Ny Siansa Sy Ny Fivavahana

Mihevitra ny siansa fa ny zavatra apetraka ara-tsapa fotsiny dia tsy siantifika. Arak'io fomba fijery io, ny fanamafisan-kevitra izay tsy apetraka amin'ny alalan'ny fandinihana sy ny fanandramana dia teoria sy petrakevitra fotsiny ihany.

Satria ny siansa dia tsy mahazo antoka ny ho avy, noho izany dia tsy manao faminaniana tanteraka. Ny fiahiahian no fototry ny fikarohana siantifika. Ny Mpaminany Mohammed izay nobeazin'ilay mahalala ny zava-drehetra anefa dia nanao faminaniana azo antoka ary efa voamarina ny faahtanterahan'ny ankamaroany. Hoporofoin'ny fotoana ho avy ny sisa. Andininy maro ao amin'ny CORAN no hanala sarona zavamisy ara-tsiansa ka ny fahagagan'ny Mpaminany izy mba hanamarihana ny fetra tsy azon'io ioharana izay avy amin'ny fahalalan'ilay mahalala ny zava-drehetra. Araka izay efa nomarihana mialoha, ny CORAN dia manambara lafin-javatra maro manan-danja mikasika ny fihariana sy ny tranga voajanahary izay tsy azo nofantarina tao anatin'ny taonjato 14.

Hita ao amin'ny CORAN va ny zava-drehetra? Mamariparitra ny olombelona sy ny tontolo ny CORAN. Hoy ny voalazany:

«Izy no mitana ny fanalahidin'ny tsy fantatra. Tsy misy afa tsy izy no mahafantatra izany. Ary fantany izay ao ankibon'ny tany sy ao anatin'ny ranomasina. Ary tsy misy ravina iray mihitsana tsy fantany. Tsy misy voa ao anatin'ny haizin'ny tany, maina na mando izay tsy voarakitra ao anatin'ny boky mazava» (6:59).

Milaza I Ibn Massoud fa manome ny vaovao rehetra miaksika ny falin-kevita manontolo ny CORAN fa isika no tsy mahay mijery azy. Manamafy I Ibn Abbas, "Ilay mpandinika ny CORAN" sy "manampahaizana avy any Ouma fa rehefa nanary ny tadin-dramevany izy dia hitany izany noho ny CORAN. Manazava I Jalal ad-Din as-Souyouti, manapahaizana miaina tany Egipta nandritry ny taonjato faha XV fa ny sampam-pahalalana rehetra dia mety ho hita ao amin'ny CORAN.

Ahoana no ahafahan'ny boky kely iray hahitana fiverimberenana maro hampiditra izay ilaintsika ho fantatra rehetra mikasika ny fiainana, ny siansa, ny fomba sosialy tsara, nyf ahariana, ny lasa, ny ho avy sy ny sisa?

Alohan'ny hanazavana io hevitra manan-danja io dia tsara tsipihintsika fa mba hahazo tombotsoa amin'ny CORAN izay maharesy ny fotoana sy ny habaka sy tsy voafetran'ny haavo aratsainan'ny mpamaky azy dia tsy maintsy vonona amin'izany aloha isika. Tsy maitnsy miorm-paka tsara ao aloha ny finoantsika, manao izay azontsika atao rehetra mba hampihatra ny foto-keviny eo amin'ny fiainana andavanandro ary miala amin'ny fahotana araka izay azo atao. Araka ny ambaran'ny CORAN dia tsy mahazo afatsy izay vokatry ny ezaka nataony ny olona (53:39), toy ny mpikatsaka ny farany lalina any an-dranomasina dia tsy amitnsy milentika ao an-dranomasiny isika ary mianatra azy tsy ankijanona mandrapahafatintsika tsy amintaraina na fahavizanana.

Ankoatra izany dia tsy maitnsy ilaintiska koa ny fifehezana ny teny Arabo sy ny manam-pahalalana maro mikasika ny siansa araboajanahary sy ny fivavahana. Ny famakafakana tsara dia mitaky ny fiarahamiasan'ny siantifika amin'ny siansa araboajanahary sy sosialy, sy ireo manam-pahaizana ara-pivavahana manokana mikasika ny fanadihadiana ny CORAN (tysîr), ny fahalalana ny hadita sy ny "figh" (lalana silamo), ny teolojia sy ny fahalalan ara-panahy. Rehefa mianatra sy mitanisa ny CORAN isika dia tsy maintsy mihevin-tena ho toy ireo izay nandray azy voalohany, mahatsapa fa ireo andininy tsirairay avy dia miantefa amintsika mivantana. Raha mihevitra isika ohatra fa ny tantaran'ireo Mpaminany sy ny fireneny dia tsy misy ifandraisany amintsika dia tsy hahazo vokatra ao isika.

"Manana ny toerany voatondro ao amin'ny CORAN ny zava-drehetra tsirairay avy arakaraky ny toetrany sy ny lanjany, ny maha zava-dehibe azy sy ny toerana misy azy ao amin'ny tontolo". Misy ny zava-drehetra ny CORAN fa tys mitovy ny haavony. Ahitana tanona 4 lehibe ao aminy: manaporofo ny fisiana sy ny maha tokana an'Andriamanitra, ny faminaniana, ny fitsanganan-kovelona, ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fahamarinana.

Mba hahatanteraka ireo tanjony ireo dia misarika ny saintsika amin'ireo harin-tanan'Andriamanitra ao amin'ny tontolo ny CORAN, ny asa-tanany izay ambaran'ny fahariana, ny fisehoan'ireo anarany sy ny andraikiny ny filaharana sy ny firindrana tanteraka ao amin'ny fisiana. Manambara tranga ara-tantara vitsivitsy sy mametraka ny fitsipi-pitondrantena tsara hoan'ny tsirairay sy iraisana sy ny moraly ny CORAN, ao koa ireo foto-kevitra hoan'ny fiainana sosialy sambatra sy mirindra. Fanampiny, maneho amintsika ny fomba fangatahana sy fiderana ny Mpahary izy, miteny ny fiainana any ankoatra koa indraindray, manazava nyf omba hahatongavana any amin'ny fahasambarana mandrakizay sy ireo fomba rehetra ma ho voavonjy amin'ny sazin'ny afobe.

Mirakitra ny zava-drehetra ny CORAN fa tsy mitovy ny lanjany tsirairay. Vokany tsy miseho ho azo tsapain-tanana ao ny rehetra. Ny tanjony lehibe dia maneho amintsika ny fahatsaran'Andriamanitra, ireo toetra tsarany sy ny asany sy ny andraikitsika, ny toerana misy antsika sy ny fomba tsy maintsy hanompoantsika an'Andriamanitra. Mirakitra ny zava-drehetra izy noho izany fa amin'ny endriky nyv oa sy ny vihy, famintinana, foto-kevitra na famantarana mazava tsara na tsia, amin'ny alalan'ny sary na tsia, na fiheverana. Ireo endrika tsirairay avy ireo dia ampisaina mba hifanaraka amin'ny tanjon'ny CORAN sy izay ilain'ny faritoe-javatra. Ohatra:

Ny fandrosoan'ny olombelona eo amin'ny lafiny siantifika sy indostria dia nitondra zavatra mahavariana ara-tsiansa sy teknolojika toy ny fiaramanidina, ny herin'aratra, ny fitaovam-pitanterana mandeha amin'ny motera, ny radio sy ny fifandraisan-davitra izay nanjary singa ilaina eo amin'ny fandrosoantsika ara-pitaovana sy manara-penitra. Fantatry ny CORAN ireny ary asehony amin'ny fomba roa:

  • Ny fomba voalohany dia asehon'ny fahagagana nataon'ny Mpaminany izy ireny.
  • Ny faharoa indray dia mikasika ireo zava-niseho ara-tantara. Amin'ny fiteny hafa, ny zavatsoan'ny fandrosoan'ny olombelona dia toerana kely fotsiny no mendrika azy, filazana mazava na sary ao amin'ny CORAN.

Ohatra, raha niteny ny fiaramanidina tao amin'ny CORAN hoe: "Ataovy miteny aho sy omeo toerana ao amin'ny soratrao", dia hamaly ny fiaramanidin'ny maha Tompo an'Andriamanitra (ny planeta, ny tany, ny colana) amin'ny anaran'ny CORAN hoe: "Mifanaraka amin'ny habenao no toeranao etp". Raha mangataka toerana ny sambompilentika dia ao anatin'io faritra io ireo sambo mpilentika, ny zavatry ny lanitra milomano any an-dranomasin'ny habaka dia hamaly azy hoe: "Hita maso va ianao raha mitaha aminay". Raha mangataka ny zo mba ho tafiditra ny lampy mandeha amin'ny herinaratra manjelatra toy ny kintana dia hamaly ny lampiny any amin'ny faritra maha Tompo an'Andriamanitra (ny tselatra, ny kintana lehibe sy ny kintana kely mandravaka ny lanitra) hoe: "Mifanaraka amin'ny hazavana entinao va ny zo angatahanao mba ho voalaza".

Raha mangataka toerana ny zavatsoan'ny fandrosoan'ny olombelona amin'ny fifotorana amin'ny hatsaran-tarehiny dia hamaly azy ireo ny lalitra iray hoe: "Mangina! Na dia elatro aza mbola mananjo noho ianareo. Na dia angonina avokoa ny asa tananan'ny olombelona tsara indrindra eo imasony dia mbola tsara lavitra noho ireo ny tongotra amantanako sy ny vatako. Hoy ny andininy: "Izay antsoinareo any ivelan'Andriamanitra dia tsy mahay mamolavola lalitra na dia mitambatra hanao izany aza" (22:73) dia ampy hampangina anareo".

Ny fomba fijerin'ny CORAN ny fiainana sy ny tontolo dia samy hafa tanteraka amin'ny fomba fijery manara-penitra. Hita ho toy ny fitaizana zoky olona ny tontolo, ary ny olona toy ny vahiny manomana ny fiainana mandrakizay amin'ny fanatanterahana ireo andraikiny maika indrindra sy manan-danja indrindra. Izay novolavolaina sy ampiasaina mba hahazoana fitaovana dia tsy misy fandraisany anjara akory ao amin'ny fiderana an'Andriamanitra, izay miorina amin'ny fitiavam-pahamarinana sy ny fahatsorana, noho izany dia miankina amin'ny lanjany ny toerany ao amin'ny CORAN.

Ny antony tsy ilazan'ny CORAN mazava tsara ny zava-drehetra dia mifototra ao amin'ny hoe ny tanjon'ny fivavahana dia hisedra ny olona tsirairay mba hanavahana ny saina ambony sy ambany. Na dia ny vainga aza dia sivanina mba hanasarahana ny diamondra amin'ny arina ary ny volamena amin'ny tany, toy izany koa no itsapan'ny fivavahana ny zavatra misaina hiavahan'ny singa tsara madinika amin'ny olona hiala amin'ny ratsy.

Satria ny CORAN dia nalefa mba hahatanteraka ny olombelona ka atao ny sarisary fotsiny ny zavatra ho avy izay ho hitan'ny rehetra idnray andro any, nys aina koa dia afka mahatsapa azy araka izay ilaina mba hanaporofoana ireo tsangan-kevitry. Raha voalaza mazava io zavatra ho avy io dia tsy misy dikany ny fisedrana satria efa miseho mazava ny fahamarinan'Andriamanitra. Avy eo isika dia tsy afaka ny hanaiky na handa ary tsy misy ilana azy ny vokatry ny sedra ataontsika satria voatery tsy maintsy manamafy io fahamarinana io ny olon-drehetra. Tsy ho voasaraka amin'ny fanahy toy ny arina intsony nyf anahy toy ny diamondra fa heseho amin'ny toetra mitovy izy.

Satria antonony ihany ny fatra-pahatakaran'ny ankamaroan'ny olona ka mampiasa fomba filazan-javatra sy teny azon'izy ireo antomorina ny CORAN. Na olona tsotra, na manampahaizana ambony, na inona na inona zavatra manavanana azy dia afaka mahazo tombotsoa amin'ny CORAN. Mba hitarihana azy ireo mankany amin'ny fahamarinana sy ny tanjona fototry ny CORAN dia ahitana famantarana sy fanovana endri-javatra sy alegoria, fampitahana sy parabola izay mitaky fandalinana ao. Ireo tena mino (3:7) dia mahafantatra hoe ahoana no hanamboarana sy hanararaotana ny CORAN ary hamerana izy ireo fa io no tenin'Andriamanitra.

Ny fandrosoana teo aloha dia tsy nahazo na afaka nanararaotra ny voalazan'ny CORAN mikasika ny siansa manara-penitra kanefa nahoana no voalaza ao?

Ankoatra izany dia miovaova tsy ankijanona ireo fahamarinana ara-tsiansa fa tsy mandrakizay akory.

Andriamanitra mahery indrindra dia nanome antika ny aharanitan-tsaina ary mandrisika antsika hampiasa izany ny CORAN mba handinihantsika ny tenantsika sy hianarana ny natiora sy ny toe-javatra manodidina antsika. Raha nambara ny fikarohana siantifika sy teknolojika na ziay rehetra mikasika ny fiainana, ny natiora, ny tantar sy ny olombelona dia tsy nisy dikany ny fahariana ratsy ho toy izany. Nahary antsika ho tonga lafatra indrindra Andriamanitra manoloana ireo voary hafa ary nanome antsika fahafahana ara-tsaina. Raha mazava avokoa anefa ny zava-drehetra dia tsy nilaina isika satria efa mahafantatra ny zava-drehetra.

Farany, raha nanambara ny lafin-kevitra rehetra tiantsika ho fantatra ny CORAN dia ho boky lehibe izay tsy ho azo atao ny mamaky azy. Tsy no afaka hanararaotra ny fanazavana ara-panahy sy ho sorenan'ny famakiana azy isika. Vokany toy izany no hipoitra sy ny tanjona nanambarana ny CORAN.