Tsy Azo Tsara Ny Finoana Silamo

Tsy Azo Tsara Ny Finoana Silamo

Tsy maintsy jerena indray ny fomba fiheverantsika ny finoana silamo. Amin'ny maha silamo antsika, tsy maintsy manontany tena isika hoe : maninona ny hafa no mandoso kanefa isika mihemotra eto amin’ity tany ity. Raha raisina ho loharano fototra sy manaja ny endrika lehibe ananan’ny finoana silamo ny Coran sy ny Sounna, ary heverina fa zanak’izao fotoana izao, tsy maintsy manontany ny lasa sy ny ankehitriny isika. Nitady ireo izay afaka miheritreritra sy mpikaroka mba hametraka ny fifandanjana ilaina eo amin’ny tokony hiova sy ny endrika tsy azo ovana amin'ny finoana silamo aho rehefa nandinika tsara ny làlana toy ny fanafoanana, ny fanavahana manokana, ny fanaovana jery faobe, sy ny fitsikerana, izay afaka mampiseho ny finoana silamo amin'ny fiheverana sy ny fahazoana azy manarapenitra. Ny taonjato 5 voalohany nisian’ny silamo dia taonjato nahitana mpikaroka sy manampahaizana maro. Nandritra io vanimpotoana io dia nisy dia nisy tokoa ny fahalalahana ara-tsaina.