Fanafahana Ireo Fahasembanana Ara-Batana Sy Ara-Tsaina

Miara miaiky ny manampahaizana silamo rehetra ara-pivavahana fa afaka tamin'ny fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina avokoa ny Mpaminany manontolo. Ary ankoatran'ireo fisarihana manokana avy amin'ny maha olona azy sy ny fitondrantenany dia feno voninahitra tamin'ny tsikitsikiny sy ny endriny tety ivelany koaizy. Tsy misy ho kianina izy amin'ny rafiny ara-batana, tsara tarehy sy mijoro tsara.

Milaza i Anas fa ny Mpaminany Mohammed no olona faran'izay tsara indrindra amin'ny lehilahy. Hoy ny fanamarihan'I Jabir ibn Samura: "Indray alin'ny diavolam-penomanana rehefa nipetraka tao amin'ny trano fivavahana izahay dia niditra ny irak'Andriamanitra. Nojerejo aloha ny volana mamirapiratra avy eo ny salovantavany. Nilaza ny marina eo anatrehan'Andriamanitra aho fa mamirapiratra noho ny volana ny endriny".182

Tsy maintsy tsy ahitan-kilema ara-batana ny Mpaminany satria tsy mety raha ny endriny ety ivelany no mampihemotra ny olona manazava ny fahendren'Andriamanitra miafina ao amin'ny faharetam-pahavelomany nandritry ny 63 taona I Said Nursi ka nanoratra hoe:

"Tsy maintsy tia sy manaja tanteraka ny Mpaminany ara-pinoana ny mpino ary manaraka ny didiny tsirairay amin'ny tsy fahitana fanakianana na dia kely aza manoloana ny endrika sasany amin'ny maha olona azy. Izany antony izany no tsy namelan'Andriamanitra azy hiaina amin'ny vanim-potoana sarotra sy mandreraka amin'ny fahanterana ka nandefasany azy any amin'ny "Toerana avo" tamin'ny faha 63 taonany. Io no faharetam-piainana antonony hoan'ny fiarahamoniny ka nahatonga azy mbola ho ohatra tamin'io lafiny io aza".183

Ny fifikiran'I Joba

Na dia niombonan'ireo Mpaminany rehetra aza io toetra io dia misy tantara mikasika an'I Joba sy Moizy izay nidnramina tamin'ny loharano israelita na koa fandikan-diso, fanadihadiana diso ny CORAN tsikaritra amin'ireo fanadihadiana ny CORAN izy ireny.

Hoy ny irak'Andriamanitra ao amin'ny hadita irey: "Nandalo fisedrana mafy ny Mpaminany, nihatra taminy ny fahavoazana mafy indrindra. Ary tonga koa ireo mpino hafa avy eo, niorina tsara ny finoany ary arakaraka izany no vao mainka niavian'ny zava-dratsy mady taminy". Deraina ao amin'ny CORAN I Joba Mpaminany: "Tena hitanay niharitra mafy izy. Hatsaran'izy mpanompo izany! tsy nitsahatra namela heloka izy". (38:44) Araka izay azo tsoahina ao amin'ny CORAN sy izay voalazan'ny Baiboly dia tratran'ny aritin-koditra izay nampisy azy fery mahatsiravina hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha izy (Job 2:7). Rehefa niankoan'ny tantara israelita ny famakafakana ny CORAN sasany dia nilaza mihintsy aza fa niveloman'ny kankana sy ny bibikely hafa ny feriny ary nampandositra ny olona ny fofona nivoaka avy ao.

Tsy dia misy fanamarinana azy loatra io fanampiana io. Nandositra azy noho ny fahantrana nianjady taminy teo amin'ny fiainana taty afara. Mpanompo nanankarena I Joba tany amboalohany ary nahalala an'Andriamanitra tsara. Very anefa izany harenany izany sy ny zanany taty aoriana. Amin'ny maha Mpaminany azy dia tsy tokony ho nanana endrika ivelany tsy maha te hanatona na maharikoriko izy ary tsy ahitana izany fery izany ny endriny. Ary tsy namoaka fofona mampandoa toy izany ny vatany.

Tsy mifanaraka amin'izay voalazan'ny Baiboly hoe olom-boaozona hatramin'ny fahaterahany I Joba (Job 3:1) sy nihevitra ho ambony noho Andriamanitra (Job 32:2) fa niharitra tamin'ny fifikirany nandritry ny taona maro izy ary tsy mba nitaraina na oviana na oviana. Hoy ny fivavany: "Nihatra tamiko ny ratsy. Kanefa ianao no mpamindra fo indrindra amin'ireo mpamindra fo". (21:83). Namaly vavaky azy Andriamanitra ary nanaisotra ireo fijaliany lalina, "ary nesoriny ny fahoriana nihatra taminy, naveriny taminy ny fananany ary toa azy izy niaraka taminy". (21:84)

Ny fahadisoan'ny fomba filazan-javatr'I Moizy

Milaza ny CORAN fa taorian'ny nahazoany ny didy hifanandrina amin'i Faraona dia nitalaho tamin'Andriamanitra toy izao izy: «Tompo ô! Sokafy amiko ny tratrako ary amoray ny asako ary asivo vona ny lelako mba hatsapan'izy ireo ny tenika» (20:25-28). Nisy mpandalina sasany vonton'ny loharanon-kolontsaina israelita ratsy fandray ny tarainan'i Moizy nilaza fa nanana tsy fahaiza-manambara loatra izy. Milaza izy ireo fa nisintona ny volombavan'i Faraona i Moizy fony fahazazany. Tezitra i Faraona ka vonona ny hamono azy. Namonjy ny zaza anefa ny vadiny ary nangataka tamin'i Faraona nyhitsapa azy mba hahafantarana raha azo tsaraina izy ary raha tsia dia izay vao raisiny ny fanapahan-keviny. Naka mizana izy ireo ary nasiany volamena teo amin'ny lela-mizana ilany ary arina mirehitra teo amin'ny ilany. Nataon'i moizy tao am-bavany ny arina mirehitra ary izany ny nahatongaazy tsy hahay miteny. Ary izany no nangatahan'I Moizy tamin(Andriamanitra ny hanala io tsy fahaizany miteny io araka ny fanazavan'izy ireo.

Tsy azo anankinana ny fanadihadiana ny andininy ao amin'ny CORAN ny tantaranotefitefena fotsiny. Raha nanana fahasahiranana teo amin'ny famoaham-peo I Moizy dia niteny hoe: "ny fatotra" fa tsy hoe "fatotra iray" no vahana.

Ny fahaiza-miteny tsara mba hahafahany mampita ny hafatra mazava avy amin'Andriamanitra eo imason'I Faraona no nangatahin'I Moizy tamin'Andriamanitra satria tsy dia mahay miteny noho I Arona rahalahiny izy (28:34; Exode 4:10)

Mba hamaranana azy, tomombana ara-batana sy ara-tsaina avokoa ny Mpaminany rehetra. Na teo aza ireo heritreritra isan-karazany dia tsy nisy teo amin'ny fiainany mihintsy ireny izay noheverina ho fahasembanana ireny. Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo ambonimbony kokoa teo amin'izy ireo noho ny hafa:"Amin'ireo mpitondra hafatra ireo dia nomenay tombondahany manoloana ny hafa ny sasany. Tao ireo izay nitenenan'Andriamanitra mivantana ary tao ireo nobeaziny teo ambany masony". (2:253) Lehibe indrindra amin'izy ireo ny Mpaminany Mohammed amin'ny maha Mpaminany nalefa farany hoan'ny olombelona azy sy ny tsy mpino. Tsy voafetra hoan'ny mponina/vahoaka iray ihany koa ny asany na voafehy tamina vanim-potoana iray fa natao hoan'ny olona rehera ary mbola manankasina hatramin'izao sy mandrapiavin'ny andro farany.


182 Suyuti, Al-Khasa’is al-Kubra, 1:123; Hindi, Kanz al-‘Ummal, 7:168.
183 Nursi, The Letters, 2:84-85.