahaka ny fanairan'ny hanohanana ny olombelona sy ny biby hitady sy hikatsaka ny foba hahafa-po azy, ary toy ny tahotra izay mampitady fomba hiarovantena no mahatonga ny fakampanahin'I Satana hitarika ny fivoaran'ny fahefantsika hiady amin'ny fahotana.

Tsy afaka miakatra amin'ny laharana ambony ara-panahy loatra ny anjely satria tsy rebireben'ny Satana sy tsy aviliny amin'ny lala-mahitsy izy ireo. Raha ny biby indray dia tsy mihetsika ny lanjany, tsy afaka midina na miakatra izy ireo. Ny laharan'ny olombelona ihany no afaka miovaova. Misy dingana tsy manampiafarana ao amin'ny fivoarana ara-panahy, manomboka amin'ny laharana farany ambonin'ny Mpaminany lehibe sy ny masina ka hatramin'ny laharana farany ambanin'ny Faraona sy Nemroda.

Noho izany, tsy azo heverina ho ratsy mandrakariva ny fahariana an'I Satana. Na dia ratsy aza I Satana dia fara faharatsiny ilaina mba hanatrarana tanjona lehibe. Mahasakana ny tontolo manontolo ny faharian'Andriamanitra ary tsy maintsy jerena amin'ny vokany fa tsy jerena mitokatokana. Tsara avokoa izay noharian'Andriamanitra na izy tenany na eo amin'ny vokany. Ohatra, ilaina dia ilaina tokoa ny orana sy ny afo, mety hampidi-doza anefa raha tsy ampiasaina tsara. Noho izany tsy azo heverina ho tsara foana ny nahariana ny rano sy ny afo. Toy izany koa ny fahariana an'I Satana. Ny tanjona fototry ny fahariana azy dia hanosika antsika hampivelara ny fahefantsika sy hanamafy ny finiavantsika hanohitra ny fakampanahy mba ahatratrarana laharana ara-panahy ambonimbony kokoa.

Hovalin'ireo hevitra aroson'ny sasany fa mampivily lalana olona maro sy mitarika azy ireo amin'ny famaizan'ny elo I Satana dia hoy aho:

Voalohany: na dia noforonina hoan'ny zavatra tsara hoan'ny rehetra aza I Satana dia maro ireo olona mety ho voarebireiny. Na dia izany aza dia tsy manao afa tsy manandrana sy manisy zavatra ao antsaina I Satana; tsy afaka manery anareo hanao ny ratsy sy ny fahotana izy. Raha tsy maharitra ireo fampanantenan-diso omeny ianareo ka manaiky mikorosy dia mendrika ny sazin'ny elo satria tsy nampiasainareo tsara ny fanomezan'Andriamanitra tsara ho anareo izay manampy anaeo hampivelara ny fahafahanareo sy hampakatra anareo amin'ny laharana ambony: ny fahafahanaeo manapakevitra. Izy no nanao anareo ho olombelona sy nanome anareo toerana amony manoloana ny voary ma ho azo antoka ny fivelaranareo aratsaina sy ara-panahy. Amin'ny teny hafa, tokony hampalahelo anareo ny fahafahanareo sy ny maha olombelona anareo.

Faharoa, ny kalitao no ambony kokoa noho ny habetsahana. Rehefa mandrefy zavatra isika dia tsy maitnsy mampitaha ny kalitao amin'ny habetsahana. Heverontsika ohatra ny voana daty (hazo) 100 izay 100 santima fotsiny raha tsy ambolena. Rehefa nambolena izy ireo na 20 taminy fotsiny no naniry fa ny 80 dia lo noho ny fisian'ny rano be loatra, afaka milaza va isika fa ny mamboly hazo sy manondraka azy dia ratsy? samy mahatsapa isika fa ny manana hazo 20 rehefa nanary voany 80 dia manana fananana madiodio satria ny hazo roapolo dia mamokatra voa 20000.

Heverontsika koa ny atodina vorona 100 izay amidy 2 ero. Na dia ny 20 amin'izy ireo fotsiny aza no foy, iza no sahy hiteny fa ny manary atody 80 mba hananana zanaborona 20 dia ratsy? ny mifanohitra amin'izany, ny mahazo vorona 20 fa nanary atody 80 dia fananana madiodio satria ireo vorona 20 ireo dia afaka manatody maro.

Marina ihany koa io toe-javatra io amin'ny zanak'olombelona. Rehefa nanohitra an'I Satana sy ny izaho mpitarika amin'ny ratsy dia mahazo Mpaminany an-jatony ny zanak'olombelona, olo-masina anarivony sy lehilahy sy vehivavy hendry tsy tambo isaina, mahay, mendrika sy tsara saina. Toy ny masoandro ireo olona rehetra ireo, olana sy kintana hoan'ny zanak'olombelona.

Ahoana no fomba hanandraman'I Satana mandrebireby ny zanak'olombelona?

Hitantsika ao amin'ny andininy (7:11-18) ao amin'ny CORAN fa rehefa nozonin'Andriamanitra noho ny fikomiany sy ny fiavonaonany i Satana dia nangataka fepotoana mandrapiavin'ny andro farany mba haka fanahy ny o. neken'Andriamanitra izany fangatahany izany ary hoy i Satana nanampy: «Ho tafihiko avy ao aloha sy aoriana izy ireo, avy ankavanany sy ankaviany. Ary tsy ho hitana hankasitraka ny ankabeazan'izy ireo». (7:17)

Milaza io andininy io fa mampihatra ny fahefany manontolo mba handrebirebena antsika I Satana. Zavatra tonga lafatra indrindra isika satria miseho eny amintsika ny anaran'Andriamanitra manontolo sy ny fahazoana ny fahasambarana mandrakizay. Nomen'Andriamanitra fihetseham-po sy fahafahana manao zavatra maro izya tsy maintsy beazina sy velarina isika. Raha misy fihetseham-po sasany sy fahafaha-manao zavatra toy ny haranintsaina, ny hatezerana, ny hatendran-kanina) tsy beazina sy arona mankamin'ny tanjona tsara fa ampiasaina amin'ny ratsy, ary raha tsy afapo amin'ny fetra ara-dalana ny faniriantsika araoajanahary sy ny fisakafoanana mahaiby dia mety hanimba atnsika na eto antany na any andanitra.

Manakaiky antsika ao ankavia I Satana ary manandrana manaitra ny endrika maha biby antsika sy ny fahafahantsika manao zavatra mba hitondra antsika mankamin'ny ratsy sy ny fahotana.rehefa mamely antsika avy eo aloha izy dia manosika antsika ho kivy, hatahotra amin'ny ho ay, milaza izy fa tsy ho tonga na oviana na oviana ny andro farany ary izay rehetra ampianarin'ny fivavahana mikasika ny any ankoatra dia nofinofintsika fotsiny ihany. Nilaza koa izy fa ny fivavahana dia efa nilaozan'ny toetr'andro sy tsy manaraka ny lamaody ka tsy ilain'ny olo-mandroso sy ny olona ho avy. Rehefa mamely antsika avy ao afara indray izy dia manosika antsika handa ny faminaniana sy ny soratra hafa mikasika ny finoana, toy ny finoana ny fisian'Andriamanitra sy ny maha tokana azy, ny soratra asina sy ny anjely. Amin'ny alalan'ireo fakany fanahy sy ny heviny no hanandraman'I Satana manapaka ny fifamatorantsika amin'ny fivavahana sy mandroboka antsika amin'ny fahotana.

Tsy afaka mandrebireby ny mpino I Satana raha tsy manafika azy ireo avy ankavanana mba hampisakafoanany ny egony sy amin'ny fanosehana azy ireo hieboebo amin'ny fahamarinany sy ny asa tsara vitany. Mibitsibitsika amin'izy ireo izy fa izy ireo no mpino tsara indrindra ary mampianjera azy ireo fa izy ireo no mpino tsara indrindra ary mampianjera azy ireo tsikelikely ao amin'ny fiavonavonana sy filan-dera amin'iroe asa tsara vitany. Ohatra, raha manao ny fivavahana hariva ny mpino sy ny fiantsoana ny sasany mba hidera azy, ary raha mieboebo amin'ny fahombiazany sy ny asa tsara vitany sy mifosa ny hafa dia eo ambany fahefan'I Satana. Fakampanahy lehibe hoan'ny mpino izay tsy maintsy mitandrina lalandava amin'ny famelezan'I Satana avy ankavanana izany.

Anisan'ny hafetsen'I Satana iray ny mampiseho ny zavatra tsy misy dikany fa tsara sy manana ny maha izy azy sy ny mifanohitra amin'izany. Raha miangona ao amin'ny trano fivavahana ny mpino mba hiady hevitra amin-javatra tsy misy dikany toy ny fampiasa sample mandritry ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra aorian'ny fivavahana voasoritra kanefa eo ireo lafin-kevitra matotra kokoa toy ny fanaeazana ny zanak'izy ireo manoloana ny tsy finoana sy ny materialisma na ny fahverezany ao anaty onaonan'ny tsy fahamendrehana, mandrebireby azy I Satana amin'izay.

Nanolo-kevitra vaovao hatrany amin'ny mpanonta amin'ny anaran'ny tsy finoana I Satana ary mampianatra azy ireo ny fomba hiadiana amin'ny finoana marina sy ireo mpino azy.ny fisainana sy ny faniriana tsy ara-tsitrapo. Rehefa tsy mahomby amin'ny fandrebirebena ireo mpino mendrika I µSatana dia mibitsibitsika hevi-dratsy amin'izy ireo. Ohatra, amin'ny alalan'ny fanambaran-kevitra, milaza amin'izy ireo fomba fihevitra miiba mikasika ny zava-masina na manosika azy ireo hiheritreritra amin'ny tsy finoana sy amin'ny fikomiana. Raha mety ho oatafiky ny hevitr'I Satana ny mpino dia fehezin'I Satana hatramin'ny fiahiahiany ny finoany sy hivarinany amin'ny fahakiviana mba tsy ho afaka hiaina ampahamarinana intsony.

Ireo faniriandratsy sy hevitra tsy antsitrapo ireo dia matetika vokatry ny hevitr'I Satana. Toy ny lafy roa amin'ny vato aratra ny fon'olombelona (ao amin'ny fo no ivontoeran'ny faharanitan-tsaina sy ny fanahy) izay manana tendro roa ihany koa na ivo: ny iray mandray ny fanahy maha anjely ary ny iray kosa mandray ny hevitr'I Satana.

Rehefa miha lalina ny finoana sy ny fitiavan'ny mpino, raha mora handairan'ny fahamarinana dia tafihin'I Satana amin'ny lafiny rehetra. Tsy raharahiany izay manaraka azy antsitrapo sy mifantoka amin'ny zavatra mandalo fa ny mpino no katsahiny amin'ny ankapobeny sy ireo marina izay mikatsaka ny fanatrarana laharana ambony ara-panahy.

Hafetsena hafa ananan'I Satana koa ny fitarihany ny mpino hiahiahy ny fahamarinan'ny fivavahan'izy ireo. Ohatra, mametraka izao fanontaninana manaraka izao izy ireo: manatanteraka antsakany sy andavany ny fivavahako va aho? nanasa ny tanako sy ny tarehiko tsara nandritry ny fidiovako va aho? impiry aho no nanasa ny ratsamatako izay tsy maintsy diovina mandritry ny fidiovana?

Ny mpino tratran'ny fisainana toy izany, faniriana sy ahiahy dia tsy maintsy mahalala fa tsy antsitrapo izany ary tsy avy amin'ny fony. Tahaka ny jiolahin-tsambo manafika ny sambo mitatitra harena, manandrana mangalatra ny olona manankarena ny mpangalatra ary ny firenena matanjaka dia manandrana mifehy ny tany manankarena no ampiasan'I Satana ireo hevi-dratsiny mba hanimana ny mpino. Tsy maintsy mitandrina amin'izany ny fon'ny mpino. Toy ny vatana marofy manomboka mamorona hery fiarovana mba hanoherana ny mikraoba izany. Toy izany koa no kitoloman'ny fon'ny olona miha reraka amin'ny hevitr'I Satana.

Mampiseho izany fa ireo hevitra sy torohevitra ireo dia tsy avy amin'ny fo, tsy manaiky izany sy tsy mampihatra azy ny fo. Noho izany, na dia misaina zavatra tsy madio aza tsy hoe maloto ary tsy afaka ny handoto antsika, ary ny sarim-biby dia tsy afaka ny hanaikitra antsika, na dia misaina ny tsy finoana aza dia tsy mitovy amin'ny finoana sy mpandinika antsikaho tsy misy finoan isika kanefa tsy mahatonga antsika ho tsy mpino izany. Raha ny tena marina dia azontsika lazaina aza fa azon'ny mpino araraotina ny hevitr'I Satana satria manosika antsika hitandrina amin'ny fanoherana ny fakam-panahy sy hiady amin'ny izahontsika ara-nofo sy I Satana. Manosika antsika handroso ara-panahy izany.

Ahoana no ahafahana mandresy an'I Satana?

Manambara amintsika ny CORAN fa: «mampiasa paik'ady tsy misy dikany i Satana». toy ny tranokala miseho eo anelanelan'ny rindrin-trano roa andehananareo izy. Tsy manakana ny dianareo io tranokala io ary tsy tokony asianareo dikany akory. Maka fanahy antsika amin'ny famonosana ny fahotana ao aanty voaly kely mivolombolamena I Satana.

Tsy tokony hanaiky na oviana na oviana hilomano amin'ny fanomezany ny mpino. Rehefa mampiasa tolo-kevitra I Satana dia tsy maintsy mihevitra ny mpino fa mampiasa ny paik'adiny farany sy marefo izy ary tsy maintsy tsy te-hahafantatra izany. Raha mihevitra ireo tolokeviny ireo ny mpino dia mety ho resy tahaka ny komandy diso fanatenana noho ny tahotra ka nandefa ny miaramilany teo afooany hoany antsisiny ka namela ny eo afovoany hanjakan'ny fahavalo, ny mpino izay variana amin'ny tolokevitr'I Satana dia mandany ny fahafahany sy ny fahefany ma hanoherana sy hiadiana amin'I Satana sy ny izahony ara-nofo. Izany no atony tsy hananany hery ho entina amin'ny tena ady.

Mba ahafahantsika amin'ny hevidratsin'I Satana dia tsy maintsy manalavitra ny fahotana sy ny faritry ny faminanian'I Satana isika. Ny fanahiana sy ny fanaovana ambanin-javatra ny fiderana dia miantso ny zava-maranitr'I Satana. Hoy ny CORAN: "Na iza na iza mety hisaraka amin'ny fahatsiarovana ny famindram-po dia hampitranga devoly izay mety ho sakaizany afaka kelikely izahay" (43:36).

Ny fahatsiarovan'ilay mpamindrafo dia trangan-javatra tsara na masina fiaina ara-pivavahana izay miaro antsika amin'ny fanafihan'I Satana. Mbola manoro hevitra antsika koa ny CORAN: "Na dia dokafan'I Satana aza ianao dia mitadiava fialofana eo akaikin'Andriamanitra satria mandre sy mahalala ny zava-drehetra izy. Raha vao mahakasika kely azy ireo ny hevitr'I Satana, ireo izay matahotra an'Andriamanitra dia hahatsiaro izany ary hanjary mahita mazava". (7:200-201)

Manoro antsika izao torohevitra manaraka izao ny irak'Andriamanitra rehefa tezitra isika: "Raha tezitra eo ampitsanganana ianareo dia mipetraha; ary raha mipetraka dia mitsora na mitsanana ary manaova fidioana (woudhow)" Indray andro rehefa avy anady niaraka tamin'ireo mpanaradia azy ny Mpaminany dia nanao famantarana hijanona tamina toerana iray. Trotraka dia trotraka izy ireo ka mila hatory aza nandritry ny fotoam-pivavahana. Rehefa tafafoha izy ireo dia nandidy ny mpanaradia azy hiala teo amin'ilay toerana ny Mpaminany satria eto I Satana" hoy izy. Hoy koa ny Mpaminany: "Rehefa miavaka dia mandositra I Satana".

Mandrebireby antsika amin'ny zava-betaveta I Satana indraindray ary mampitia antsika ny hafinaretana tsy ara-dalana. Amin'io toe-javatra io dia tsy maintsy manda tena isika fa na inona na inona hafinaretana tsy manara-dalana dia mahatonga delira ara-moraly ary mampidi-doza ny fiainantsika mandrakizay, eny fa na dia ny fiainantsika eto antany aza. Tsy tokony hadinointsika fa mandalo ihany ity fiainana eto ity fa ny tena fiainana dia any ankoatra. Rehefa misalasala tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny ady tao Toubak noho ny hafanan'ny fahavaratra mafy loatra ny mpanaradia sasany dia nampitandrina azy ireo Andriamanitra hoe: "Mafana loatra ny afon'ny elo – raha mahatsapa izany izy ireo!" (9:81)

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.