Famaranana

Fethullah Gülen

Tamin'ny nanoratana ity boky ity, izaho dia nanana fahafahana tena miavaka niaonana tamin' i M. Gülen ary niara-nisakafo in-droa taminy tany amin'ny toerana fisotroan-dronono izay onenany. Tena maha te ho tia izy ary nandany fotoana maro niaraka taminay, na dia teo azan y tsy fahasalamana nisy teo aminy. Namaly ny ankamaroan'ny fanontaniako izy, ary ireo izay nanatrika teo dia niresaka ireo vaovaon'ny fotoana niaraka taminy ary nandray tamim-pahalalana ireo fanazavany. Mazava ho azy, izaho dia "naira-niaina" tamin' i Gülen tamin'ny endrika lahatsoratra nandritra ny fanoratana ity boky ity. Izaho dia miaina amin'ny fisarihan'ireo heviny, ary taorian'ny nihaonako taminy, dia azoko hoe maninona izy no mahasintona efa ho tetiarana ana lehilahy sy vehivavy Tiorka telo ary nanangana tontolo vaovao. Izy dia olon'ny finoana,ny fahatsorana ary ny fiantrana lalina, izany dia tena feno fahalalana na ao amin'ireo sorany na amin'ny maha olona azy.

Izaho dia nampikambana ireo hevitr'i Gülen miaraka tamin'ny an-dry Kant, Platon, Confisius, Mill sy Sartre satria izaho dia nino fa izy ireo dia mpiara-miasa mendrika amin'ny ady hevitr'i Gülen, ary ny mifamadika amin'izany. Izaho dia mandray azy rehetra ireo sahala amin'ny olona voky fahalalana tena midadasika ary manahy ireo fanontaniana tena maika sy maharitra indrindran'ny fisiana maha olona, ary mamelatra ny ady goavana indrindra amin'ny maha izy azy ireo, amim-pahatsorana sy fifotorana amin'ny heriny tokoa. Izy ireo dia mpisolo tena mendrika ny karazana fahalalana eo amin'ny siansa maha olona, ny karazana izay mamorona fanadihadiana sarotra mba hampiharana eo amin'ny tontolo sy amin'ny fiainantsika anatiny io zavatra io, mba hahalalantsika izay mandrafitra ny fiainana tsara sy ny fanatontosana ho antsika ihany ary ho an'ny taranaka ho avy. Ny fahalalana izay tsy mitana izany ho tanjona faratampony dia tsy fahalalana miavaka.

Izaho dia voasariky ny fampihaonana hevitra izay arindrako an-tsehatra eto. Izaho dia tsy voasarika satria aho tena miombon-kevitra amin'ny iray amin'ireo fomba fijery aseho eto. Rah any marina dia voasariky ny fifanakalozan-kevitra sahala amin'izao aho raha toa izy ireo ka tarihina tsy hoe anatine pejina boky fotsiny fa eo amin'ny fiainana tena misy miaraka amin'ireo mpandray anjara velona. Fantako fa tokony nametraka lohahevitra aho, teny sy andalana mba handramana manangana teboka iray iraisana eo amin'ireo mpandray anjara amin'ity resadresaka ity. Fantako fa any anatin'ireo ohatra maro, io teboka iraisana io dia hitazona, raha toa izy ka afaka mitazona, fotoana fohy fotsiny alohan'ny tsy hahatapahan'ny kofehim-pifandraisana na eo aza ny hanifiny sy ny lanjany samihafa izay misintona azy ireo amin'ny lafiny rehetra. Raha mahampy mitazona mandritra ny fotoana maromaro ny fifandraisana, ny fifandraisana dia tontosa farafahakeliny mandritra ireo fotoana ireo. Ao amin'ny pejin'ny lahatsoratra, ary miaraka amin'ireo mpandray anjara ao amin'ny ady hevitra izay efa maty tamin'ny fotoana ela, ny fifandraisana dia misy saingy tsy tsapa. Miaraka amin'ireo mpandray anjara mivantana, ireo izay amintsika te hanolo-tena, te-hihetsika ary ireo izay raha ny marina tompon'andraikitry ny tontolo sy ny olona rehetra ary ny zavaytra rehetra, ny fifandraisana atao amin'io fotoana io dia tsy hoe tsy tsapa, fa tena misy azo tsapain-tanana. Agamba io fifandraisana io mety afaka hanakana antsika tsy hifanaratsy sy hifamono isika samy isika, ara-pamantatra na ara-bakiteny, rehefa tapaka io kofehy manify io, ary rehefa mbola miady amin'ny fototry ny fahasamihafana isika.

Ny famelarana paik'ady sy fahafahana ho ana fiaraha-monina tony anatine toe-javatra tena samihafa ara-pototra sy loharano voajanahary izay manena ny tenany no fototra adin'ny vanin'androntsika. Isika dia tokony hanome ny mendrika indrindra ao amintsika ho an'io ady io, no ireo fanontaniantsika hafa rehetra dia handamoka satria isika dia nanapoaka ny tontolo tamin'ny fankahalantsika sy ny herisetrantsika. Mety afaka ve isika hahita ao anatintsika, amin'ny maha olona antsoina mankany amin'ny tsy manam-pahataperana amin'ny endriny rehetra antsika, ilay toetra mba ahafahantsika manana sy manorina tontolo iray ana fandeferana, fanajana ary fiantrana.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.