Fampidirana

Teraka tany ‘Erzurum’ atsinanan’I Turquie ny taona 1941 I Fethullah Gülen, mapndinika sy manampahaizana silamo ary mpanoratra manana ny maha izy azy no sady poeta koa. Nobeazina tamin’ny fahalalana ara-pinoana izy ary ray aman-dreny ara-panahy sy manampahaizana silamo fanta-daza no nanabe azy tamin’izany. Nianatra momba ny fototry ny fahalalana mikasika ny fizika ary ny farahamonina ankehitriny koa izy. No ho ireo fanomezana manoka ananany amin’ny fianarana sy ny fifantohany amin’ny fanampianarantena no nahatonga azy hisongona vetivety ireo indray nihira taminy. Ny taona 1958, rehefa nahazo vokatra tsara tamin’ny fanadinana natrehiny izy dia nahazo ny marim-pahaizana ara-panjakana mikasika ny fanabeazana ary nomena toeram-piasana tao Izmir, fahatelo amin’ireo lehibe any ‘Turquie’. Tao no teraka ny hevitr’I Gülen ay tsy nitsaha-nivoatra izany. Tamin’ireo toriteny sy kabary nataony, nanitrikitritra hatrany ny olna ara-tsosialy tena nahazo vahana izy: ny tanjony voalohany dia nanosika ny tanora hampifanaraka ny ara-tsaina amin’ny ara-panahy ny fahendrena sy ny asa mifanaraka amin’ny maha-olona ary ny fheverana ny hafa.

Tsy nahafa-po an’I Gülen ny fampianarana eny amin’ny tanan-dehibe fotsiny. Maro ny faritra noteteziny tany Anatolie ary nampita hafatra tamin’ny olona izy na tany amin’ny trano fivavahana na tany amin’ny toeram-pisakafoanana sy ny amin’ireo toeram-pivoriana tao an-toerana. Izany no nahafahany nampita hafatra tamin’ny sokajin’olona maro tamin’ny mponina sy nisarihany ny sain’ireo avara-pianarana indrindra fa ireo mpianatra amin’ny ambaratonga ambony. Tsy maintsy tafiditra ao amin’ny votoatim-pampianarana ataony ny mikasika ny fivavahana, ao koa ny fanabeazana, ny hairà, ny dawrinisma, ny toekarena sy ny fahamarinana eo amin’ny lafiny sosialy. Ny nahatonga ny fampianarany ho lalina sy mahaliana dia no ho ireo lohahevitra maro samy hafa ireo izay nahatalanjona ary nahasarika ireo avara-pianarana ka najainy.

Niala tamin’ny asa fampianarana ara-panjakana I Gülen ny taona 1981 rehefa nirin’ireo tanora sy mpianatra maro ny ho toa azy. Nanomboka ny taona 1960 ireo ezaka nataony, ny fanavaozana ny fanabeazana no tena nampalaza sy nanajan’ny mponina tao Turquie azy.

Ny taona 1988 hatramin’ny 1991, nanao andian-toriteny tamin’ireo toeram-pivavahana (mosquée) nalaza indrindra izy amin’ny maha mpampianatra ny finona silamo azy; notohizany hatrany tamin’izany ny fampitana ireo hafatra tiany hiampita, tamin’ny alalan’ny valandresaka ampahibemaso, tsy tao Turquie ihany izany fa hatrany Eropa andrefana koa.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.